Sorona Masina ny Alarobia 19 aogositra 2020

Herinandro faha-20 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11

 

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 34, 1-11

 

Indro hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe: “Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny mpiandry an’i Israely. Maminania ka lazao aminy, dia amin’ireo mpiandry ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Loza ho an’ny mpiandry an’i Israely, fa ny tenany ihany no nofahanan’izy ireo! Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan’ny mpiandry? Nohaninareo ny taviny, notafianareo ny volony, novonoinareo ny matavy; tsy namahana ny ondry ianareo: tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nitondra azy an-kalozàna sy an-kasiahana! Ka niely izy fa tsy nisy mpiandry; zary rembin’izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely. Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny ny ondriko, sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny; tafaely any amin’ny tany rehetra ny ondriko, nefa tsy ahìn’ny olona akory, na mba nisy lasa nitady azy.

Koa mihainoa ny tenin’ny Tompo ianareo, ry mpiandry ondry: “Velona Aho”, — Teny marin’ny Tompo Andriamanitra: — “Noho ny ondriko navela hobaboina, noho ny ondriko zary remby ho an’ny bibidia rehetra fa tsy nisy mpiandry, sy noho ny mpiandriko tsy niahy ny ondriko, fa ny tenany ihany no fahanan’ireo mpiandry ireo, ary ny ondriko tsy mba nofahanany; noho izany dia mihainoa ny tenin’ny Tompo ianareo ry mpiandry ondry.”

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: “Indro ho avy any amin’ny mpiandry ondry Aho; hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko, ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony; ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony; hotsoahako eny am-bavany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony. Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra; Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6.

 

Fiv.: Ny Tompo miandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy tsy orin’inona aho: izaho ampiraotiny amin’ny vilona maitso, entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy, tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza. Satria Ianao miaraka amiko: ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho: ka ny loha miravona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin’ny fiainana tontolo; ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’ny Mpitsara

Mpits. 9, 6-15

 

Hoy ianao: Aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa ny Tompo no Mpanjakanareo fahiny.

Tamin’izany andro izany, dia nivory ny mponina rehetra tao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an’i Abimeleka, teo amin’ny terebintan’ny tsangambato any Sikema. Nony nilazana izany i Jôatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: “Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo koa.

Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka handimby azy; ka hoy izy tamin’ny ôliva: ‘Manjakà aminay ianao.’ Fa hoy ny ôliva taminy: ‘Ho foiko va ny diloiloko, izay mahalaza ahy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’ Dia ny aviavy indray no nataon’ny hazo hoe: ‘Avia, ianao hanjaka aminay.’ Fa hoy ny aviavy taminy: ‘Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto, ka handeha hihevingevina erý ambony hazo hafa?’ Dia ny voaloboka indray no nilazan’ny hazo hoe: ‘Avia, ianao hanjaka aminay.’ Fa hoy ny voaloboka taminy: ‘Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an’Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’ Tamin’izay dia hoy ny hazo rehetra tamin’ny tsilo milobolobo: ‘Avia ianao hanjaka aminay.’ Dia hoy ny tsilo tamin’ny hazo: ‘Raha marina tokoa ary, fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka, dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7

 

Fiv.: Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao!

Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao sy miravo aoka izany amin’ny fandresenao! Izay irin’ny fony omenao; ny vavaky ny molony tsy lavinao!
Tsenainao tso-drano mahasambatra izy; ny lohany asianao fehiloha volamena. Ny fiainana angatahiny omenao: dia andro mitandavana mandrakizay!
Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao: fiandrianana sy laza no arakotrao azy. Ataonao fitso-drano mandrakizay izy, fenoinao hafaliana eo anoloanao.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 20, 1-16a

 

Sa ratsy ny masonao satria tsara Aho?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.

Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja; ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antonony. Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro? Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.

Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany. Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro. Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Alao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo!

 

na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; raha misy mihinana izany mofo izany dia ho velona mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0651