Sorona Masina ny Alakamisy 30 jolay 2020

Herinandro faha-17 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36


Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 18, 1-6


Toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ianareo eo an-tanako.

Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga, ary any Aho hampandre anao ny teniko.” Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy manao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny. Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

Dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo toy izao: “Moa Aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely? — teny marin’ny Tompo. Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 145, 2. 3-4. 5-6


Fiv.: Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba.

Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina, miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Aza mba mitoky amin’ny manam-pahefana na amin’ny olombelona tsy afa-mamonjy: izay lasa fofon’aina, mody amin’ny tany: ka rava fikasana terý!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba, sy mametraka ny tokiny amin’Andriamanitra Tompony, Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka, sy izay rehetra ao amin’ireny.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 40, 16-21. 34-38


Ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana.

Tamin’izany andro izany, nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’ny Tompo azy, dia vitany araka izany. Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa, dia voatsangana ny Fonenana. Natsangan’i Môizy ny Fonenana; naoriny ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin’ny barany, dia natsangany ny andriny. Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy. Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana. Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny Vavolombelona, araka ny nandidian’ny Tompo an’i Moizy.

Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana. Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitry ny Tompo. Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely, dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona, mandrapahatongan’ny andro niakaran’ny rahona indray. Fa ny rahon’ny Tompo dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’iIsraely rehetra, teo amin’ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a. sy 8a. 11


Fiv.: Drey mahatehotia ny Fonenanao, ry Tompon’ny Tafika!

Ny fanahiko manembona ka reraka, manina ny Kianjan’ny Tompo! Ny foko sy nofoko mihoby an’ilay Andriamanitra velona!
Ny fody avy no mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany eo anilan’ny alitaranao, ry Tompon’ny Tafika, ry Mpanjaka sy Andriamanitro!
Sambatra izay monina ao an-tranonao, ka midera Anao mandrakizay! Sambatra ny olona izay omenao hery: mitombo ny hery, ka roso indray ny dia.
Eny, andro iray eo an-Kianjanao, dia tsara noho ny arivo ao an-tranon’ny tena! Aleo mijoro eo am-baravaran’ny Andriamanitro, toy izay miantrano ao an-dain’ny mpanana!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 47-53


Fantenany ny tsara hankao an-karona, fa ny ratsy kosa ariany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?” Eny, hoy izy ireo taminy.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: “Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.” Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin’ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.


na hoe :

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindràna fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083