Sorona Masina ny Alatsinainy 13 aprily 2020

Herinandro fankalazana ny Paka

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Ek. 18, 5. 9.

 

Nampidirin’ny Tompo tamin’ny tany tondra-dronono aman-tantely ianareo; mba ho eo am-bavanareo mandrakariva ny lalàn’ny Tompo. Aleloia.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ampitomboinao isa ny Eglizinao fa omenao zanaka vaovao hatrany hatrany; koa mba ataovy iainan’ny mpanomponao mandrakariva ny Sakramenta atoron’ny finoana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 2, 14. 22-32

 

Izany Jesoa izany no natsangan’Andriamanitra ho velona, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.

Tamin’ny andro Pantekôty, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera ka nanao antso avo tamin’ny vahoaka hoe: “Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko: i Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo, dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy, araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe: ‘Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho, satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho. Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny nofoko hitombina amin’ny fanantenana, fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lò ny Masinao. Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao, ary hanome hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny tavanao amiko.’ Ry havako malala, aoka holazaiko marimarina aminareo fa ny amin’i Davida razantsika dia efa maty izy ka nalevina ary eto amintsika mandraka androany ny fasany. Fa noho ny maha-mpaminany azy sy noho ny fahalalany ny teny napetrak’Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin’ny taranany no hapetrany handimby azy amin’ny fanjakany, dia ny fitsanganan’i Kristy ho velona izay efa tsinjony mialoha no nilazany fa tsy ho foiny ao amin’ny fitoeran’ny maty Izy, ary ny nofony tsy ho tratry ny lò. Izany Jesoa izany no natsangan’Andriamanitra ho velona, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10. 11

 

Fiv.: Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno aho fa Ianao re no hany ifefeko, hasambarako tokana an-tany. Ianao re, ry Tompo, no lova hany zarako mandrakizay.
Ka isaorako Tompo Ianao fa nanolotra saina, fanahy, sy nanoro ny foko hatrany. Eo alohako foana ny Tompo, tsy hiala eo ankavanako Izy.
Tsy omby tratra tokoa ny hafaliana izay mameno ny foko tontolo sy manenika izato fanahy. Ka ny nofoko mandry amin-toky fa tsy foinao ho levona ny aiko.
E! ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany, ka nameno hafaliana ny foko. Ho finaritra mandrakizay izay mitoetra eo ankavananao.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Itý no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 28, 8-45

 

Asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.

Tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, nony efa nahita ny Anjelin’ny Tompo i Maria Madelena sy ilay Maria anankiray, dia niala faingana teo amin’ny fasana, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra. Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: “Arahaba.” Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony sy niankohoka teo anatrehany. Dia hoy i Jesoa taminy: “Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.” Mbola teny an-dalana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho. Dia novorîn’ireo ny loholona ka rahefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila, ary nilaza taminy hoe: “Aelezo amin’ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra Azy raha mbola natory izahay hoe; ary raha sendra ren’ny governora izany, dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo.” Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin’izy ireo izany no mbola inoan’ny Jody mandraka androany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Tsy asiana IZAHO MINO …

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny fanatitra atolotray vahoakanao fa nahazo aim-baovao izahay satria mankatò ny Anaranao ary vita Batemy, koa enga anie hahazo ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka I

 

Kômonio

Rôm 6, 9

Efa nitsangan-ko velona i Kristy ka tsy ho faty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Aleloia.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitosaka be dia be ao am-ponay ny fahasoavana avy amin’ny Sakramenta fankalazana ny Paka, ka mba ataovy mendrika handray ny fanomezanao ireo tarihinao hankeo amin’ny lalan’ny famonjena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0395