Sorona Masina ny Asabotsy 11 jolay 2020

Herinandro faha-14 mandavantaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11

 

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 6, 1-8

 

Olona maloto molotra aho, nefa nahita maso ny Tompon’ny tafika.

Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony. Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany manana elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany. Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: “Masina, masina ny Tompon’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.” Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy ary tonga feno setroka ny trano. Ka hoy aho tamin’izay: “Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, ny Tompon’ny tafika!” Kanjo, nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo Serafima, nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely. Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy: “Jereo, efa voakasik’itý ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.” Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho any?” Ka hoy aho: “Intý aho, iraho aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 92, 1ab. 1d-2. 5.

 

Fiv.: Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana.

Andriana manjaka Ianao, ry Tompo; mitafy ny hery tsy hay tohaina. Ny zava-drehetra harin-tananao, tomombana fatratra tsy mivena.
Mirafitra mafy ny rovanao. Fa manda miorina tsy mikoro. Hatrany amboalohany, teo ianao; ho mandrakizay re tsy hanam-petra.
Ireo Teny rehetra voalazanao. E! lalina, marina, tsy mivaona. Ny fahamasinana feno haja manerana izany fonenanao.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 49, 29-33 ; 50, 15-24

 

Hamangy anareo Andriamanitra sy hampiakatra anareo avy amin’itý tany itý.

Tamin’izany andro izany, dia izao no hafatra napetrak’i Jakôba tamin-janany: “Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako, anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna, Heteanina; anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana; dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha, tamin’i Efrôna, Heteanina, hananany fasana ho azy. Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny. Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an’i Leà. Tamin’ny taranak’i Heta no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.”

Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkony teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy; ka voaangona any amin’ny razany. Rahefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty rainy dia hoy izy: “Sao dia anaovan’i Jôsefa fo lentika isika, ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.” Koa nampilaza tamin’i Jôsefa izy nanao hoe: “Nanafatra rainao talohan’ny nahafatesany, nanao hoe: Izao no holazainareo amin’i Josefa: “Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao, fa nahavita ratsy taminao izy. Nefa mifona aminao aho ankehitriny, avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.” Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.

Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe: “Mpanomponao izahay.” Fa hoy i Jôsefa tamin’izy ireo: “Aoka tsy hanan-tahotra ianareo; fa moa solon’Andriamanitra va aho? Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be. Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo aho.” Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.

Ka dia nonina tany Ejipta i Jôsefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany. Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira, zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Jôsefa teo ampofoany.

Ary hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: “Izaho itý ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’itý tany itý ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7

 

Fiv.: Ianareo manetry tena tadiavo Andriamanitra dia ho velom-bolo ny fonareo.

Mankalazà ny Tompo, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony. Mihirà ho Azy; mankalazà Azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony.
Mireharehà amin’ny Anarany masina: hiravoravo anie ny fon’izay mitady ny Tompo. Mitadiava ny Tompo sy ny heriny: aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony, tamingan’i Jakôba olom-boafidiny. Izy no Tompo Andriamanitsika; mihatra amin’ny tany rehetra ny fitsarany.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjey Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 10, 24-33

 

Aza matahotra izay mamono ny vatana.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: “Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe. Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo. Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo. Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

 

na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082