Sorona Masina ny Alahady 02 aogositra 2020

ALAHADY FAHA-18 mandavantaona — A

RAY AMAN-DRENY ANDRIAMANITRA, FA MPAMELONA ARA-NOFO SY ARA-PANAHY

Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô, afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy; aza ela, ry Tompo!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao, Mpahary sy Mpitantana; ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 55, 1-3

Faingàna, dia mihinàna.

Izao no lazain’ny Tompo: Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia, mividiàna vary ka mihinàna; avia mividy tsy amim-bola na takalo, hividy divay sy ronono. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy misasatra amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ary hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 144, 8-9. 15-16. 17-18


Fiv.: Manokatra ny Tananao Ianao, ry Tompo, ka mamoky zava-tsoa anay.

Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany.
Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao, Ianao mpamahana azy ara-potoana: ny tananao sokafanao, dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 35. 37-39


Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy.

Ry kristianina havana, iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va sa fahaterena, sa fanenjehana sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona sa loza sa sabatra? Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Satria matoky aho fa na fahafatesana na fiainana, na Anjely na fanjakana, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, na ireo fahefana na ny any ambony na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 14, 13-21

Nihinana izy rehetra ka voky.

Tamin’izany andro izany, nony ren’i Jesoa ny nahafatesan’i Joany Batista, dia niondrana an-tsambo kely Izy mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa, ka nandeha tongotra nanaraka Azy. Rehefa niala tao an-tsambo Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka; ka nositraniny ny marary teo aminy. Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina any amin’ny vohitra”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy tokony handeha izy; fa omeo hanina”. Dia hoy ireo taminy: “Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa aty aminay”. Hoy Izy taminy: “Ento aty amiko izany”. Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo. Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, hitantsika ao amin’ny Evanjely androany fa nirohotra nankeo amin’i Jesoa ny vahoaka, satria nahita Azy nampiseho ny fitiavana maha-Ray an’Andriamanitra; koa mivavaha mba hitady Azy koa ny vahoaka ankehitriny ary hahita Azy sy hanovo eo aminy izay sakafo sy hery ho an’ny fanahy amam-batany.

Valy: Ianao, ry Tompo, no mpamelona anay sy mpamonjy anay.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy mpandimby toerana an’i Kristy, mba ho hitan’ny vahoaka fa ray aman-dreny solon’Andriamanitra izy, ka hohatoniny ary hahazoany hery sy vonjy.
* Mivavaha ho an’ireo mpiandraikitra ny fiainam-bahoaka eran-tany, mba tsy hitady toerana no hiasany, fa ny hijoro ho ray aman-dreny hamonjy ny noana rehetra.
* Ny androatokon’izao tontolo izao tsy ampy fivelomana; koa mivavaha mba hifampitondra toy ny mpiray tam-po ny olombelona, ka hifampizara ny manta sy ny masaka.
* Mandritra izao fialan-tsasatra izao dia maro ny olona ifaneraserana sy ifankatiavana ary tonga ifankahazoana tanteraka; koa mivavaha mba ho eo amin’ireny fotoana ireny hatrany Andriamanitra.
* Mivavaha ho antsika iray Fiangonana mba samy ho liana handre ny tenin’i Kristy sy hitaona ny olona hirohotra hankeo aminy, fa Izy no manana ny Teny mahavelona mandrakizay.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, hainao nozaraina tamin’ny fomba mahagaga ny mofo tany an’efitra; koa ampio koa ireo tsy ampy fivelomana ankehitriny, ary vonjeo ireo noana ara-panahy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.


Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.


na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no Mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081