Sorona Masina ny Talata 09 jona 2020

Herinandro faha-10 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 26, 1-2


Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 17, 7-16


Ny lafarinina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

Tamin’izany andro izany, ritra ny ranon-driaka, fa tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany, ka tonga tamin’i Elia ny tenin’ny Tompo, nanao hoe: “Miaingà ianao ka mankanesa any Sareptà, izay any Sidôna, dia mitoera any; indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray.” Dia niainga izy, ka nankany Sareptà. Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: “Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko.” Dia nandeha naka rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary nataony hoe: “Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho, raha mba sitrakao.” Fa hoy ny navaliny: “Velona ny Tompo Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarinina eran’ny tanana ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay.” Fa hoy i Elia taminy: “Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankatý amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao ianao. Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Ny lafarinina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-piavin’ny andro handatsahan’ny Tompo ranonorana eto ambonin’ny tany.” Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia, ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa. Ny lafarinina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 4, 2-3. 4-5. 7-8.


Fiv.: Aidino aminay ny hazavan’ny Tavanao, ry Tompo.

Raha miantso aho, valio, Andriamanitro, fa Ianao re no fahamarinako. Ary Ianao no mamonjy amin’ny sarotra, koa iantrao ary henoy ny antsoantsoko. Ianareo kosa, ho’aho, dia maninona, no tia zava-poana sy fitaka?
He ny Tompo miahy ny olo-maminy. Raha vao miantso Azy Tompo aho dia henony. Mangovita, atsaharo ny heloka, mandiniha eo am-pialana sasatra.
Iza hoe no hampahita fiadanana? Asehoy ny endrikao Andriamanitra. Ny hafaliana nomenao, ry Tompo, mihoatra ny azy amin’ny taom-pamokarana.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 1, 18-22


Tsy nisy “eny” sy “tsia” ao amin’i Jesoa, fa “eny” ihany no tao aminy.

Ry kristianina havana, araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha-“eny” sy “tsia” ny teninay taminareo. Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa izay notorìnay sy i Silvano ary i Timôte taminareo tsy nisy “eny” sy “tsia”, fa “eny” ihany no tao aminy. Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny “eny”, ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana “Amen” mba ho voninahitr’Andriamanitra. Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy, fa Andriamanitra izay naha-voahosotra antsika, sy nanisy tombo-kase antsika koa, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 129-130. 131-132. 133 sy 135


Fiv.: Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo.

Tantely mandriaka ny Fanambarànao: Izany no itandreman’ny fanahiko azy! Vavahady mazava ny Teninao, sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!
Misokatra ny vavako; miemponempona aho; ny Baikonao no mahaliana ahy! Todiho aho ka iantrao araka ny fanaonao amin’izay tia ny Anaranao!
Araka ny Teninao, hamafiso ny famindrako; aoka tsy hisy faharatsiana hizaka ahy! Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao; ampianaro ahy ny Fitsaranao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 13-16


Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.


na hoe:

1 Jo. 4, 16

Fitiavana Andriamanitra: izay mitoetra ao amin’ny fitiavana mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin’ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin’ny lala-mahitsy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0307