Sorona Masina ny Alatsinainy 20 jolay 2020

Herinandro faha-16 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 53, 6-8


Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.


Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Mikea Mpaminany

Mikea 6, 1-4. 6-8


Efa nampahalalaina anao, ry olombelona, izay tsara sy izay ilain’ny Tompo aminao.

Mihainoa àry izay lazain’ny Tompo ianareo: “Mitsangàna ianao ary ataovy vita ny adinao eo anoloan’ny tendrombohitra, ary aoka ny havoana handre ny feonao! Mihainoa ny adin’ny Tompo ianareo, ry tendrombohitra, mbaminareo fanorenan’ny tany tsy azo ovana! Fa manana ady amin’ny vahoakany ny Tompo; ka handahatra manohitra an’i Israely Izy. Inona no nataoko taminao, ry vahoakako, inona no nampalahelovako anao? Valio ny teniko. Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho, ary nanavotra anao tamin’ny trano nanandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.”

Inona no hoentiko hanoloana ny Tompo sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana Azy mitondra sorona dorana va aho, dia zanak’omby efa iray taona? Hankasitrahan’ny Tompo va ny ondry arivoarivo, ny renirano diloilo alinalina? Hanolotra ny lahimatoako va aho, noho ny heloko, dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan’ny fanahiko? Efa nampahalalaina anao, ry olombelona, izay tsara, sy izay ilain’ny Tompo aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hanaraka an’Andriamanitra amim-panetrentena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 49, 5-6. 8-9. 16bd-17. 21 sy 23.


Fiv.: Izay misorona saotra no hasaiko, ka hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona! Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra. Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara marina!
Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao: na ny sorona doranao izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vantotr’omby ao an-tranonao, na izay osilahy ao am-pahitrao?
Ahoana ianao no mitanisa ny Didiko, sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy manipy ny teniko any ivoho.
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao! Izay misorona saotra no hasaiko: ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 14, 5-18


Ho fantatr’izy ireo fa Izaho no Tompo, rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna.

Tamin’izany andro izany, dia nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe lasa nandositra ny vahoaka. Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka fa hoy izy ireo: “Naninona itý isika no nandefa an’i Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?” Dia nasain’i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany. Ny nentiny dia kalesy voafantina eninjato sy ny kalesy rehetra tao Ejipta, samy nisy mpifehy avy. Nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna, ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely. Koa nanenjika azy ny Ejipsianina ary nahatratra azy teo akaikin’ny ranomasina izay nitobiany; nahatratra azy teo akaikin’i Fihahirôta, tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.

Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony, dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsianina, ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely sy velon-taraina tamin’ny Tompo. Ary nanao tamin’i Môizy hoe: “Tsy misy fasana va tany Ejipta, no dia nentinao ho faty atý an’efitra izahay? Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta? Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsianina fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy toy izay ho faty any an’efitra.” Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka: “Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjen’ny Tompo anareo anio; fa ireo Ejipsianina hitanareo anio ireo, tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Ny Tompo no hiady ho anareo, fa ianareo mipetraha tsy amin’ahiahy.” Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Nahoana no mitaraina amiko ianao? Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga. Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina, ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina hanarahany azy ireo avy aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny. Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Izaho no Tompo, rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Eks 15, 1-2. 3-4. 5-6


Fiv.: Hihira ho an’ny Tompo isika, fa efa naneho ny voninahiny izy.

Hihira ho an’ny Tompo aho fa efa naneho ny voninahiny Izy. Nariany any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro ka hankalazaiko, sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Mpiady mahery ny Tompo. Mahefa ny zava-drehetra ny Anarany. Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina; ny kapiteny voafantina natelin’ny ranomasina Mena.
Natelin’ny rano ireny; nilentika any amin’ny farany ambany izy ireo. Tompo ô, nigagàna noho ny heriny ny tananao havanana, Tompo ô, nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 12, 38-42


Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin’ny andro fitsarana.

Tamin’izany andro izany, ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe: “Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.” Fa namaly Izy ka nanao hoe: “Mangata-pamantarana itý taranaka ratsy sy mpijangajanga itý fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy; fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany koa. Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny; nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto. Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.


na hoe:

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1083