Sorona Masina ny Alahady 19 jolay 2020

ALAHADY FAHA-16 mandavantaona — A

MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO

Tononkira fidirana

Sal. 53, 6-8

Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay, haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fahendrena

Fah. 12, 13. 16-19

Omenao andro hibebahany izy.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany, izay mitandrina ny zavatra rehetra, mba hahenoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao. Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana: ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra, no itondrànao azy rehetra amim-pamindram-po. Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao; ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany. Fehezin’ny sitra-ponao ny herinao, ka mitsara amin-kamoram-po Ianao, ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe; satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao. Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao, fa tokony ho antra olona ny marina; sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao, fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 85, 5-6. 9-10. 15-16a


Fiv.: Tsara fo Ianao, ry Tompo, ka mamela heloka.

Tsara sy mpamela heloka Ianao, ry Tompo, ho fitiavana an’izay miantso Anao! Mampandria sofina amin’ny fivàvako, ho tandrinao ny feoko mitaraina.
Ny firenena rehetra dia voaarinao: hiankohoka eo anoloanao izy, ry Tompo. Eny, hanome voninahitra Anao, fa lehibe sy mahefa zava-mahagaga Ianao;
Ianao manko no Andriamanitra, Ianao irery dia Ianao irery! Ianao, ry Tompo Andriamanitra, mpamindra fo sy mpiantra, tsy mba malady vinitra Ianao, be fitiavana sy fahamarinana. Mba todiho maso aho, ka iantrao, ry Tompo.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 26-27


Ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay lazaina.

Ry kristianina havana, ny Fanahy no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety angatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny Tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina; ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irîn’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olomasina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 24-43 (lava), na 24-30 (fohy kokoa)

Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny; fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa. Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: “Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?” Fa hoy ny navaliny hoe: “Ny fahavaloko no nanao izany”. Ka hoy ireo mpanompony taminy: “Tianao va ny handehananay hiava azy?” Hoy izy: “Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo. Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana, ary angony ho any an-tsopitro ny vary”.


(Ajanona eo raha ny fohy no atao; tohizina ihany raha ny lava)


Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy, fa rehefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin’ny rantsany”.

Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarîna intelon’ny famarana mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra”. Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana, mba ho tanteraka ny tenin’ny Mpaminany manao hoe: “Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”.

Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy”. Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe: “Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo, no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikotroha-nify. Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny Fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, eto an-tany dia misy ny vary, misy ny ahi-dratsy. Tiantsika hongotana avy hatrany matetika ny ahi-dratsy, nefa isika koa mety ho tsimparifary; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hahandry sy hanetry tena isika ary ho ampy fitiavana, mba tsy hahavoaongotra ny tena vary na oviana na oviana.

Valy: Tompo ô, mba ekeo ny vavakay.

* Tsy voa tsara ihany no ao amin’ny Eglizy fa misy ahi-dratsy; koa angataho Andriamanitra hanampy antsika tsy ho maimay foana hanongotra, fa hitozo hiasa hatrany.
* Mivavaha ho an’ny mpitsara sy ny mpitondra vahoaka, mba hikapa hahita ny tonony izy sy handidy hahita ny vaniny, ary tsy hahavoafaoka ny tsy manantsiny, rehefa manasazy ny meloka.
* Ao ireo mijaly ara-batana, na koa ireo maratra sy sorena anaty; koa mivavaha mba hahatsindry fo izy amin’izay mety tsy ho araka ny faniriany, ary mba ho maro ny hangoraka sy hanampy azy.
* Mivavaha amin’ny Tompo ho an’ny Pretra sy ireo mikatroka ho Apôstôly eto amintsika, mba tsy ho kivy na hiraviravy tanana raha mahita ny fiezahany toa tsy misy vokany.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Mihanta aminao izahay, ry Tompo: ampio hahatsindry fo, mahita ny heloka sy ny haratsiana eo amin’izao tontolo izao feno fahotana, ary ho tsara fandray ny olona rehetra na manao ahoana na manao ahoana ny toetrany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny Lalàna fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela, mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay, hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.


Kômonio

Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.


na hoe

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny, ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085