Sorona Masina ny Alatsinainy 29 jona 2020

29 JIONA

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA AN’I MD PIERA SY I PAOLY, APÔSTÔLY

Samy tao Rôma no nanaovana martiry an’i Piera (+64) sy i Paoly (+67). Ao Vatikàna no anajana ny fasan’i Md. Piera ary eo amoron’ny arabe mankany Ostie ny an’i Md. Paoly. Fa ny fankalazana azy mirahalahy kosa dia atambatry ny Eglizy isaky ny 29 jiona. Ireo Apôstôly roa lehibe indrindra ireo àry no ankalazaintsika anio: i Piera moa solontenan’i Jesoa Kristy voalohany teto an-tany; i Paoly kosa nanitatra ny Eglizy hanerana an’izao tontolo izao. Samy mahatsiaro izy mirahalahy fa tompon’andraikitra amin’ny fitazonana ny fomba ifandovàna sy amin’ny fandrosoana tsy maintsy izoran’ny Eglizy. Mivavaha isika, ary samia miezaka, mba hanaraka amim-pitokiana ny fampianarany, ka hiorina mafy amin’ny finoana ao anatin’ny fifankatiavana, toy ireo kristianina voalohany.


Tononkira fidirana


Miaraha mankalaza an-dry i Masindahy Piera sy i Paoly Apôstôly: nahafoy ny rany hanorenana ny Eglizy fony izy tety an-tany; nisotro tamin’ny kapoakan’ny Tompo izy ka nataon’Andriamanitra sakaizany.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, nataonao mirakitra hafaliana masina izao andro fankalazana an’i Masindahy Piera sy i Paoly Apôstôly izao, fa izy ireo no niandohan’ny fivavahana; ka enga anie ny Eglizinao hanaraka an-tsakany sy an-davany ny fitsipi-pinoana navelany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 12, 1-11


Fantatro ankehitriny fa nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana ny sasany anisan’ny Eglizy. Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany. Nony hitany fa nankasitrahin’ny Jody izany, dia nasainy nosamborina koa i Piera. Andron’ny azima tamin’izay. Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy nambenan’andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy; fa rehefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy. Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera dia tsy tapaka ny fivavahana nataon’ny Eglizy ho azy.

Tamin’ny alin’ny hamoahan’i Herôda azy, raha natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Piera, sady nifatotra tamin’ny rojo vy roa, ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran’ny tranomaizina, dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina; nanohina ny tehezan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe: “Mitsangàna faingana”; dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy. Ary hoy ilay Anjely taminy: “Ataovy ny fehikibonao ary fehezo ny kapanao.” Dia nataony izany, ka hoy indray ny Anjely: “Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.” Dia nivoaka i Piera ka nanaraka azy; tsy fantany ho tena zavatra anefa ny nataon’ny Anjely, fa nataony ho fahitana fotsiny izany. Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga tao amin’ny vavahady vy fidirana ao an-tanàna; nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo, dia nizotra tamin’ny lalana iray, vao nilaozan’ilay Anjely tampoka izy. Izay vao nahatsiaro fanahy i Piera ka nanao hoe: “Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny Anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda sy ny fanampoizan’ny vahoaka Jody.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9.


Fiv. : Ny Anjelin’ny Tompo mamonjy izay matahotra Azy.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ombay aho mankalaza ny Tompo, miaraha isika midera ny Anarany. Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny, ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana, ny tavanareo tsy hangaihay; ity ory velona antso ka novaliany, ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo. Ankafizo re fa mamy ny Tompo: ary sambatra ny olona mifefy aminy.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 4, 6-8. 17-18


Hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana.

Ry zanako malala, izaho dia mova tsy ny efa haiîdina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo Mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa. Nilaozan’ny olona aho, nefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy mba hanatontosako ny fitorianteny sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho. Hanafaka ahy amin’ny asan’ny ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 16, 13-19


Ianao no Piera, ary homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, raha tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany nanao hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?” Ary hoy ireo: “Ny sasany manao hoe i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny Mpaminany.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?” Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO…


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao isika mankalaza ny Apôstôly roa lehibe izao, dia asondroty ny fontsika hangataka amin’Andriamanitra mba ho heno hatraiza hatraiza, ety an-tany ny feony sy ny feon’ireo dimbiny.

Valy: Maro ny vokatra, Tompo ô, fa ny mpijinja no vitsy.
Aniraho mpijinja re ny taninao fa maro ny vokatra

* Mivavaha mba homen’Andriamanitra apôstôly be finoana hoatra an’i Md. Piera hatrany ny Eglizy, ary koa apôstôly mazoto mitrandraka tany vao mandrakariva hoatra an’i Md. Paoly.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra fanjakana mba hiheverany fa vahoakan’Andriamanitra aloha ny olombelona ka tokony homeny fahalalahana hanompo Azy Mpahary sy hihaino ny hafatra ampitondrain’Izy Tompo.
* Mila olona mafy finoana hiaro azy mandrakariva ny Eglizy, ka mivavaha mba hisy hanaiky ho martiry ho vavolombelon’i Kristy sy ny Eglizy, ary mba hahavokatra apôstôly maro mafana fo ireo trano fanofanana Pretra sy Relijiozy eran-tany.
* Mivavaha ho an’ireo manenjika ny kristianina, nefa manampò fa manasoa ny olombelona; ka enga anie izy ireo hohazavain’Andriamanitra sahala amin’i Saoly nankany Damasy.
* Mangataha amin’Andriamanitra mba sady ho mpankatò ny mpitondra ao amin’ny Eglizy isika no haka tahaka an’i Md. Paoly hikaroka izay fomba hitoriana ny Evanjely antonona izao androntsika izao.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, Apôstôly roa lehibe no nofidinao ho filohan’ny finoana marina; koa ampio izahay ho mpitondra mafana fo ny Teninao, ary ho vavolombelona mahery fo hanambara ny Fahamarinanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Enga anie, ry Tompo, ny vavak’ireo Apôstôly homba ity Sorona masina atolotra ny Anaranao ity, ary hahatonga anay koa ho fanatitra voatokana ho Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Satria nataonao foto-karavoana ho anay i Masindahy Piera nanankinana ny finoana, sy i Masindahy Paoly mpanoro ny fiainana tokony ho fantatra; ny iray nanorina ny Eglizy voalohany, ho an’i Israely sisa voatahiry, ny iray nampianatra sy nanoro ireo firenena mbola tsy voaantso. Koa na samy hafa aza ny fahaizana nentiny dia samy namory vahoaka maro izy ho vala tokan’i Kristy, ary miaraka hajain’izao tontolo izao sady miray satro-boninahitra.

Izany no iarahanay amin’ny Olomasina sy ny Anjely rehetra mankalaza Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Mt. 16, 16. 18

Hoy i Piera tamin’i Jesoa: Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona! Hoy kosa i Jesoa namaly azy: Ianao no Piera Vatolampy, ilay Vatolampy hanorenako ny Egliziko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ry Tompo, ka enga anie izahay miara-miaina ao amin’ny Eglizy haharitra manolotra ny Sorona masina sy hazoto hihaino ny fampianaran’ny Apôstôly, mba hiray fo sy fanahy hamafisin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096