Sorona Masina ny Zoma 21 aogositra 2020

21 AOGOSITRA

FAHATSIAROVANA AN'I VICTOIRE RASOAMANARIVO OLONTSAMBATRA (1848-1894)

Vehivavy be herim-po tokoa i Victoire RASOAMANARIVO, nijoro tamin’ny finoany, tsy mba natahotra ny hotebahina na ny ho very tombontsoa na ny ho faty. Toa efa hitany mialoha ny andraikitra iantsoana manokana ny kristianina tsotra hohazavain’ny kônsily Vatikàna faha-2. Vao eo izy no kristianina, niara-nanomboka tamin’ny fitoriana ny fivavahana katôlika teto ampovoan’ny Nosy. Tsy olona voatokana ho an’Andriamanitra izy, hoe Pretra na Relijiozy; tsy lehilahy akory fa vehivavy, nefa nahatsiaro fa iraka, ka nandray andraikitra lehibe tao amin’ny Fiangonana sy teo amin’ny tokantranony izay niaretany ny mafy tokoa.
Tia vavaka manokana koa izy: tia ny Eokaristia, tia an’i Masina Maria, ary mpanasoa ny mahantra, ny kamboty, ny marary; fatra-pizara izay eo an-tanany, ka tsy nanana na inona na inona intsony teo am-pahafatesana.
Koa fomba nigagàna no niveloman’i Victoire RASOAMANARIVO Olontsambatra: teo amin’ny finoany sy ny fanantenany ary ny fitiavany, teo amin’ny fahamalinany sy ny fahamarinany ary ny fahononany sy ny faherezany, toy izany koa teo amin’ny hatsaram-panahy eo amin’ny fiaraha-monina: fanetren-tena, fandeferana, fiaretana, fahatsorana, tsy fijeren-tavan’olona… Toetra tokony hiezahantsika hananana ireo, hijoroantsika ho vavolombelon’i Kristy, amin’izao andro ilàna apôstôly indrindra izao.


Tononkira fidirana


Tena vehivavy hendry i Victoire RASOAMANARIVO Olontsambatra, fatra-pikolokolo ny tokantranony ary natahotra ny Tompo, ka nizotra ny lala-mahitsy.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Ray be famindram-po ô, Ianao nifidy an’i Victoire RASOAMANARIVO Olontsambatra ho mpanompo mahatoky ao amin’ny Eglizinao, fatra-piahy ny mahantra sy ny madinika; koa enga anie izahay koa, noho ny vavaka ataony, mba homenao hery avy amin’ny Fanahy Masina hiasa tsy an-kijanona hanitatra ny Fanjakanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 1, 4-8. 17-19


Notendreko ho mpaminany eo amin’ny firenena ianao.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tany am-bohòka ianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.” Dia hoy aho: “Indrisy, ry Tompo Andriamanitra ô, tsy mahay miteny aho fa zaza.” Fa hoy ny Tompo tamiko: “Aza manao hoe: ‘Zaza aho’, fa handeha ho any amin’izay rehetra anirahako anao ianao ary hilaza izay rehetra handidiako anao. Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan’izy ireo, fa momba anao hamonjy anao Aho.” Fa ianao kosa, misikîna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany koa ianao. Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà sy ny mpifehy eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Na: 1. Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? (B. 752) Ohab. 31, 10-31 (lava) na 10-13. 19-20, 30-31 (fohy) 2. Mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana. (B. 752) Tononkira 8, 6-7

Salamo fandinihana

Sal. 26, 1-4


Fiv.: Ny Tompo no mandan’ny aiko, ka zovy àry re no hangovitako?
na: Andriamanitra no tokiko e...

Ny Tompo faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Raha mirohotra ny mpisompatra mba handrotika ny nofoko, dia ireo rafilahy sy fahavaloko, izy no hivena sy hiankarapoka!
Na tafika aza no mitoby, tsy miraika ny foko; na andiany no miantoraka matoky hatrany aho.
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, hany ataoko Anao, ry Tompo: amin’ny andro rehetra iainako, mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo sy hibanjina ny toerany masina.


na: Sal. 33, 2-3. 6-7. 17-18. 19 sy 23 Fiv.: Hahita maso an’Andriamanitra ny olo-marina na: Ny fiainako tontolo no entiko midera ny Tompo. na: Eny sambatra tokoa.

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. PaolyApôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm 12, 3-13


Samy manana ny anjara fanomezana isika, araka ny fahasoavana noraisintsika avy.

Ry kristianina havana, noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy. Fa toy ny tena iray ananantsika, misy rantsam-batana maro tsy mitovy asa, no maha-tena iray antsika ao amin’i Kristy, na dia maro aza isika; ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy. Ary samy manana ny anjara fanomezany isika, araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra; itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany amin-kafaliana. Aza asiana fihatsaram-belatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po; mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mba mafàna fo; ny Tompo anie no tompoinareo e. Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olomasina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


na: 1. Samy manana ny fandraharahany avy. .. amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy. Efez. 4, 1-7. 11-13 2. Na fahafatesana na fiainana tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy. Rôm 8, 31b-39

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo.

Aleloia.

na: Matio 16, 23 Izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, hoy ny Tompo: ary izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy, no hahazo azy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 1-8


Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Izaho no tena foto-boaloboka ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko, dia esoriny; ary izay rehetra mamoa dia rantsanany, mba hampamoa azy bebe kokoa. Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao amiko. Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo. Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana, ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may. Raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany. Ho voninahitra ho an’ny Raiko, raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


1. Matio 25, 14-30 Noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao, miaraha mifaly amin’ny Tomponao. 2. Matio 25, 31-40 Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko. 3. Matio 13, 31-35 Ny Fanjakan’ny lanitra dia toy ny voan-tsinapy... lalivay.

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao, fa mahatsiaro ny fara fitiavana nasehon’ny zanakao izahay, ka enga anie ho fatra-pitia anao sy ho fatra-pitia ny namana, araka ny ohatra nomen’i Victoire RASOAMANARIVO Olontsambatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Fa Ianao mampiroborobo ny Eglizinao amin’ny hery vaovao lalandava noho ny toe-piainana lavorary asehon’ireo Olomasina vavolombelona mampiharihary fa tia anay tokoa Ianao. Koa mba hahatontosa ny famonjena nokasainao hotanterahina dia sady mamporisika anay ny ohatra omeny no itokianay ny vavaka ataony tsy an-kijanona.

Noho izany, izahay koa, ry Tompo, miaraka amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra dia mankalaza Anao ary faly mihoby manao hoe: Masina, Masina, Masina…


Tononkira amin’ny Kômonio

Rôm. 14, 7-8

Tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra, na misy maty ho an’ny tenany; fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany na velona isika na maty, dia ho an’ny Tompo ihany.


na:

Jo. 15, 16

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny Kômonio masina izahay, ry Tompo, ka mba ataovy maharaka ny ohatra nomen’i Victoire RASOAMANARIVO Olontsambatra: ilay nanam-pitiavana tsy lefy hanompo Anao, ary nentanim-pitiavana lehibe nanasoa ny vahoakanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084