Sorona Masina ny Alatsinainy 25 mey 2020

Herinandro faha-7 — Fankalazana ny Paka

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Asa 1, 8


Rahefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery ka ho vavolombeloko hatrany amin’ny fara vazan-tany. Aleloia!


Fangatahana

Hirotsaka ao am-ponay anie, ry Tompo, ny herin’ny Fanahy Masina hifikiranay tsy mivadika amin’ny sitra-ponao ka handavorarianay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 19, 1-8


Efa nandray ny Fanahy Masina va ianareo fony vao nino?

Raha mbola tany Kôrinto i Apôlô, i Paoly kosa tonga tany Efezy rahefa nitety faritany ambony tany Azia. Nony nahita mpianatra sasany teo izy, dia nanao taminy hoe: “Efa nandray ny Fanahy Masina va ianareo fony vao nino?” Fa hoy izy ireo taminy: “Tsy mbola nandre akory aza izahay fa hoe misy Fanahy Masina.” Ary hoy izy: “Batemin’iza no noraisinareo?” Hoy ireo: “Batemin’i Joany.” Dia hoy i Paoly: “Batemim-pibebahana no nomen’i Joany fa Ilay ho avy ao aoriany, izany hoe, i Jesoa no nambarany ho tsy maintsy hinoan’ny vahoaka.” Nony nahare izany izy ireo, dia nangataka hatao batemy amin’ny anaran’i Jesoa Tompo; ary rahefa nametrahan’i Paoly tanana indray, dia nidinan’ny Fanahy Masina, ka niteny fiteny samihafa sady naminany; tokony ho roa ambin’ny folo lahy izy rehetra. Nony afaka izany, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Paoly, ka niteny tamin-kasahiana, ary nampianatra telo volana nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’ny lahateny mandaitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 67, 2-3. 4-5ad. 6-7ab


Fiv.: Ry mpanjakan’ny tany, antsao ny Tompo.

Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony; mandositra eo anoloany ny mpankahala; toy ny fielin’ny setroka ny fieliny. Toy ny savoka mitsonika manoloana ny afo, ny olon-dratsy mikoa manoloana an’Andriamanitra.
Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra, mifaly, miravo sy mirobiroby! Mihirà, ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany. Tompo no Anarany, mifalia eo anatrehany!
Fa Rain’ny kamboty Izy, mpanome rariny ny mpananotena, Andriamanitra, ao amin’ny Toerany Masina, mampitoetra an-trano ny tokan-tena, mamoaka ny babo voagadra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 16, 29-33


Matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.

Tamin’izany andro izany, ny mpianatr’i Jesoa nanao taminy hoe: “Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. Fantatray amin’izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian’olona: izany no inoanay fa avy amin’Andriamanitra Ianao.” I Jesoa namaly azy hoe: “Mino ange ianareo ankehitriny? Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray. Izaho no nilaza izany taminareo, dia ny mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Handio anay anie, ry Tompo, izao fanatitra tsy misy tsiny izao ary handrotsaka ao am-ponay ny fahasoavanao mankahery anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Jo. 14, 18 ; 16, 23

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa ho avy hankeo aminareo Aho ka ho faly ny fonareo. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081