Sorona Masina ny Alarobia 17 jona 2020

Herinandro faha-11 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 26, 7. 9

 

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan’izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin’ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 2, 1. 6-14

 

Indro misy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.

Nony efa hampakarin’ny Tompo ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra i Elia, dia niara-nandeha avy any Galgalà i Elia sy i Elisea. Ary hoy i Elia taminy: “Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin’ny Tompo ho any Jordany aho.” Fa hoy ny navaliny: “Velona ny Tompo ary velona ny ainao! tsy handao anao aho!” Koa niara-nandeha izy roa lahy. Nisy dimampolo lahy tamin’ny zanaky ny mpaminany nanaraka azy, ary nipetraka eny lavitra eny tandrify azy, ary izy roa lahy dia nijanona teo amoron’i Jordany. Dia nalain’i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin’ny tany maina. Nony tafita izy ireo dia hoy i Elia tamin’i Elisea: “Angataho izay tianao hataoko aminao, alohan’ny hangalana ahy aminao.” Ary hoy ny navalin’i Elisea: “Ny mba hahazo anjara roa amin’ny fanahinao.” Ka hoy i Elia: “Mangataka zava-tsarotra ianao, kanefa raha mahita ahy ianao amin’ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany.” Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia. Sady nijery i Elisea no niantso hoe: “Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin’i Israely sy mpitaingin-tsoavaliny!” Dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin’izay nalainy ny fitafiany, norovitiny roa, ary noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy. Rahefa izay dia teo amin’i Jordany izy dia nijanona teo amorony. Noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: “Aiza ny Tompo Andriamanitr’i Elia? Aiza Izy?” Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita i Elisea.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 30, 20. 21. 24.

 

Fiv.: Mahereza, hatanjaho ny fo, ianareo rehetra miantehitra amin’ny Tompo.

Akory itý haben’ny hatsaranao izay atokanao ho an’ny matahotra Anao sy asehonao ny mpifehy aminao eo anoloan’ny zanak’olombelona!
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy, lavitry ny tetika ataon’ny olona; ny fialofanao no ampierenao azy, lavitry ny lela mpanangana ady!
Tiava ny Tompo, ry mpivavaka rehetra fa ny Tompo miambina ny mpino; fa ny mpiavona kosa valiany tsy an’erany!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 9, 6-11

 

Ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, izay mamafy kely dia hijinja kely ary izay mamafy be dia hijinja be. Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zava-drehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany araka ny voasoratra hoe: “Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.” Ilay manome ny mpamafy ny voa afafy sy ny hanin-ko haniny, no hanome anareo koa ny voa afafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin’ny zava-drehetra ianareo sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 9.

 

Fiv.: Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Fananana sy harena no ao an-tranony; ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Ny olo-marina tsilovina raha maizina: dia ireo izay mangoraka sy antra.
Malala-tanana izy, manome ny mahantra; ny fahamarinany maharitra mandrakizay; ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 6, 1-6. 16-18

 

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tandremo sao hataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana, mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. Ary raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagôga sy eny an-joron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rahefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako.

 

na hoe:

Jo. 17, 11

Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy mba ho iray tahaka antsika, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021