Sorona Masina ny Alahady 12 aprily 2020

ALAHADY PAKA

NITSANGAN-KO VELONA TOKOA I JESOA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal, 138, 18. 5-6

Nitsangan-ko velona Aho ka tafaraka aminao indray, fa nomba Ahy ny tananao. Mahatalanjona loatra ny fahendrenao. Aleloia.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, nandresy ny fahafatesana ny Zanakao Lahy tokana androany, ka namoha ny varavarana hidiranay any amin’ny fiainana mandrakizay; koa enga anie izahay mankalaza ny nitsanganan’ny Tompo, mba hohazavain’ny Fanahy Masina hitsangan-ko velona ho any amin’ny fiainana misy ny fahazavana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 10, 34a. 37-43

Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay rehefa tafatsangan-ko velona Izy.

Nony tonga tany Sezarea i Piera tao an-tranon’i Kôrnely, dia niloa-bava hoe: “Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorîn’i Joany: dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon’ny demony, satria nomba Azy Andriamanitra. Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny Izy nahantony tamin’ny hazo; nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangan-ko velona Izy. Izy nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty. Ny Mpaminany rehetra koa manambara fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay mino Azy famelan-keloka”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 117, 1-2. 16ab-17. 22-23

 

Fiv.: Ity ilay andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Derao ny Tompo fa tsara: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’i Israely manontolo: Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo; ny tanan’ny Tompo naneho hery! Tsy maty aho fa velona hitanisa ny asan’ny Tompo.
Ny vato narian’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro; ny Tompo no nanao izany zava-mahagaga imasonay!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy

Kôl. 3, 1-4

 

Ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Kristy no katsaho.

Ry kristianina havana, raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho: ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo; fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 5, 6b-8

 

Esory ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo.

Ry kristianina havana, tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarîna manontolo? Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo, sady efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika. koa aoka àry isika hankalaza ny fety tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany...

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Antsa fiderana ny Paka

 

Fiv.: Dera sy laza anie ho Anao, ry Tompo Mpandresy.

Aoka hiventy hira fiderana an’ilay Soron’ny Paka ny kristianina.
Nifandrafy sy nifamely mafy ny fahafatesana sy ny fiainana; maty ilay tompon’ny aina, fa indro velona sy manjaka izao.
Hono, ry Maria Madelenina, lazao anay izay hitanao tany an-dalana.
Ny fasan’i Kristy velona no hitako, sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona, sy ireo Anjely vavolombelony ary ny saron-dohany sy ny lamba nifonosany.
Tafatsangana tokoa ilay Kristy fanantenako, hialoha anareo any Galilea Izy.
Fantatsika fa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy. Mamindrà fo aminay, ry Mpanjaka nandresy. Amen. Aleloia.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo.

Aleloia.

(PAKA MARAINA)

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 20, 1-9

1 Nitsangan-ko velona i Jesoa.

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.

Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe: “Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy”. Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana tery. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana Izaho mino sy Ranombavaka

 

na hoe:

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 28, 1-10

2 Efa nitsangan-ko velona Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea.

Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana, i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray. Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty. Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe: “Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa Izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo. Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangana avy any amin’ny maty Izy; ary indro hialoha anareo any Galilea izy, any no hahitanareo Azy; izany àry, fa efa nilazako ianareo izay”.

Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra. Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: “Arahaba”. Dia nanatona Azy izy, ka namihina ny tongony sy niankohoka teo anatrehany. Dia hoy i Jesoa taminy: “Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana: Izaho mino sy Ranombavaka

 

(PAKA HARIVA)

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 24, 13-35

Mitoera eto aminay fa efa mandrorona ny andro.

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema. Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo. Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy; fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo. Hoy Izy taminy: “Inona izato resahinareo ety an-dalana, no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?” Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe: “Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?” Fa hoy Izy tamin’ireo: “Zavatra inona moa izany?” Dia hoy ireo: “Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny, teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty, mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely: kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.

Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo, ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy. Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy, nefa tsy nahita Azy”. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany! Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny?” Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina. Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa fa notanan’izy ireo nataony hoe: “Mitoera re aty aminay, fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro”.

Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy. Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakîny, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony. Dia nifampilaza izy hoe: “Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika, fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!” Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory sady nilaza hoe: “Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy”. Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Hafaliana lehibe ny antsika vahoakan’Andriamanitra amin’izao fankalazana ny Paka izao, koa angataho amin’Andriamanitra mba ho hafaliana hateza sy tena marina ary hafaliana ho haintsika zaraina amin’ny olona rehetra.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Mivavaha ho an’ny kristianina rehetra vita Batemy mba hiezaka hahafantatra an’i Kristy nitsangan-ko velona ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ny Eokaristia.
* Mivavaha ho an’ireo vao natao Batemy eran’izao tontolo izao mba ho be finoana sy fanantenana ary fitiavana, hahasambatra azy rehetra eo anivon’ny fianakavian’Andriamanitra.
* Angataho ny fahazavan’i Kristy nitsangan-ko velona hanilo sy hitari-dalana an’ireo rehetra miandraikitra raharaham-bahoaka eto an-tany.
* Mivavaha ho an’ireo mijaly rehetra, hahatsiarovany fa misy vidiny tokoa eo anatrehan’Andriamanitra, izay leferina ho fanekena ny sitra-pony, ary misy Paka aorian’ny Zoma Masina.
* Mifampivavaha isika tonga mankalaza ny Paka, mba hirehi-pitiavana ny Tompo tokoa tahaka an’ireo mpianatra roa tany Emaosy, ka hamindra izany afom-pitiavana izany amin’ny hafa.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa Kristy, maty fa nitsangan-ko velona ô, ataovy maka tahaka ny Paka ny fiainanay manontolo, ka hiezaka izahay hiala amin’ny ratsy fototry ny fahafatesana, ary hanovo aina vaovao lalandava eo aminao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, dibo-kafaliana mankalaza ny Paka izahay manolotra izao Sorona izao, fa izany no anomezanao aim-baovao ny Eglizy sy amelomanao azy amin’ny fomba lalina sy mahagaga.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka I.

 

Kômonio

1 Kôr. 5, 7-8

Efa natao Sorona ho antsika i Kristy Zanak’ondrin’ny Paka, koa mahereza homana ny Mofo tsy misy lalivay, feno fahatsorana sy fahamarinana. Aleloia.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, ombao fitahiana lalandava ny Eglizinao, fa nohazavainao tamin’ny misterin’ny Paka izy, ka enga anie ho tafatsangan-ko velona hamirapiratan’ny fahazavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1064