Sorona Masina ny Zoma 19 jona 2020

ZOMA manaraka ny alahady faha-2 aorian’ny Pantekôty – Taona D

NY FO MASIN’I JESOA

NY FON’I JESOA NO ILAY FO FATRA-PITIA NY OLOMBELONA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 32, 11. 19.

Izay ampoizin’ny Tompo hatao, maharitra mandrakizay, ny fikasan’ny Fony amin’ny taranaka mifandimby, ka hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana Izy, sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mihanta aminao izahay faly mankalaza ny Fon’ny Zanakao malalanao ary mahatsiaro ny tombontsoa sarobidy nanehoany ny fitiavany anay, ka enga anie ho mendrika handray ny fahasoavana mitosaka avy amin’ny Fony loharanon’ny fanomezanao.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ez. 34, 11-16

Izaho no hiandry ny ondriko ary Izaho ihany no hampandry azy.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: “Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy. Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona. Hoentiko mivoaka avy any amin’ny hafa firenena izy, ary hangoniko avy any amin’ny tany samihafa, hampodiako eo amin’ny tena taniny izy, dia handrasako eny amin’ny tendrombohitr’i Israely, eny an-dohasaha aman-toerana rehetra onenana amin’ny tany. Amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy; ary any an-tendrombohitra avon’i Israely no ho valany; ary izy no handry amin’ny valan’ondry tsara, sy hihinana amin’ny tany be vilona, eny an-tendrombohitr’i Israely. Izaho no hiandry ny ondriko. Izaho no hampandry azy — teny marin’ny Tompo Andriamanitra. — Ny very, hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra, hotsaboiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa, haringako; handrasako ara-drariny izy ireo."

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6

 

Fiv.: Ny Tompo miandry ahy tsy orin’inoninona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho; izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso, entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy.
Izaho tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany! Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza: satria Ianao miaraka amiko; ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho: ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona! Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin’ny fiainana tontolo; ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 5, 5-11

 

Voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika, ny fitiavan’Andriamanitra. Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy. Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin’ny fahatezerana mihitsy. Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; sady mahalala ny ondriko Aho no fantatry ny ondriko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 15, 37

Miaraha mifaly amiko satria hitako ny ondriko very.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa, hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny Fon’i Jesoa Tompo no itodihantsika anio, ka matoky isika fa hohenoiny; koa hararaoty izany fitokiana izany hivavahantsika ho an’ny olombelona rehetra, izay nahafoizany ny ainy noho ny fitiavany tsy taka-polopolorina.

Valy: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy, mba harisika lalandava hampiray ny andian’ondriny ireo mpiandry, ary hitady izay ondry very.
* Mivavahaho an’ireo miandraikitra raharaham-bahoaka, mba hampian'Andriamanitra izy ho mpiandry ondry hahafoy tena hikarakara ny olombelona, manana ny zo aman-kasiny ary miandrandra fiadanana.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra tsy misy mpiahy: ireo kamboty ray na reny, ireo nilaozan-tsakaiza, ireo toy ny ondry afoy, mba ho enina anjara amin’ny fikolokoloan’i Jesoa Mpiandry ondry tsara izy ireny.
* Mivavaha ho an’ireo iray finoana amintsika fa tsy tafangona androany, ary ho an’ireo hafa finoana, mba hantsoia’ny fitiavan’Andriamanitra izy hiombompanantenana amintsika, ao amin’ny Fon’i Jesoa.
* Ary mivavaha ho antsika rehetra tonga eto izao, mba hitombo lalandava ao amintsika ny fitiavan’Andriamanitra, ka hitozoantsika hamaly fitia hatrany koa, an’ilay Fo masina loharanon’ny fiainana sy ny famonjena.

 

—Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, ny Fo nofo tao aminao dia endrika ahitanay ny fitiavanao tsy misy fetra, amelanao ny helokay sy itiavanao ny olombelona tsy an-kanavaka, koa mba ovao ny fonay hahay miantra sy mitia tahaka ny Fonao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Todiho maso, ry Tompo, ny fitiavana tsy hay lazaina avy amin’ny Fon’ny Zanakao malalanao; koa mihanta aminao izahay: enga anie izao tontolo izao mba ho fanatitra hankasitrahinao, no sady ho fanonerana ny otanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nentanim-pitiavana ka nasandratra teo amin’ny Hazofijaliana mba hanolo-Tena ho anay, ary nandrotsaka rano sy Ra avy amin’ny Fony ho loharanon’ny Sakramentan’ny Eglizy, mba hahatarika ny olona rehetra hankeo amin’ny Fon’Izy Mpamonjy nolefonina, sy ho sambatra hiala hetaheta tsy an-kijanona eo amin’ny loharanom-pamonjena.

Izany no iarahanay amin’ny Olomasina sy ny Anjely rehetra mankalaza Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .

 

Kômonio

Jo. 7, 37-38

Hoy ny Tompo hoe: «Raha misy mangetaheta, tongava aty amiko hisotro. Izay mino Ahy, hiboiboika rano velona ao aminy».

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, izao Sakramenta tsangam-baton’ny fitiavana izao hampiredareda ny fitiavana masina ao am-ponay, hany ka rehefa voasintona mandrakariva hanatona ny Zanakao izahay, dia hiezaka hahita Azy koa ao amin’ny namanay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092