Sorona Masina ny Zoma 03 jolay 2020

3 Jolay

Md. TÔMÀ, Apôstôly

(Taonjato voalohany)

 

Fankalazana

Apôstôly nanana saina mpanadihady i Md. Tômà ilay antsoin’ny Evanjely koa hoe: Didimo, mba hahalalàna ny votoatin’ny marina.
Tamin’ny fisakafoana farany i Jesoa nilaza tamin’ny Apôstôly fa fantatr’izy ireo ny lalana halehany. Namaly i Tômà nanao hoe: “Tsy fantatray akory, ry Tompo, izay halehanao ka hataonay ahoana no hahalala ny lalana?” Dia hoy i Jesoa: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana; tsy misy mahazo manatona ny Ray raha tsy amin’ny alalako.” (Jo. 14, 5-6)
Iaraha-mahalala ny tsy ninoan’i Tômà avy hatrany ny filazan’ny Apôstôly nahita an’i Jesoa tafatsangan-ko velona. Fa rahefa nahita ny marina kosa izy, nony afaka valo andro, dia mahonena ny fiekem-pinoana nataony ka manjary ampiasain’ny Fiangonana mandraka androany: “Tompo sy Andriamanitro!”
Ireo kristianina Malabara, any amorontsiraka andrefan’i Inde, dia mihevitra fa i Md. Tômà no mpitondra voalohany ny Evanjely tany aminy sy mpanorina ny Fiangonany, hany ka dia izy no ankalazainy ho Mpiaro azy manokana. Araka ny lovantsofina dia toa tany Inde koa izy no maty martiry.
Mangataha mba ho finoana latsaka anaty toy ny an’i Md. Tômà ny finoantsika ka hasehon’ny toe-piainantsika andavanandro.

 

Tononkira fidirana

Salamo 117, 28

Andriamanitro Ianao, ka isaorako! Andriamanitro, ka asandratro! Eny, isaorako, fa namonjy ahy!

 

Asiana Voninahitra anie...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mba ataovy faly izahay mankalaza an’i Masindahy Tômà Apôstôly ka hanampy anay lalandava anie ny vavaka ataony, ary hahazoanay ny fiainana sy ny finoana ny Anaran’Ilay nekeny ho Tompo, dia i Jesoa Kristy Zanakao, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 2, 19-22

 

Ny Apôstôly no fanorenana nandrafetana anareo.

Ry kristianina havana, tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olomasina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 116, 1. 2.

 

Fiv.: Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra! Ankalazao Izy, ry foko rehetra.
Fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony, ary mandrakizay ny fahamarinany!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nino ianao, ry Tômà, satria nahita, hoy ny Tompo; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 20, 24-29

 

Tompoko sy Andriamanitro!

Tamin’izany andro izany, i Tômà, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: “Efa nahita ny Tompo izahay.” Fa hoy izy tamin’ireo: “Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny fony ny tanako, dia tsy hino aho.” Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Ary hoy Izy tamin’i Tômà: “Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny foko; dia minoa, fa aza malain-kino.” Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro!” Fa hoy i Jesoa taminy: “Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka mino.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Indro entinay aminao, ry Tompo, ny hasim-panompoanay ary mangataka an-tanan-droa aminao izahay: aoka ny fanomezanao no ho jerenao ao aminay fa atolotray ho sorom-piderana Anao amin’izao fanehoam-pinoana ataon’i Masindahy Tômà Apstôly izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Apôstôly II

 

Kômonio

Jo. 20, 27

Ataovy eto ny tananao, ka jereo ny loaky ny fantsika; aza malain-kino, fa minoa.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, ny Vatan’ny Zanakao mihitsy no raisinay amin’izao Sakramenta izao, satria inoanay marina toy ny nataon’i Masindahy Tômà Apôstôly fa Tompo sy Andriamanitra Izy, koa mba ataovy miaiky sy maneho Azy izahay amin’ny asanay sy ny fiainanay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085