Sorona Masina ny Talata 21 jolay 2020

Herinandro faha-16 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 53, 6-8


Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.


Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Mikea Mpaminany

Mik. 7, 14-15. 18-20


Harianao any ambany ranomasina ny fahotanay rehetra, ry Tompo.

Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao, ry Tompo, dia ny ondry lovanao izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela; aoka hiraoka any Basana sy any Galaada izy, toy ny tamin’ny andro taloha. Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy Aho. Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika. Harianao any ambany ranomasina ny fahotany rehetra; hampiseho amin’i Jakôba ny fahamarinanao Ianao, sy amin’i Abrahama ny famindram-ponao; izay efa nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro fahataloha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 84, 2-4. 5-6. 7-8


Fiv.: Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao.

Tsimbino, ry Tompo, itý taninao. Ny babon’i Jakôba re ampodio. Esory ny helok’ireo olonao, dia sarony ny otany. Ianao aza tezitra intsony aminay. Ny fonao vinitra re aoka izay!
Ianao no Mpamonjy ka ento mba ho hody ’zahay Andriamanitra. Toneo ny hatezerana raha sitrakao, ho tezitra mandrakizay ve Ianao? Ho vinitra lava mandritra ny taona rehetra hifanaraka?
Tsy hamelombelona anay va Ianao? Mba satry tokoa hiravo aminao: Ianao tsara fa misehoa mba ho vonjy, ry Tompo Andriamanitra!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 14, 21 — 15, 1


Ny zanak’i Israely nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina.

Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano. Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano. Nanenjika azy ny Ejipsianina, ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny. Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina, dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo tao amin’ny andry afo aman-tsetroka, dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina. Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony. Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay: “Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika, fa ny Tompo no miady ho azy, mamely ny Ejipsianina.”

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao, hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.” Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany, ka vao nangirana ny andro, dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina. Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy, ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina. Nony nikatona ny rano, dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza. Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina, fa zary rindrina ho azy ireo ny rano eo akavanany sy eo ankaviany.

Koa novonjen’ny Tompo ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany, ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina teny amoron-dranomasina.

Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo, nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina, ka natahotra ny Tompo ny vahoaka, ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony. Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’ny Tompo. Hoy izy: “Hihira ho an’ny Tompo aho, fa efa naneho ny voninahiny Izy. Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Eks. 15, 8-9. 10 sy 12. 17


Fiv.: Hihira ho an’ny Tompo isika, fa efa naneho ny voninahiny Izy.

Noho ny fofon’ain’ny vavoronao, niangona niavosa ny rano, niantsavovona ny onjan-drano, raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.
Hoy ny fahavalo: Hanenjika ka hahatratra, dia hizara babo aho. Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.
Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao, dia safotry ny rano izy, ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be. Naninjitra ny tananao havanana ianao, dia nitelina an’ireny ny tany.
Hitondra sy hamponina azy Ianao eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao, dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenana, ry Tompo ô! Eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 12, 46-50


Naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany izy, nanao hoe: ireo no renika sy rahalahiko.

lndray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy, ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: “Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady Anao.” Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy: “Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?” Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: “Ireo no reniko sy rahalahiko. Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.


na hoe:

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0543