Sorona Masina ny Alahady 26 jolay 2020

ALAHADY FAHA-17 mandavantaona — A

METY NY MAHAFOY IZAY TSARA HAHAZOANA NY TSARA KOKOA

Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36

Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao, ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra, dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany, mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 3, 5. 7-12

Fahendrena no nangatahinao ho anao.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: “Angataho izay tianao homeko anao”. Ary hoy i Salômôna: “Ry Tompo Andriamanitra ô, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao; izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena. Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao, vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina, fa maro be loatra. Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay hitsara izao vahoakanao maro be izao!” Nankasitrahin’ny Tompo ny nangatahan’i Salômôna izany zavatra izany taminy. Ka hoy Andriamanitra taminy: “Noho ianao nangataka izany zavatra izany, ka tsy nangataka andro maro ho anao, sy tsy nangataka harena ho anao, ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao; fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny; dia indro, tanterahiko ny teninao, fa homeko saina hendry sy mahiratra ianao, ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao, ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 118, 57 sy 72. 76-77. 127-128. 129-130


Fiv.: Ny teninao Tompo ô, mamiko sy teliko, ny lalanao lalako, no sitrako.

Ny anjarako, ry Tompo, hoy aho, dia ny mitandrina ny teninao. Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny vavanao mihoatra ny volamena sy volafotsy miavosa.
Hampionona ahy anie ny fitiavanao, araka ny teninao tamin’ny mpanomponao. Ny indrafonao haninteraka ahy sy hamelona, satria ny lalànao no firavoako.
Izany no itiavako ny baikonao manoatra ny volamena madio indrindra. Izany no ifidianako ny lahatrao sy ankahalako izay mety ho fitaka.
Tantely mandriaka ny fanambarànao: izany no itandreman’ny fanahiko azy. Vavahady mazava ny teninao sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 28-30


Nokendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa isika.

Ry kristianina havana, fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo voaantso araka ny fandaharany. Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahy matoa amin’ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 44-52 (lava), na 44-46 (fohy kokoa)

Nivarotra izay rehetra mety ho fananany izy ary nividy io saha io.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao tamin’ny vahoaka hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ny olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy”.


(Ajanona eo raha ny fohy no atao, fa tohizana ihany raha ny lava).


“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao; rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. Dia tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?” Hoy izy ireo taminy hoe: “Eny”. Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: “Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay naharay tsara ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Isika, ry kristianina havana, dia tokony ho vonona hamoy ny zavatra rehetra, sahala amin’ilay nitady vatosoa sarobidy sy ilay nahita saha, mba hahazoana ny Fanjakan’Andriamanitra; koa mangataha amin’ny Tompo mba hanazava ny saintsika sy ny sain’ny olombelona rehetra: hahay hifidy izay tokony hofidina, ary hahafoy izay tokony hafoy.

Valy: Jesoa, Jesoa, ny herin’ny Teninao anie hanova ny fiainanay.

* Tian’i Jesoa Kristy ny Eglizy, satria Tenany sady malalany; nefa mbola hifantenany izay tena ho Azy; koa mangataha mba hamindra fo Izy rehefa hitsara antsika.
* Ireo mpiandraikitra ny fiainam-bahoaka dia manana adidy hampiroborobo ny fandrosoana sy hitsinjo ny ho avy; koa mivavaha mba hampandeferany ny tombontsoan’olom-bitsy, ka hahatontosany izay tena soa iombonana.
* Maro ireo mijaly, marary sy sahirana; koa mivavaha mba ho fiarahana amin’i Kristy mamonjy an’izao tontolo izao ny fijaliana rehetra, fa tsy hisy ho raraka an-tany.
* Mivavaha ho antsika iray Fiangonana, mba ho fianakaviana iray tokoa isika, ka hahafoy izay tombontsoa ho an’ny tena, hanasoavana ny be sy ny maro eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, vatosoa sarobidy aminao izahay tsirairay: tsy izahay no nifidy Anao, fa Ianao no nifidy anay; koa enga anie izahay koa hahalala fa vatosoa sarobidy ho anay ny Fanjakanao, ka mendrika hamoizana ny zavatra rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray, fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana, ka noho ny herin’ny fahasoavanao enga anie ity mistery ity hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra II, ohatra.


Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.


na hoe:

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany, fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0274