Sorona Masina ny Alarobia 22 jolay 2020

Herinandro faha-16 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 53, 6-8


Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.


Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 1, 1. 4-10


Indro Aho manendry anao ho eo amin’ny firenena amam-panjakana.

Tenin’i Jeremia, zanak’i Helkiasy, iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina. Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo, nanao hoe: “Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.” Dia hoy aho: “Indrisy, ry Tompo Andriamanitra ô, tsy mahay miteny aho fa zaza.” Fa hoy ny Tompo tamiko: “Aza manao hoe: zaza aho, fa handeha ho any amin’izay rehetra hanirahako anao ianao, ary hilaza izay rehetra handidiako anao. Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan’izy ireo, fa momba anao hamonjy anao Aho, — Teny marin’ny Tompo!”

Dia naninjitra ny tanany ny Tompo, ka nanendry ny vavako, ary hoy ny Tompo tamiko: “Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko; ary indro Aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17


FiV.: Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy ny vonjinao.

Ianao no ifefeko, ry Tompo! Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay Mandrakizay! Afaho noho ny Fahamarinanao; itongilano sofina ka vonjeo!
Aoka Ianao ho vatolampy fialofako, ho trano mafy mahavonjy! Eny, Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy ry Andriamanitra ô!
Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra, fanantenako hatra ny fahakeliko! Hatrany am-bohoka; Ianao no heriko; hatrany an-kibon’i neny, Ianao no mpiaro ahy.
Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy vonjinao. Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao, ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 16, 1-5. 9-15


Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.

Tamin’izany andro izany, niala tao Elima ny zanak’i Israely dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa, taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.

Nimonomonona tamin’i Môizy sy Aarôna tao an’efitra ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra. Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: “Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atý an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.”

Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona, ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy na tsia. Amin’ny andro fahenina, homaniny izay efa nangoniny ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.”

Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: “Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe: Manatòna eo anatrehan’ny Tompo ianareo, fa efa reny ny fimonomononanareo.” Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitry ny Tompo. Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely ka lazao azy ireo hoe: Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia hivoky mofo, ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”

Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby; maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby. Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany. Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe: “Inona itony?” satria tsy fantany. Hoy i Môizy tamin’izy ireo: “Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 77, 18-19. 23-24. 25-26. 27-28


Fiv.: Varin’ny lanitra no nomen’ny Tompo azy ireo.

Ninia naka fanahy an’Andriamanitra izy ireo, ka nangata-tsakafo ho an’ny tendany. Andriamanitra va re, hoy izy, hahavonom-panasana atý an’efitra?
Izy nandidy ny rahona eny ambony; ny varavaran’ny lanitra nadanadanany; narotsany taminy ny mana ho sakafony: varin-danitra no nomeny azy ireo.
Mofo Mahery no nohanin’olombelona, vatsy mahahetsaka no nalefany taminy. Nirahiny avy eny an-danitra ny rivotr’Atsinanana; nampiavian’ny heriny ny rivotr’Atsimo.
Hena toy ny vovoka no narotsany ho azy, dia vorona ohatra ny fasi-dranomasina. Nalatsany ireny teo anivon’ny tobiny, ary koa teny manodidina ny lainy.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 1-9


Ao ny mamoa avo zato heny.

Tamin’izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: “Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy; ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.


na hoe:

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079