Sorona Masina ny Alarobia 15 jolay 2020

Herinandro faha-15 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 16, 15

 

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 10, 5-7. 13-16

 

Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky?

Izao no nolazain’ny Tompo: “Loza ho an’i Asora, tsorakazon’ny fahatezerako! fiasan’ny havinirako ny tehina eny an-tanany! Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe. Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana. Satria izy nanao hoe: “Ny nahefako izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin’ny firenena nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho toy ny lehilahy mahery fo. Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na mba nikiaka akory!” Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo! Noho izany, ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin’ny haintrano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 93, 5-6. 7-8. 9-10. 14-15.

 

Fiv.: Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany.

Ny vahoakanao, ry Tompo, ampahorian’ny olon-dratsy; ny lovanao, torotoroiny; ny mpitondratena, ny vahiny vonoiny; ny kamboty aripany.
Ny Tompo tsy mahita, hoy izy; ny Andriamanitr’i Jakôba tsy mahatazana! Mbà mahafantatra, ry vahoaka ketrina! Rahoviana no hahalala ianareo, ry adala?
Ilay namboly ny sofina va no tsy handre? Ilay namorona ny maso no tsy hahita? Ilay Mpananatra ny firenena va no tsy hanadina? Ilay Mpanoro ny olombelona no tsy hahalala?
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany, na handao ny lovany ka ny olo-marina hahazo ny rariny, ny mahitsy fo no handresy lahatra.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 3, 1-6. 9-12

 

Niseho tamin’ny endriky ny lelafo teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna, i Môizy. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba izy. Ny Anjelin’ny Tompo niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo, teo afovoan’ny zavamaniry milobolobo. Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona. Ka hoy i Môizy: “Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.” Hitan’ny Tompo fa niolaka hijery izy, dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: “Ry Môizy! Ry Môizy!” Ka hoy ny navaliny: “Intý aho!” Dia hoy Andriamanitra: “Aza manakaiky eto; esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.” Ary hoy koa Izy: “Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.” Nosaronan’i Môizy ny tavany, fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy. Hoy indray ny Tompo: “Ankehitriny, indro tafasondrotra hatratý amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely, ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsianina amin’izy ireo. Koa handeha ianao amin’izao, irahiko ho any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.” Fa hoy i Môizy tamin’Andriamanitra: “Zinona moa aho no hankany amin’i Faraôna sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?” Dia hoy Andriamanitra: “Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rahefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’itý tendrombohitra itý ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7

 

Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra. Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa azo avy aminy.
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin’ny lavaka, manototra hatsaram-po sy indrafo anao!
Mpanome rariny ny Tompo, omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra. Nampahafantatra ny Lalany an’i Môizy Izy, sy ny asany vaventy ny Zanak’i Israely.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 25-27

 

Nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry Ianao fa nanambara azy tamin’ny tso-po.

Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe: “Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

 

na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho ao aminy, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085