Sorona Masina ny Zoma 17 jolay 2020

Herinandro faha-15 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 16, 15

 

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 38, 1-6. 22-22. 7-8

 

Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao.

Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe: “Izao no lazain’ny Tompo: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.” Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’ny Tompo; hoy izy: “Tompo ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao.” Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa. Dia tonga tamin’i Izaia ny tenin’ny Tompo, nanao hoe: “Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe: Izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Davida rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao. Hamonjy anao sy itý tanàna itý amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; ary hiaro itý tanàna itý.” Hoy i Izaia: “Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.” Ary hoy i Ezekiasa: “Inona no famantarana hahalalako fa hiakatra any amin’ny tranon’ny Tompo aho?” Ary izao no famantarana omen’ny Tompo anao, hahafantaranao fa hotanterahin’ny Tompo izany teny nolazainy izany: “Indro Aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy; eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.” Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo ny masoandro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo: Iz. 38, 10. 11. 12abde. 16.

 

Fiv.: Arovanao amin’ny lavaka fahaverezana ny fanahiko, ry Tompo.

Vao misasaka ve ny fiainako, dia ho faty sahady, hoy aho. Ka ny androko sisa rehetra, dia ho very sy hafoiko avokoa.
Tsy hahita ny Tompo intsony, raha atý amin’ny tanin’ny velona. Tsy hahita na iza na iza amin’ny mponina ambonin’ny tany.
Ny fonenako no indro hiongotra toy ny lain’ireo mpiandry ondry. Fa ny fiainana mba notenomiko, hotapahina ho afaka ny haraka.
Fa ny foko mitoky aminao, ka sitrano aho, Tompo, velomy, dia hiova ho soa ny anjarako na mangidy aza izay efa nentiko.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 11, 10 — 12, 14

 

Hamono zanak’ondry ianareo amin’ilay àty takariva iny; ho hitako ny ra, dia holalovako fotsiny ianareo.

Tamin’izany andro izany, dia nanao fahagagana maro teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarona, fa nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna, ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.

Dia izao no nolazain’ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna tany amin’ny tany Ejipta: “Itý volana itý no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo, dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo. Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, ataovy hoe: Amin’ny andro fahafolon’itý volana itý, samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isain-pianakaviana, zanak’ondry iray isan-trano. Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray, dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy arakaraka ny isan’ny olona, fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona hihinana an’io zanak’ondry io. Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy. Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io, vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra amin’ilay àty takariva iny. Hangalàna ny rany hatentina amin’ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy; ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy. Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin’ny afo daholo mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy. Aza avela hisy tra-maraina, fa raha misy tsy lany dia dory. Ary toy izao no hihinananareo azy: ny andilana voasikina, ny tongotra voaisy kapa; ny tanana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana. Pakan’ny Tompo izany.”

“Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahimatoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Tompo. Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo, ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rahefa hamely ny tany Ejipta Aho. Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zava-nalahatra haharitra mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 115, 12-13. 15-16. 17-18

 

Fiv.: Hanainga ny kapoaky ny famonjena aho, ho fiantsoana ny Anaran’ny Tompo.

Koa inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony? Halaiko ny kalisim-pamonjena, hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy. Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao fa zanaka mpanompovavinao, dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho hiantsoako amy foko ny Anaranao, efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan’ny firenena.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 12, 1-8

 

Tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana; fa nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza taminy hoe: “Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata.” Ary hoy Izy taminy: “Moa tsy novakînareo va izay nataon’i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Sa tsy novakînareo ao amin’ny lalàna va fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly, kanefa tsy meloka izy? Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo; satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mandrakizay izy ireo.

 

na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho ao aminy, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222