Sorona Masina ny Alarobia 27 mey 2020

Herinandro faha-7 — Fankalazana ny Paka

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Salamo 46, 2


Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana. Aleloia.


Fangatahana

Mba tahio ny Eglizinao, ry Andriamanitra be indrafo, ka enga anie hangonin’ny Fanahy Masina mba hanompo Anao amin’ny fony tokoa sy hiray hina marina tsy misy fitaka.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 20, 28-38


Ankiniko amin’Andriamanitra ianareo, dia amin’Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo.

Tamin’izany andro izany, i Paoly niteny tamin’ireo Pretran’ny Fiangonana tany Efezy nanao hoe: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany. Fantatro fa rahefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry. Ary ny sasany aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy. Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman’alina nananatra anareo tsirairay avy tamin-dranomaso! Ary ankehitriny, ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny tenim-pahasoavany ianareo, dia amin’Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin’izay efa masina rehetra. Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian’olona aho. Fantatrareo fa ireto tanana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain’izay rehetra niaraka tamiko. Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Nony avy nilaza izany izy, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra. Ary nitomany mafy izy rehetra sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy, fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin’ny nilazany hoe: “Tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo.” Dia nanatitra azy hatreny an-tsambo izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 67, 29-30. 33-35a. 35b-36d


Fiv.: Ry mpanjakan’ny tany, antsao ny Tompo.

Andriamanitra ô! omeo baiko ny herinao! Hamafiso ny efa vitanao ho anay! Avy any an-tempolinao any Jerosalema no hanasinan’ny Mpanjaka Anao.
Ry mpanjakan’ny tany, ataovy ny hira! Ianareo andriamanitra, aoka hiantsa ny Tompo; dia Ilay mpitaingina ambony kalesy any an-tampon’ny lanitra fahagola! Injay Izy mamoaka feo dia ilay feony mahery: aoka hidera Azy ianareo andriamanitra!
Ao amin’i Israely ny fiandrianany; ao anaty rahona ny heriny! Mahatahotra Andriamanitra any an-toerany masina: dia Ilay Andriamanitrao, ry Israely. Ilay manome hery sy tanjaka anao, ry ilay vahoaka tahin’Andriamanitra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 17, 11b-19


Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe: “Ray masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana mba ho tanteraka ny Soratra Masina. Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. Nomeko azy ny teninao ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa. Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy. Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa. Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa. Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Jo. 15, 26-27

Rahefa tonga ny Fanahy Mpisolovava hirahiko ho anareo avy amin’ny Ray, ilay Fanahy fahamarinana avy amin’ny Ray, dia Izy no hitsangana ho vavolombeloko, ary ianareo koa ho vavolombeloko, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ny Sakramenta noraisinay anie, ry Tompo, hampitombo mandrakariva ny fahasoavanao ao am-ponay sy hanadio anay ho mendrika hatrany handray ny fanomezanao masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1185