Sorona Masina ny Asabotsy 23 mey 2020

Herinandro faha-6 — Fankalazana ny Paka

SABOTSY


Tononkira fidirana

1 Pier. 2, 9


Ry vahoaka navotana ô, torio ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala amin’ny haizina hankeo amin’ny fahazavana mahagaga. Aleloia!


Fangatahana

Andriamanitra ô, raha niakatra any an-danitra ny Zanakao dia nampidina ny Fanahy Masina tamin’ny Apôstôly; koa mihanta aminao izahay fa henika ny soa vokatry ny fampianarana tahaka ny Apôstôly: ka enga anie mba hahazo koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 18, 23-28


Nampihariharian’i Apôlô tamin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no i Kristy.

Rahefa nitoetra kelikely tao Antiôkia i Paoly, dia lasa nitety ny tany Galasia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra. Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apôlô tonga tao Efezy; teraka tany Aleksandria izy io, ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina. Efa nianatra ny lalan’ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-po, ka nampianatra tsara ny amin’i Jesoa, na dia ny batemin’i Joany ihany aza no fantany. Niteny tamin-kasahiana teo amin’ny sinagôga izy, ka nony ren’i Prisila sy i Akilasy, dia nalainy hankeo aminy, nampianariny tsaratsara kokoa ny lalan’ny Tompo. Naniry hankany Akaîa izy, ka nankasitrahan’ny rahalahy izany, dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan’ny any azy tsara. Nony tonga tany izy, dia nahavita soa be tamin’izay efa nino noho ny fahasoavana. Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy, nampiharihary tamin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 46, 8-9. 10


Fiv.: Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra.

Ry vahoaka rehetra mitehafa tanana. Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana. Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra, Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra: koa antsao amim-pirindrana! Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena, Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.
Andriam-bahoaka maro no mikambana amin’ny vahoakan’ny Andriamanitr’i Abrahama; fa Andriamanitra Andriambaventin’ny tany, indro voasandratra ambony dia ambony!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 16, 23b-28


Tia anareo ny Ray noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny Anarako. Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo; mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray. Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny Anarako ianareo, ary Izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin’ny Ray Aho, satria ny Ray tia anareo koa, noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho. Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo: mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Jo. 17, 24

Ray ô, ireo nomenao Ahy, tiako ho eo amiko amin’izay hitoerako mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy mba hampitombo ny fitiavanay Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896