Sorona Masina ny Zoma 17 aprily 2020

Herinandro fankalazana ny Paka

ZOMA


Tononkira fidirana

Salamo 77, 53


Nafahan’ny Tompo ny vahoakany ary feno toky, fa ny fahavalony no safotry ny rano. Aleloia.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny Sakramentan’ny Paka no nanaovanao fanekem-pihavanana tamin’ny olombelona; ka herezo ny fonay hanehoanay amin’ny asa izay inoanay sy ankalazainay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 4, 1-12


Ary tsy misy hafa hahitana famonjena.

Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Piera sy i Joany, taorian’ny nahasitranan’ilay malemy tongotra, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly, ary ny Sadoseanina, fa sosotra izy ireo noho ny nampianaran’izy roa lahy ny vahoaka sy nitoriany ny fitsanganan-ko velona efa hita tamin’i Jesoa Kristy, ka nosamboriny izy ireo, sy nataony an-tranomaizina ambara-pahamaraina ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’izay. Maro anefa tamin’izay nandre ny tenin’izy ireo no nino, ka tonga dimy arivo ny isan’ny lehilahy. Nony ampitso, dia nivory tao Jerosalema ny mpitondra, ny loholona, ny mpanora-dalàna, ary i Ana lehiben’ny mpisorona, i Kaifa, i Joany sy i Aleksandra, mbamin’ny havan’ny mpisorona rehetra, ka nasainy nentina teo anatrehany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: “Amin’ny fahefan’iza, na amin’ny anaran’iza no anaovanareo izany?” Tamin’izay i Piera dia feno ny Fanahy Masina ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon’i Israely, raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio, dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io. Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa; ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 117, 1-2 sy 4. 22-24. 25-27a


Fiv.: Ny vato niavonan’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo! Fa mandrakizay ny fitiavany. Lazao, ry Israely, ry fianakaviany! Fa mandrakizay ny fitiavany. Lazao, ry matahotra am-po Azy Tompo! Fa mandrakizay ny fitiavany.
Ny vato natsipin’ny mpanorin-trano no indro natao fehizoro. Izany no asa nataon’Izy Tompo, ka gaga ny maso mijery. Izao re no andro nataon’Izy Tompo hiravoravoana, hifaliana.
Tongava, ry Tompo, tongava hamonjy, tongava hanome fandresena. Hisaorana anie ilay avy amin’ny Tompo, Ilay tonga avy amin’ny Anarany. He tsofinay rano tokoa ianareo, mivory ato an-tranon’ny Tompo. Fa tena Andriamanitra ilay Tompontsika: manilo ary koa manazava.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Itý no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 21, 1-14


Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo sy nanome azy, ary toy izany koa ny hazan-drano.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany indray teo amoron-dranomasin’i Tiberiady ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay natao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Pièra tamin’izy ireo: “Handeha hanarato aho.” Fa hoy ireo taminy: “Handeha hiaraka aminao koa izahay.” Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Manan-kanina va ianareo, anaka?” Dia hoy ny navaliny Azy: “Tsia.” Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo.” Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: “Ny Tompo io.” Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny sy nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano.

Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray eo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: “Itondray ny hazandrano vao azonareo.” Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Avia hisakafo.” Ny mpianatra izany tsy nisy na dia iray aza, sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izay no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rahefa nitsangan-ko velona Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Tsy asiana IZAHO MINO …


Vavaka Fanolorana

Tsara fo Ianao, ry Tompo, ka mba tanteraho ho lavorary ao aminay ny soa irînay amin’izao Paka izao mba tsy hiraiki-po amin’ny zavatry ny tany izahay fa haniry ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka I


Kômonio

Jo. 21, 12-13

Hoy i Jesoa tamin’ny mpianany hoe: «Avia misakafo.» Dia nandray mofo Izy ka nanome azy ireo, Aleloia !


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba arovy amin’ny fitiavanao mandrakariva ireo izay novonjenao; ka enga anie izay navotan’ny Zanakao nijaly sy maty ho faly mankalaza Azy nitsangan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008