Sorona Masina ny Zoma 07 aogositra 2020

Herinandro faha-18 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6


Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!


Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Nahoma Mpaminany

Nahom. 2, 1. 3 ; 3, 1-3. 6-7


Loza ho an’ny tanànan’ny mpandatsa-dra.

Indro, eny an-tendrombohitra, ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana. Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao! Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy. Fa ny Tompo nampody ny voninahitr’i Jakôba? mbamin’ny voninahitr’i Israely, satria norobain’ny mpandroba izy sady nosimbany ny fotoboalobony.

Loza ho an’i Niniva, ilay tanàna mpandatsa-dra; feno fanambakana amam-pahasiahana; tsy mitsahatra amin’ny halatra! Injany re ny firivirivin’ny karavasy, ny firodorodon’ny kodia, ny katrokatroky ny soavaly ny fiantraitraiky ny sarety! Mpitaingin-tsoavaly miezaka, sabatra mamirapiratra, lefona manjelatra, olo-maratra sesehena, maty miavosa, faty tsy hita isa... Voafingampingan’ny faty ny olona! Hotsipazako loto ianao sy halàko baraka, sy hataoko fijerin’ny olona ianao. Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe: “Rava i Niniva!” Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Det. 32, 35b-36a. 39abde. 41


Fiv.: Izaho no mamono sy mamelona.

Antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy. Fa homen’ny Tompo rariny ny vahoakany, ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.
Jereo amin’izao, fa Izaho, dia Izaho ihany no izy; ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharatra, ary Izaho koa no hahasitrana.
Rahefa hanasa ny sabatro manelatselatra sy handray ny fitsarana ny tanako, dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko, ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Deteronômy

Det. 4, 32-40


Noho ny fitiavany ny razanareo dia nifidy fara aman-dimby ho azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: “Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana! Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renareo, ka mbola velona ihany izy? Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan’ny firenena iray hafa, tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo tany Ejipta? Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao, fa ny Tompo no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy. Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy, sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany; ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao. Noho ny fitiavany ny razanao, dia nifidy fara aman-dimby ho azy ireo Izy, ka nampivoaka anao avy tany Ejipta, tamin’ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe, handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin’ny taniny sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao.

Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony, sy etý amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa. Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 76, 12-13. 14-15. 16 sy 21


Fiv.: Tsaroako izany vitan’ny Tompo.

Tsaroako ny asa mahatalanjona narafitry ny tanan’izy Tompoko. Ireo asa vitanao, Andriamanitra ô, dia tena mahagaga ny fisainako.
Ny lalanao no masina Andriamanitra tsy misy toa Anao ireo andriamanitra. Nahefa be Ianao ka mahatalanjona, niaiky ny herinao tokoa ny olona.
Vahoakanao nahazo fanavotana: i Jakôba sy i Jôsefa sy ny zanany. Ka indro ny olonao tsy very lalana: i Môizy sy i Aarôna no filohany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 16, 24-28


Inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny? Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.


na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199