Sorona Masina ny Alahady 28 jona 2020

ALAHADY FAHA-13 mandavantaona — A

NY SOA ATAO, LEVENAM-BOLA

Tononkira fidirana

Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana; koa mihanta aminao izahay, aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso, fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 4, 8-11. 14-16a

Olo-masin’Andriamanitra iny koa aoka honina eto.

Indray andro i Elisea nandalo tany Sonàma. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo. Ary hoy ravehivavy tamin’ny lahy: “Indro fantatro fa olo-masin’Andriamanitra iny mpandalo eto amintsika matetika iny. Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina ho azy, dia asiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy”.

Dia tonga tao Sonàma i Elisea indray andro, ka nipetraka tao amin’ilay efitrano avo sy nandry tao. Ary hoy i Elisea: “Ka inona àry no hatao ho azy?” Dia hoy ny navalin’i Giezi: “Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra”. Ary hoy i Elisea: “Antsoy àry izy”. Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana; ka hoy i Elisea taminy: “Raha afaka herintaona amin’izao fotoana izao, dia hisafosafo zazalahy ianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 88, 2-3. 16-17. 18-19

 

Fiv: Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Ny fitiavanao, ry Tompo, hohiraiko mandrakizay; ny fahamarinanao hambarako amin’ny taona rehetra.
Vavako no niteny, hoy Ianao: Voaorina mandrakizay ny fitiavako, ary ny fahamarinako voajoro ho toy ny lanitra!
Sambatra izay vahoaka mahay mihoby, ilay mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao, mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro, sy mientana amin’ny fitiavanao ny rariny.
Satria Ianao no reharehan’ny heriny, ary ny fitiavanao, ry Tompo, no tabihanay. Eny fa ny Tompo no Andrianay, ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 6, 3-4. 8-11

 

Niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy isika, ka handeha amin’ny fiainam-baovao koa

Ry kristianina havana, moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho amin’i Kristy Jesoa dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany? Koa niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa. Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa, sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Satria ny fahafatesana moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra. Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evaijely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo. Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 10, 37-42

Izay tsy mitondra ny hazofijaliany dia tsy mendrika Ahy. Izay mandray anareo mandray Ahy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: “Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo valisoan’ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo valisoan’ny olo-marina; ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, sarotra sy manahirana antsika ny tenin’Andriamanitra amin’izao andro diavintsika izao, koa mivavaha mba hoampian’Andriamanitra hahazo tsara ny teniny isika, ary homeny herim-po hahazaka ny hazofijaliantsika am-panarahana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Valy: Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao

* Maro ireo olona be herim-po, nandao an’izao tontolo izao sy ny fianakaviany mba hanaraka an’i Kristy; koa mivavaha mba tsy ho tolan’ny fakàm-panahy samihafa ny finiavany sy ny fitolorany tena hikatroka.
* Manana ny anjara hazofijaliany koa ireo mpitondra ara-nofo; koa mivavaha mba ho takany ny hasarobidin’ny fisasarany sy ny fahafoizan-tenany eo am-panefana ny adidiny, ho an’ny tanindrazana sy mpiara-belona.
* Maro ny kristianina voaenjika noho ny finoana an’i Kristy; koa mivavaha mba haharetany hijoro amin’ny finoany, ary mba hanovàn’Andriamanitra ny fon’ny mpanenjika hino sy handray ny teniny.
* Matetika no misy misaraka tsy fidiny ny olona mifankatia: na ray aman-dreny, na zanaka, na mpisakaiza, maro koa ny voasesi-tany sy ny mpitsoa-ponenana; koa mivavaha mba hahazakany ny ngidin’ny fisarahana, ary hahitany ny lalana mankany amin’i Kristy, ka handreseny miaraka aminy.
* Tsy tian’i Kristy hiraviravy tanana isika raha tojo zava-manahirana, fa handray ny hazofijaliantsika sy hanara-dia Azy Tompo; koa mangataha amin’Andriamanitra, mba homeny herim-pon’Apôstôly hamonjentsika ny tenantsika sy ny namana,

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, Ianao nampianatra anay hizotra amin’ny lalan’ny Hazofijaliana, koa tolory tana-mamonjy izahay eto am-pamakivakiana ny fiainana, fa osa sy malemy, ary ombao ny herinao sy ny fitiavanao hanarahanay Anao hatramin’ny farany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra.

 

na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186