Sorona Masina ny Alatsinainy 10 aogositra 2020

10 Aogositra

Md. LAURENT, Diakra Martiry

(+ 258)


Fankalazana

I Md. Laurent dia anankiray anisan’ny malaza amin’ireo Martiry rômanina fahiny. Amin’ny maha-Diakra azy dia raharaha lehibe no nampiandraiketin’ny Papa Sixte II azy fahavelony: Manampy ny Papa amin’ny Lamesa, mizara Kômonio ary miandraikitra ny fananan’ny Fiangonana, ka mizara azy amin’ny mahantra. Ny fahalalan’ny mpanenjika an’izany raharaha lehibe izany no nisamborany sy namonoany azy. Ny fomba nanaovana martiry azy dia nampandriana teo amin’ny farafara vy mahamay ary nodorana tsikelikely mandra-pahatapitry ny ainy (10 aogostra 258). Fijaliana mangidy sady maharitra no nandrotidrotika ny nofony, fa fanantenana sy fitiavana an’Andriamanitra kosa no nameno ny fo amam-panahiny, ka tsy nampihontsona azy velively ireny. Bazilika iray ao Rôma, mitondra ny anarany, no misy ny fasana ilevenany.
Enga anie mba ho faty ny afon’ny filan-dratsy ao amintsika, ka ho vatana sy fo madio no hanjaka; ary koa mba hanana fo antra toa an’i Md. Laurent isika.


Tononkira fidirana

I Masindahy Laurent dia nanolotra ny tenany ho solon’ny fananan’ny Eglizy notadiavin’ny olona horobaina; hany ka tonga mendrika ny voninahitry ny Martiry ary sambatra niakatra any amin’i Jesoa Kristy Tompo.


Fangatahana

Andriamanitra ô, tia Anao fatratra i Masindahy Laurent ka niavaka ho mpanompo mahatoky sy ho Martiry be voninahitra; mba ataovy tia izay notiaviny izahay ary hanatanteraka izay nampianariny.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ... Amen.


Taratasin’i Md. Paoly ApôstôIy ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 9, 6-10


Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.

Ry kristianina havana, izao àry no izy: Izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be. Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra. Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany, araka ny voasoratra hoe: “Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.” Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 111, 1-2. 5-6. 7-8. 9


Fiv.: Sambatra ny olona mahay mamindra fo sy mampisambotra.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo sy mankasitraka fatratra ny didiny. Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan’ny olo-marina tahìna.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalana voalamina araka ny rariny; tsia, tsy hirona izy mandrakizay! Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Ny fandrenesana loza tsy mba atahorany; ny fony mitombina matoky ny Tompo; ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay; ny masony mibandrina ny rafilahiny.
Malala-tanana izy, manome ny mahantra; ny fahamarinany maharitra mandrakizay; ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 12, 24-26


Izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso sy ambino, ry Tompo, ny fanatitra atolotray enin-kafaliana hankalazana an’i Masindahy Laurent, ka mba ataovy tonga fanampiana hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Jo. 12, 26

Izay manompo Ahy, aoka hanaraka Ahy, dia izay misy Ahy no hisy ny mpanompoko, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Voky ny fanomezanao masina izahay, ry Tompo, no mitalaho sy mihanta aminao: enga anie ny hasin’ny Sorona nataonay hankalazana an’i Masindahy Laurent mba ho renay fa mampitombo ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086