Sorona Masina ny Alatsinainy 13 jolay 2020

Herinandro faha-15 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 16, 15

 

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 1, 11-17

 

Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo.

Mihainoa ny tenin’ny Tompo, ry mpitsara an’i Sôdôma: Mampaninona Ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy ny Tompo. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana Aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy. Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory? Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho Ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahana ny heloka sy ny fivoriana miaraka ampahibemaso. Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatra ny mandefitra izany Aho. Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo. Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23

 

Fiv.: Izay misorona saotra no hasaiko, hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao: na ny sorona doranao izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vatotr’omby ao an-tranonao, na izay osilahy ao am-pahitrao?
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko, sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy mpanipy ny teniko any ivoho?
Izany ve no ataonao ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Izay misorona saotra no hasaiko: ka hohetsahiko amin’ny vonjiko.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 1, 8-14. 22

 

Andeha hampijaliana i Israely, sao mitombo ka mihamaro be.

Tamin’izany andro izany, nisy mpanjaka vaovao, tsy nahalala an’i Jôsefa, nanjaka tany Ejipta. Hoy izy tamin’ny vahoakany: “Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto ny zanak’i Israely. Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy, dia hivoaka hiala amin’ny tany.” Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna, dia Pitaoma sy Ramsesa. Kanjo, araka ny namoretana azy vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely. Nampiasain’ny Ejipsianina an-tery vozona ny zanak’i Israely, nampangidîny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozàna. Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: “Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8

 

Fiv.: Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo.

Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, lazao re, ry Israely! Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsapazan’ireny, dia ho nateliny velona isika, fa nirehitra loatra ny havinirany.
Ho nadifotry ny rano isika; ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika! Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara! Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny.
Toy ny fody afa-pandrika harato isika: rovitra ny harato, ka afaka isika! Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo, Ilay nanao ny lanitra sy ny tany!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 10, 34 — 11, 1

 

Tsy hitondra fiadanana Aho, fa hitondra sabatra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe: “Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin’ny rainy, sy ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy; ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony. Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina; ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.” Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo, dia niala teo Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

 

na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho ao aminy, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1974