Sorona Masina ny Asabotsy 18 aprily 2020

Herinandro fankalazana ny Paka

SABOTSY


Tononkira fidirana

Salamo 104, 43


Navotan’ny Tompo ny olony ka niravo; navotany ireo voafidiny ka nihoby. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, atosakao ny fahasoavanao hampitombo ny vahoaka mino Anao; mba topazo maso miantra ireto voafidinao, fa efa nateraka indray tamin’ny Sakramentan’ny Batemy izy, ka enga anie hotafianao hasambarana tsy ho faty mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 4, 13-21


Raha izahay dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay.

Tamin’izany andro izany, dia gaga ry zareo mpitondra sy loholona ary mpanora-dalàna nahita itý hasahian’i Piera sy i Joany, satria fantany fa sarambaben’olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin’i Jesoa izy ireo; nefa tsy hitany izay hanoherany azy ireo noho ilay lehilahy sitrana hitany nitsangana teo akaikin’izy roa lahy. Ka dia nasainy niala teo amin’ny fivoriana aloha izy roa lahy, ary izy ireo kosa niara-nihevitra nanao hoe: “Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Raha ny fahagagana nataony aloha, dia fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema miharihary izany, ka tsy azontsika lavina; fa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka kosa, ndeha horahonantsika izy, mba tsy hiteny amin’izany Anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.” Dia nantsoiny izy ireo ka norarany mafy mba tsy hiteny sy tsy hampianatra amin’ny Anaran’i Jesoa intsony. Fa namaly i Piera sy i Joany ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Tsaroanareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra; fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay.” Tamin’izay, norahonany indray izy ireo, dia nalefany; fa tsy hitany izay hamaizany azy noho ny tahony ny vahoaka, izay efa nankalaza an’Andriamanitra daholo noho ny zavatra vao niseho teo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 117, 1 sy 14-15. 16ab-18. 19-21


Fiv.: Misaotra Anao aho, ry Tompo, fa namaly ahy Ianao.

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany. Deraiko fa heriko mantsy Izy Tompo. Nanaiky ho Mpamonjy ny aiko. Mihoby sy faly aho fa tra-pamonjena, miantsa ao an-tranon’ny Marina.
Natsotran’ny Tompo ny tanan-kavanany, natsotrany hanampatra ny heriny. Ka indro aho ho velona tsy mba ho faty, hiantsa ny ataon’Andriamanitra. Nitsapa ahy mafy tokoa Izy Tompo, kinanjo aho tsy foiny ho faty.
Vohay ny varavaran’ny fahamarinana, hidirako hisaotra ny Tompo. Fa eto tokoa ny varavaran’ny Tompo. Ny Marina no miditra aminy. Isaorako Ianao, fa mihaino ahy, ry Tompo: nanaiky ho mpamonjy ny aiko.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Itý no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 16, 9-15


Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Rahefa nitsangan-ko velona i Jesoa, ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny heninandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany. Ka lasa io nilaza izany tamin’ireo mpanaraka Azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. Nefa nony nandre izy ireo, fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy. Manaraka izany, i Jesoa dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy amin’izy ireo, izay nankany an-tsaha. Dia lasa ireo nilaza tamin’ny namany; fa tsy ninoany koa. Tamin’ny farany dia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo. Ary hoy Izy taminy: “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Tsy asiana IZAHO MINO …


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ataovy velom-pankasitrahana manolotra izao Soron’ny Paka izao: ka enga anie ny asa fanavotana mitohy ankehitriny mba ho loharano hipoiran’ny hafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka I


Kômonio

Gal. 3, 27

Ianareo rehetra natao Batemy ao amin’i Kristy dia mitafy an’i Kristy. Aleloia


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba topazo maso miantra, ry Tompo, izahay vahoakanao fa sitrakao nohavaozin’ny Kômonio antoky ny fiainan-ko avy, ka enga anie ho tody amin’ilay andro hitsanganan’ny vatana enim-boninahitra tsy ho simba mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008