Sorona Masina ny Zoma 01 mey 2020

Herinandro faha-3 — Fankalazana ny Paka

ZOMA


Tononkira fidirana

Apôk. 5, 12


Eny, mendrika an’Ilay Zanak’ondry novonoina ny handray ny hery, ny harena sy ny fahendrena sy ny tanjaka omban-kaja ary ny voninahitra arahin-tsaotra! Aleloia!


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mihanta aminao izahay nahalala ny fahasoavana vokatry ny Paka: enga anie hitsangan-ko velona hahazo ny fiainam-baovao noho ny herin’ny Fanahinao Fitiavana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 9, 1-20


Fanaka voafidy ho Ahy io lehilahy io, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily.

Tamin’izany i Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy, nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagôgan’i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany lalàna izany, na lahy na vavy. Raha mbola teny an-dalana izy, ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelajelatra nanodidina azy. Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?” Ka hoy izy: Iza moa Ianao, Tompoko?” Ary hoy ny Tompo: “Izaho no i Jesoa izay enjehinao; sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.” Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: “Tompo ô, inona no tianao hataoko?” Ary hoy ny Tompo taminy: “Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao.” Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza. Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasy. Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro.

Tao Damasy fahizay, dia nisy mpianatra anankiray atao hoe i Anania; nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe: “Ry Anania!” Dia hoy izy: “Intý aho, Tompoko.” Ary hoy ny Tompo taminy: “Mitsangàna, ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy, tadiavo ao an-tranon’i Joda, fa misy lehilahy atao hoe i Saoly avy any Tarsy, efa mivavaka izy izao.” (Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahy anankiray tamin’ny tsindrimandry atao hoe i Anania izay niditra sy nametra-tanana taminy mba hampahiratra azy). Ary i Anania namaly hoe: “Tompoko, reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io tamin’ny olonao masina tao Jerosalema; ary atý indray izy izao nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona koa, mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.” Fa hoy ny Tompo taminy: “Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely; ary asehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny Anarako.” Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tanana taminy nanao hoe: “Ry Saoly rahalahy, i Jesoa Tompo, izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao sy ho feno ny Fanahy Masina.” Niaraka tamin’izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao Batemy; ary nihinan-kanina dia natanjaka indray.

Niara-nitoetra andro vitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly, ary nitory teo amin’ny sinagôga niaraka tamin’izay izy, ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 116, 1. 2


Fiv.: Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Ianareo firenena rehetra, aoka hiara-midera ny Tompo! Ry vahoaka eran-tany tontolo, aoka hiantsa ny Tompo ianareo.
Ny fitiavany anay tsy mba lefy, tsy mivadika mandrakizay! Hankalaza ny Tompo àry isika, Izy Tompo manjaka amintsika!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 53-60


Tena fihinana ny Nofoko ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany, dia nifanditra ny Jody nanao hoe: “Hataon’Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?” Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry ny mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana itý mofo itý kosa dia ho velona mandrakizay.” Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo: mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Nitsangan-ko velona Ilay nofantsihana ka nahavotra antsika. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezanao avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy mba hampitombo ny fitiavanay Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.173