Sorona Masina ny Alarobia 29 jolay 2020

Herinandro faha-17 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36


Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 15, 10. 16-21


Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako? — Raha miverina amiko ianao, hitsangana indray eo anatrehan’ny Tavako.

Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy, mba ho olona filàna ady amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho. Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy, nefa manozona ahy avokoa izy rehetra! Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko: zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Tompo, Andriamanitry ny tafika ô! Tsy mba nipetraka teo amin’ny fivorian’ny mpihomehy aho, mba hiaranako amin’ny firavoravoana; fa nipetraka nanirery teo ambanin’ny tananao aho, satria nofenoinao hatezerana. Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao, ho tahaka ny rano tsy azo itokiana? Koa izao no lazain’ny Tompo: “Raha miverina amiko ianao, dia hampodìko indray; hitsangananao eo anatrehan’ny tavako; ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao, dia ho tahaka ny vavako; ary izy ireo hiverina hanatona anao; fa tsy ianao no hiverina hanatona azy. Hataonao manda varahina mafy ho an’itý vahoaka itý ianao; hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory; satria momba anao Aho, hamonjy, sy hanafaka anao, — teny marin’ny Tompo. Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho, ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 58, 2-1. 4-5a. 10-11. 17. 18


Fiv.: Fialofana amin’ny andro fahoriana Ianao, ry Tompo.

Afaho amin’ny fahavaloko aho, ry Andriamanitro; arovy amin’ny mpamely; afaho amin’ny mpanao ratsy; vonjeo amin’ny olona lian-dra!
Indreo izy manotrika hanala ny aiko olo-matanjaka mivorivory hamely ahy. Tsy heloko, tsy otako, tsy hadisoako, ry Tompo! Izy anefa miolomay sy efa vonona!
Ry heriko ô, Ianao no andraiko, Andriamanitra fiarovana-avo ho ahy, Andriamanitra tia ahy izay mitsena ahy, sy mahatonga ahy hahasetra ny rafiko.
Raha izaho, dia hihira ny herinao aho; hihoby vao maraina ny hatsaram-ponao. Fa Ianao fiarovana-avo ho ahy, fialofana amin’ny andro fahoriana.
Ry heriko ô, Ianao no antsaiko: Andriamanitra fiarovana-avo ho ahy, Andriamanitra tia ahy izay mitsena ahy, sy mahatonga ahy hahasetra ny rafiko!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 34, 29-35


Nahita ny endrik’i Môizy izy ireo dia natahotra ny hanatona azy.

Tamin’izany andro izany, nidina avy tany an-tendrombohitra Sinaia i Môizy, ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahany tamin’ny Tompo. I Aarôna sy ny zanak’i Israely rehetra nahita an’i Môizy ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany dia natahotra ny hanatona azy izy ireo. Nantsoin’i Môizy ireo, ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin’ny fiangonana ka niresaka tamin’ireo izy. Vao izay vao nanatona azy koa ny zanak’i Israely rehetra, ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin’ny Tompo tany an-tendrombohitra Sinaia. Nony avy niteny i Môizy, dia nosaronany voaly ny tarehiny.

Raha niditra teo anatrehan’ny Tompo i Môizy hiresaka aminy dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany. Rahefa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin’ny zanak’i Israely ny didy azony. Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy, ka dia nosaronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 98, 5. 6. 7. 9.


Fiv.: Eny, marina ny Tompo Andriamanitsika.

Asandrato ny Tompo Andriamanitra! Iankohofy ny Fitoeran-Tongony: fa Masina Izy!
I Môizy sy i Aarôna tamin’ireo Mpisorony, i Samoela tamin’ireo Mpiantso ny Anarany. Samy niantso ny Tompo ka novaliany.
Nitenenany tanaty andry rahona, nitandrina ny Fanambaràna sy ny Fitsipika izay nomeny.
Asandrato ny Tompo Andriamanitsika, miankohofa eo amin’ny Vohiny Masina! Masina ny Tompo Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 44-46


Lasa nivarotra ny fananany rehetra izy, ka nividy ilay saha.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin’ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.


na hoe :

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindràna fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085