Sorona Masina ny Alahady 12 jolay 2020

ALAHADY FAHA-15 mandavantaona — A

NOKENDREN’ANDRIAMANITRA HISY VOKANY EO AMIN’NY FIAINANTSIKA, NY TENINY

Tononkira fidirana

Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana hibanjina ny voninahitrao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny, sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. . . Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 55, 10-11

Ny ranon’orana mampaniry ny zava-maniry amin’ny tany.

Izao no lazain’ny Tompo: Ny ranon’orana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako; tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 64, 10abde. 10-11. 12-13. 14.


Fiv.: Fa ny voa izay sendra tany lonaka dia hahavokatra be dia be.

Mamangy ny tany Ianao, ry Tompo, manondraka azy amin’ora-mikija, dibaka ny onin’Andriamanitra: manomana vary ho anay manko Ianao!
Voakolokolonao ny tany: ny soritr’asa ataonao ampoka, ny bainga motehinao sy arovanao, tahînao indrindra ny tsirim-bary.
Dia ny faraòrana no toy ny fehiloha izay asatrokao ny taona. Ka fitahiana mitafotafo no amin’izay nandalovanao!
Ny ahitra an-tanety, maitso mavana. Ny tanim-bilona, rakotra ondry aman’osy, ny vary, miavosa eny an-dohasaha; ka manakoako ny hira sy ny hoby!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 18-23


Indrakindrafina be ihany ny zava-boaary, miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. Fa indrakindrafina be ihany ny zava-boaary rehetra, miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompon’ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho Ilay nampanompo azy, nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alàna amin’ny fanandevozam-pahalovana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Fa fantatsika, fa mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao. Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 1-23 (lava) na 1-9 (fohy kokoa)

Indro nivoaka hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano i Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: “Indro nivoaka hamafy ny mpamafy; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy; ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsaka lalina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo ary ao ny telopolo. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino”.


(Eo no mijanona raha ny fohy no atao; tohizina kosa raha ny lava)


Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?” Namaly Izy ka nanao taminy hoe: “Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny Fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy. Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahalala; ka tanteraka aminy ilay fanoharan’i Izaia manao hoe: “Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin’ny masonareo fa tsy hahita; fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko”. Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.

Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre. Ka henoy àry ny hevitry ny fanoharana amin’ny mpamafy. Raha misy mandre ny tenin’ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay nafafy tao am-pony: dia izay no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay nandre ny teny sy nandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay, nefa tsy miorina mafy izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay nandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no ilay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, izao tontolo izao no tany irîn’Andriamanitra hamafazana ny teniny; koa miraisa vavaka isika hangataka mba ho tojo tany lonaka Izy hampahavokatra ny Fanjakany.

Valy: Jesoa, Jesoa, ny herin’ny teninao anie hanova ny fiainanay.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra, mba hahaizany mamafy ny Teny amin’ny tany mahavokatra, sy handaniany ny heriny rehetra hampitsimoka azy.
* Mivavaha ho an’ireo miandraikitra ny hanin-kohanina sy ny fiveloman’ny olombelona, mba hanampian’Andriamanitra azy hahita izay tetika mahomby hanasoavana an’ireo iadidiany.
* Mivavaha mba hitombo ao amin’ireo tanora vao misondrotra ny tenin’Andriamanitra, miaraka amin’ny fitomboan’ny heriny sy ny fahaizany.
* Mifampivavaha isika izay mandre ny Tenin’Andriamanitra, mba hahay handray azy amim-pinoana sy hampihatra azy eo amin’ny fiainantsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, matetika izahay dia tany ngazana tsy mandray ny Teninao na manosi-bohon-tanana. Koa mandritra izao Sorona izao mba ampio izahay hihaino tsara sy ho vonona hanatontosa izay irinao hataonay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra IV, ohatra.


Kômonio

Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny Tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mandrakizay izy ireo.


na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho no aminy, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008