Sorona Masina ny Asabotsy 08 aogositra 2020

Herinandro faha-18 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6


Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!


Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Habakoka Mpaminany

Hab. 1, 12 — 2, 4


Ny marina no ho velona amin’ny finoany.

Moa tsy hatramin’ny fiandohana va Ianao, ry Tompo Andriamanitro, ilay Masiko? Tsy ho faty izahay, Tompo ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny, ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy, ry Vatolampiko. Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy; ary Ianao tsy mety mibanjina ny fahoriana. Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka; ary hangina Ianao raha mihinana ny marina noho izy, ny ratsy fanahy? Hataonao toy ny hazan-dranomasina va ny olombelona, sy toy ny biby mandady tsy manan-dehibe?... Fa alainy amin’ny fintana izany rehetra izany, sy sarihiny amin’ny haratony, ary angoniny amin’ny harato tarihina, ka dia mifaly sy mientan-karavoana izy. Ka noho izany, izy manao sorona ho an’ny haratony, sy manatitra emboka manitra ho an’ny haratony tarihiny: satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy sy sakafo matsiro. Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin’ny haratony, sy ny famonoany, tsy ananany antra ny firenena?

Tiako ny mitana ny anjara toerako, sy mipetraka eo amin’ny tilikambo fiambenana, dia hitandrina aho hahitako izay holazain’ny Tompo amiko sy izay havaliko ny fananarana hatao amiko. Dia namaly ahy ny Tompo, ka nanao hoe: Soraty ny fahitana ka sokiro amin’ny fafana, mba hamakian’ny olona azy moramora. Fa mbola misy fahitana amin’ny fotoam-boafetra; efa mandroso ho amin’ny fotoana fanaperana aza izy, ka tsy hamitaka; raha miadam-piavy izy, andraso ihany, satria ho avy tokoa, fa tsy ho diso. Izay mihobihoby ny fanahy ao anatiny, dia tsy mba amin’ny lala-mahitsy fa ny marina no ho velona amin’ny finoany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 9, 8-9. 10-11. 12-13


Fiv.: Ianao, ry Tompo, tsy mandao izay mitady Anao.

He! Jereo: mitoetra ny Tompon’izao rehetra izao; mijoro ny Fiketraham-pitsarany: mitsara an’izao tontolo izao ara-drariny Izy, sy mifehy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Ny Tompo no fiarovana-avon’ny ampahoriana, fiarovana-avo amin’ny andro mahatahotra. Izay mahalala ny Anaranao, matoky Anao: fa Ianao, ry Tompo, tsy mandao izay mitady Anao!
Antsao ny Tompo izay mitoetra ao Siôna! Ambarao ny vahoaka ny asany ambony: fa miahy izay mitomany Izy, mahatsiahy ny tolokony, tsy manadino ny senton’ny ory.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Deteronômy

Det. 6, 4-13


Tiavo ny Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra.

Hoy i Môizy tamin’ny vahoakan’i Israely: “Mihainoa, ry Israely: Ny Tompo Andriamanitsika dia Izy ihany no Tompo. Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na hiarina. Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao. Soraty eo amin’ny tolam-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao. Raha avy izay hahatafidiran’ny Tompo Andriamanitrao anao any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao, homena anao, tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao; trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao; dobo famorian-drano, tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr’ôliva, tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky ianao; ka tandremo fandrao manadino ny Tompo izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana. Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy, ary aoka ny Anarany no hianiananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 17, 2-3a. 3bd-4. 47 sy 51ab


Fiv.: Mamiko Ianao, ry Tompo, izay heriko.

Mamiko Ianao, ry Tompo izay heriko, Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy, Andriamanitro mpanafaka sy haram-bato fialofana.
Ampinga sy tandro-pamonjena, fiarovana-avo ho ahy! Dera ho an’ny Tompo, hoy aho, fa voavonjy amin’ny fahavaloko aho!
Veloma anie ny Tompo! Hisaorana ny vatolampiko. Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy. Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakanay; anehoany hatsaram-po ny voahosony; dia i Davida sy ny taranany hatrany amin’ny mandrakizay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 17, 14-19


Raha manam-pinoana ianareo, tsy hisy tsy ho azonareo atao.

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: “Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy; mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. Nentiko tamin’ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo.” Ary namaly i Jesoa nanao hoe: “Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandrapahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy.” Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy. Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: “Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?” Hoy i Jesoa taminy: “Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo, ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: ‘Mifindrà erý ianareo’, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.


na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1115