Sorona Masina ny Alahady 21 jona 2020

ALAHADY FAHA-12 mandavantaona — A

MAHATOKY ANDRIAMANITRA KA RESEO NY TAHOTRA

Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9

Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE …

 

Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 20, 10-13

Izy hanafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.

Efa reko izaho Jeremia ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: “Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy! Andeha hotorintsika izy!” Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy, dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika. Ny Tompo anefa momba ahy, toy ny lehilahy mahery; ka hitambotsotra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy. Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina. Ry Tompon’ny Tafika, Ianao Izay mizaha toetra ny marina, Izay mahita ny voa sy ny fo, hahita ny famalianao an’ireo aho, fa Ianao no nanankinako ny diako. Mihirà ho an’ny Tompo, miderà ny Tompo, fa manafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 68, 8-10.14 sy 17. 33-35

 

Fiv.: Valio noho ny haben’ny hamoram-ponao aho, Andriamanitra ô.

Noho ianao no ilonjoako latsa sy mahasafo-kenatra ny tavako ka olon-kafa amin’ny zanak’ineny aho sy vahiny amin’ireo rahalahiko.
Ny fahasaro-piaroko ny tranonao no maharîtra ny aiko; ny latsan’ny mpandatsa anao no miantefa amiko.
Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo! Iantrao aho, ry Andriamanitra; valio fa be fitiavana Ianao, fa marina ny vonjinao.
Valio aho fa soa ny fitiavanao, todiho fa be ny hatsaram-ponao. Ny ory mahita ka faly: Veloma ny aina, ry mpitady ny Tompo,
fa mihaino ny mahantra Andriamanitra; ny babo tsy hainy hamavoina. Hidera Azy ny tany sy ny lanitra, ny ranomasina sy izay velona ao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm 5, 1 2-15

 

Tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezana.

Ry kristianina havana, nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao, tamin’ny olona iray (izany hoe tamin’i Adama), ary nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna. Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana, fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny Olona iray, dia i Jesoa Kristy no handraisan’ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 10, 26-33

Aza inatahotra izay mamono ny vatana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny Apôstôly hoe: “Aza matahotra ny olona ianareo, fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; ary aza matahotra izay mamono ny vatana, fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe. Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory, raha tsy avelan’ny Rainareo. Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo. Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Tsy dia firy amin’ny kristianina no sahy mitonona ho mpianatr’i Kristy; nefa izao tontolo izao mitady Azy fa tsy mahita; koa mivavaha mba ho vavolombelona be herim-po isika, ary ho sahy maty hampahafantatra Azy.

Fiv.: Ekeo, ry Tompo ô, ny vavakay.

* Mivavaha ho an’ny Eveka sy ny Pretra fa izy ireny indrindra no voalohany manana adidy hijoro ho vavolombelona hanambara an’i Kristy.
* Tsy mba voatonona matetika eo amin’ny kabarin’ny mpitondra vahoaka i Jesoa Kristy; koa mivavaha mba tsy ho fanadinoana Azy izany, ary indrindra mba ho voaaraka ny asainy kendrena ao amin’ny Evanjely.
* Irahina ho vavolombelona hanoro ny Evanjely eo amin’ny vahoaka eran’izao tontolo izao ny kristianina; koa angataho mba tsy ho resin-tahotra fa hiseho ho mpianatr’i Kristy tokoa amin’ny teniny, fa indrindra amin’ny ataony.
* Mivavaha ho an’ireo miasa tany sy mamafy na mijinja amin’izao fotoana izao, mba hatoky an’Andriamanitra izy eo am-piezahana hanamasaka ny tany, sy hazoto mangataka ny fanambinany.
* Tokony ho vavolombelona hampahalala an’i Kristy ny Fiangonantsika; koa mivavaha mba hiharihary ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra Izay mitantana ny fiainantsika, na eo amin’ny fianakaviana, na any am-piasana, na eo amin’ny mpiara-monina.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, amin’ny farandro dia horaisinao hankeo aminao izay sahy miseho fa mpianatrao; koa mba ataovy anisan’ireo izahay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ity sorom-pifonana sy fiderana ity: ary enga anie handio anay ny fahasoavana avy aminy, ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefàsy: Alahady tsotra III, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony arapotoana.

 

na hoe:

Jo. 10, 11.15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy ny Ran’i Kristy; koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085