Sorona Masina ny Asabotsy 22 aogositra 2020

Herinandro faha-20 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11


Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 43, 1-7a


Niditra nankao an-trano ny voninahitry ny Tompo.

Nentin’ny Anjely ho eo am-bavahady aho, eo amin’ilay vavahady mitodika miantsinanana. Ary tamy avy Atsinanana ny voninahitr’Andriamanitr’i Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon’ny rano be, ary ny tany namirapiratra azon’ny voninahiny. Ny tarehin-javatra hitako dia tahaka ilay tarehin-javatra hitako no fijery azy, fony aho tonga handrava ny tanàna; sady nanahaka ny tarehin’ilay zavatra hitako teo amoron’ny ony Kôbara ihany koa, no fijery azy, ka nitrosona nihohoka aho. Dia niditra nankao an-trano ny voninahitry ny Tompo, nihazo ny lalana teo amin’ny vavahady mitodika miantsinanana. Tamin’izay, naingain’ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin’ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitry ny Tompo ny trano. Reko nisy niteny tamiko avy ao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo akaikiko. Hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, eto no fitoeran’ny seza fiandrianako, fitoerana hametrahako ny faladian-tongotro, honenako eo amin’ny zanak’i Israely mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14


Fiv.: Honina amin’ny tanintsika ny voninahitry ny Tompo.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho: moa Izy tsy hiteny fiadanana ho an’ny olony, ho an’ny mpivavaka aminy, ho an’ireo manatodika ny fo aminy? Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny Famonjeny ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana: mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany! Ny rariny mizotra eo amin’ny soritry ny diany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Rota

Rota 2, 1-3. 8-11 ; 4, 13-17


Tsy navelan’ny Tompo tsy hana-mpandimby ny vahoakanao. Itý ny rain’i Izaia, ram’i Davida.

Nanana havam-bady anankiray i Nôemi, lehilahy manan-jo sy manan-karena, avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io, ary Bôôza no anarany. Ary hoy i Rota ilay Môabita tamin’i Nôemi: “Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.” Ka hoy izy namaly azy: “Andeha, anaka.” Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja, ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Bôôza, fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.

Dia hoy i Bôôza tamin’i Rota: “Izao no izy, anaka: Aza mandeha mitsimpona any amin’ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizivaviko. Jereo izay tanimbary hojinjaina dia manaraha eo aorian’ireo. Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta ianao, mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.” Tamin’izay, dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany, ka nanao taminy hoe: “Inona no mba nahitako fitia teo imasonao ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?” Dia hoy ny navalin’i Bôôza azy: “Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao atý amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.”

Dia nampakarin’i Bôôza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Bôôza. Ary nampanana anaka an’i Rota ny Tompo ka niteraka zazalahy izy. Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemi: “Hisaorana anie ny Tompo fa tsy navelany tsy hanam-panavotra ianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny Anarany eo amin’i Israely! Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao, fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.” Dia noraisin’i Nôemi ny zaza ka nataony teny antrotroany, ary izy no nitaiza azy. Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy, ary nanao hoe: “Nahazo zazalahy i Nôemi”, ka nataony hoe Obeda ny anarany. Izy no rain’i Izaia, rain’i Davida.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5


Fiv.: Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny Lalany. Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao. Ny zanakao: solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo. Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 23, 1-12


Milaza fotsiny izy fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany i Jesoa, niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany hoe: “Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety antsoina hoe Raby fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Aza mety atao hoe mpampianatra; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo!


na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; raha misy mihinana izany mofo izany dia ho velona mandrakizay.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085