Sorona Masina ny Talata 21 aprily 2020

Herinandro faha-2 — Fankalazana ny Paka

TALATA


Tononkira fidirana

Apôk. 19, 7. 6.


Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra an’Andriamanitra, fa manjaka sy mahefa ny Tompo Andriamanitsika. Aleloia!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy manambara ny herin’ny Tompo nitsangan-ko velona izahay fa nandray ny antoky ny famonjena, ka enga anie hahazo ny fanomezanao any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona nehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 4, 32-37


Miray fo sy fanahy ny mpino rehetra.

Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra. Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra. Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin’izay lafo, ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy. Nisy levita anankiray atao hoe Jôsefa izay nomen’ny Apôstôly anarana hoe Barnabe (izany hoe zanaky ny fanalana alahelo); teraka tany Sipra: nanan-tany izy, ka namidiny, dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apôstôly.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 92, 1ab. 1d-2. 5


Fiv.: Manjaka ny Tompo mitafy fiandrianana.

Andriana manjaka Ianao, ry Tompo. Mitafy ny hery tsy hay tohaina. Ny zava-drehetra harin-tananao; tomombana fatratra tsy mivena.
Mirafitra mafy ny rovanao, fa manda miorina tsy mikoro. Hatrany am-boalohany teo Ianao. Ho mandrakizay re tsy hanam-petra.
Ireo Teny rehetra voalazanao. E! lalina, marina, tsy mivaona. Ny fahamasinana feno haja, manerana izany fonenanao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 5, 7-15


Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay avy tany ihany, dia ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: “Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.” Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: “Atao ahoana no hahatonga izany?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va? Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra etý an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin’ny Paka izao ka hitohy hatrany ao aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Lk. 24, 46. 26.

Tsy maintsy niaritra fijaliana i Kristy sy nitsangan-ko velona vao tafiditra any amin’ny voninahiny. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba henoy, ry Tompo, ny vavaka ataonay: ka enga anie izahay mazoto mandray ny Kômonio masina, loharanom-pamonjena mba hahazo fanampiana amin’itý fiainana itý ary handova ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083