Sorona Masina ny Asabotsy 11 aprily 2020

SABOTSY MASINA

 

Sabotsy Masina no ahatsiarovan’ny Eglizy ny nilevenan’ny Tompo, andinihana ny nijaliany sy ny nahafatesany, ka tsy anaovana Sorona Masina ny ôtely ary tsy asiana na inona na inona, hatramin’ny fotoam-pivavahana ny alina iandrasana ny fitsanganan’ny Tompo, hanombohana ny hafaliana amin’ny Paka, izay haharitra dimampolo andro maninjitra.
Tsy misy Kômonio azo zaraina afa-tsy ny Vatsy Masina.

 

ALINA MASINA

FIARETAN-TORY ANKALAZANA NY FITSANGANAN’NY TOMPO

Lokon’akanjo: fotsy

1- Alina iaretan-tory ho an’ny Tompo hatrizay hatrizay ity alina ity (Eks. 12, 42) mba hanarahan’ny mpino ilay hafatry ny Evanjely (Lk. 12, 35-40) hitondrany jiro mirehitra eny an-tanany toy ny olona miandry ny Tompo mandra-piveriny, ka rehefa tonga Izy dia hahatratra azy tsy matory ary hampihinana azy miaraka aminy.
2- Izao no filaharan’ny fotoam-pivavahana amin’ity alina ity:

 

I - Ny Fahazavana (Afo vao), (I Jesoa Kristy Fahazavana)
II - Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra, andinihan’ny Eglizy ny zava-mahagaga nataon’ny Tompo ho an’ny vahoakany hatrany am-piandohana, fa matoky ny teniny ny Eglizy ary miankina amin’ny fampanantenany. (I Jesoa Kristy Tenin’Andriamanitra)
III- Fiomanana amin’ny andro hitsanganan’ny Tompo, fiomanana miaraka amin’ireo hatao Batemy. (I Jesoa Kristy loharanon’Ando)
IV- Sorona Masina sy Kômonio iantsoana ny Eglizy hankeo amin’ny sakafo omanin’ny Tompo ho an’ny vahoakany amin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany ho velona. (I Jesoa Kristy Mofo Fiainana)

 

3- Andro alina no ankalazana ny fiaretan-tory anomanana ny Paka, ka tsy atomboka raha tsy efa maizina ny andro ary vitaina alohan’ny haharaina ny andro alahady.
4- Ny Sorona Masina alina, na dia atao alohan’ny misasaka alina aza, dia Sorona fankalazana ny Paka nitsanganan’ny Tompo.
Izay namonjy ny Sorona alina dia mbola mahazo manao Kômonio fanindroany amin’ny Sorona Paka.
5- Izay nisorona na niara-nisorona tamin’ny alina dia mbola mahazo misorona fanindroany na miara-misorona mankalaza ny Paka.
6- Akanjo fotsy fanaovana amin’ny Sorona no anaovan’ny Pretra sy ireo mpanotrona voahosotra.
Asaina mitondra jiro ny olona rehetra mamonjy ny fotoam-pivavahana alina.

 

Fizarana 1

FANKALAZANA AN’I JESOA KRISTY FAHAZAVANA

na Fanombohan’ny Vavaka Fiaretan-tory

Fanamasinana ny Afo sy Fanomanana ny Jiron’ny Paka

7 - Tsy asiana jiro mirehitra ao am-piangonana.
Anomanana fatana any ivelan’ny fiangonana; any no mivory ny mpiangona dia manatona eo ny Pretra sy ny mpanotrona azy, ny mpanotrona iray mitondra ny jiron’ny Paka.
Raha tsy mety andrehetana afo any ivelan’ny fiangonana dia arahina izay voalaza ao amin’ny n° 13.
8 - Arahabain’ny Pretra toy ny fanao ny vahoaka vory ary ilazany fohifohy momba ny fotoam-pivavahana atao izao alina izao; ka tahatahaka izao no lazainy:

Amin’izao alina masina indrindra izao, ry kristianina havana, no ialan’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fahafatesana hidirany amin’ny fiainana. Koa miangavy ny zanany rehetra miely patrana eran’ny vazan-tany ny Eglizy, mba hiari-tory sy hivavaka. Hiara-mahatsiaro ny Paka fandalovan’ny Tompo àry isika, ka hihaino ny Teniny sy hankalaza ny Sakramenta noforoniny, ary dia hatoky manantena fa hiombona amin’Izy Tompo nandresy ny fahafatesana ka hiara-belona aminy ao amin’Andriamanitra mandrakizay.

 

9 - Tsofin-drano ny Afo:

Andriamanitra ô, nomenao anay mpino ny Zanakao, ho toy ny afo manambara ny fahazavanao; koa mba tsofy rano ity afo vao ity, ary aoka harehitry ny faniriana ny zavatra any an-danitra ny fonay mpanomponao mankalaza ny Paka izao, ka fanahy madio no hoentinay mihoby ny fahazavanao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.

Dia arehitra amin’ny Afo vao ny jiron’ny Paka.

 

10 - Raha mety hanampy ny vahoaka hahita miharihary kokoa ny hevitry ny Jiron’ny Paka sy ny fahamendrehany izao fomba manaraka izao, dia azo atao:
Voatso-drano ny Afo vao, dia entin’ny mpanotrona hankeo anoloan’ny Pretra ny Jiron’ny Paka: andavahan’ny Pretra famantarana ny Hazofijaliana sy soratra grika hoe Alfa eo an-tampony, ary Omega eo ambaniny; dia asiany marika efatra milaza ny taona hitsahina, eo anelanelan’ny sampan’ny Hazofijaliana; sady hoy izy miteny hoe:

 

1- I Kristy dia nisy hatrizay ary misy ankehitriny (tsipika mitsangana)

2- Izy no fiandohana sy fiafarana (tsipika mitsivalana)

3- Alfa (A ery ambony)

4- sy Omega (ery ambany)

5- Azy ny andro (ny isa voalohany amin’ny taona, ery ambony ankavia)

6- sy ny taona rehetra (ny isa faharoa, eo ambony ankavanana)

7- Ho Azy anie ny voninahitra sy ny fahefana (ny isa fahatelo, ambany ankavia)

8- mandritra ny taona mandrakizay.

Amen. (ny isa farany, ambany ankavanana).

 

11 — Vita ny soratra, dia azon’ny Pretra asiana vongan’emboka dimy eo amin’ny sarin’ny Hazofijaliana, sady hoy izy:

1- Noho ny feriny masina
2- be voninahitra
3- dia hiaro antsika
4- sy hivimbina antsika anie
5- i Kristy Tompo. Amen.

 

12- Arehitry ny Pretra amin’ny Afo vao ny Jiron’ny Paka, ary hoy izy:

Ny fahazavan’i Kristy nitsangana tamim-boninahitra anie hampisava ny haizin’ny fo amam-panahintsika.

 

Ireo fomba voalaza ireo dia azo atao, izy rehetra, na ifidianana, araka ny andro sy ny toerana sy izay hita fa mety hahasoa. Ny Fivondronan’ny Eveka miara-mivory dia mahazo manondro fomba hafa mifanaraka kokoa amin’ny fomban-tany.
13- Raha manahirana, ka tsy misy hirehetan’ny afo amin’ny fatana, dia amboarina araka izay mahamety azy ny fitsofan-drano ny afo. Raha ao am-piangonana no mivory ny mpiangona, dia ny Pretra miaraka amin’ireo mpanotrona mitondra ny Jiron’ny Paka no mankany am-baravaram-piangonana. Mitodika any amin’ny Pretra ny vahoaka araka izay azo atao.
Atao ny Fiarahabana sy ny Filazana ao amin’ny n°8, dia tsofin-drano ny Afo n°9, ary raha tiana dia omanina ny jiro sy arehitra toy ny voalaza ao amin’ny n°10-12.

 

Entina miditra ny Jiron’ny Paka

 

14- Raisin’ny Diakra, na ny Pretra, ny Jiron’ny Paka, asandrany sady mihira izy manao hoe:

Inty ny fahazavan’I Kristy!

 

Valian’ny vahoaka rehetra hoe:

Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Azon’ny fivondronan’ny Eveka miara-mivory atao ny mampanao fihobiana lavalava kokoa,

 

15- Miditra ao am-piangonana amin’izay ny olona rehetra: ny Diakra mitondra ny jiron’ny Paka no lohalaharana. Raha asiana emboka, dia eo alohan’ny mpitondra ny jiron’ny Paka ilay fanembohana efa misy afo.
Tonga eo am-baravaram-piangonana dia mijanona ny Diakra, manandratra ny jiro sady mihira hoe:

Inty ny fahazavan’i Kristy!

 

Valian’ny olona rehetra hoe:

Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Dia samy mampirehitra ny jirony amin’ny Jiron’ny Paka, vao mandroso.

 

Tonga eo amin’ny ôtely ny Diakra dia mitodika any amin’ny vahoaka sady mihira fanintelony hoe:

 

Inty ny fahazavan’i Kristy!

 

Valian’ny olona rehetra hoe:

Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Dia ampirehetina amin’izay ny jiro rehetra ao am-piangonana.

 

Hira Fihobiana ny Paka

 

16 - Tonga eo amin’ny ôtely ny Pretra, dia mankeny amin’ny toerany; ny Diakra kosa mametraka ny Jiron’ny Paka eo amin’ny fanaovan-jiro efa voaomana, eo ampovoan’ny faritry ny ôtely (choeur), na eo anilan’ny fitorian-teny. Vita izay dia asiana emboka toy ny amin’ny Evanjely amin’ny Sorona ny fanembohana; dia mangata-tso-drano amin’ny Pretra ny Diakra, hoe:

Mba tsofy rano aho, raha sitrakao.

 

Valian’ny Pretra moramora hoe:

Hameno ny fonao anie ny Tompo ary ho eo am-bavanao anie Izy mba ho mendrika sy ho lavorary ny fihobianao ny Paka: Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

V - Amen.

 

Tsy atao io tso-drano io raha tsy Diakra no manao ny Fihobiana ny Paka.

 

17- Embohan’ny Diakra (na ny Pretra) ny boky sy ny Jiron’ny Paka, raha tiana hoembohana; dia hiraina eo amin’ny fitorian-teny na eo amin’ny pilopitra ny Fihobiana ny Paka.
Mitsangana ny olona rehetra mitana jiro mirehitra.
Rehefa ilaina dia mahazo mihira ny Fihobiana ny Paka na tsy Diakra aza, fa avela ny hoe “Koa manainga anareo aho” hatramin’ny faran’ny fiangaviana; tsy ataony koa ny hoe “Homba antsika mianakavy anie ny Tompo”.
Azo hiraina koa ny Fihobiana fohifohy? Ary azon’ny Fivondronan’ny Eveka amboarina ny Fihobiana, mba hisy valy hataon’ny olona eny ampovoany eny.
18- Fihobiana ny Paka (lava)

 

Aoka hitotorebi-kafaliana ny Anjely, vahoakan’ny lanitra, hankalaza ny zava-mahagaga nataon’ny Tompo, ary aoka hanakoako ny antsiva manambara famonjena, fa nandresy ilay Mpanjaka lehibe. Aoka hihobin-kafaliana ny tany, fa manenika azy ny taratry ny fahazavana mangoratsaka: koa rehefa voataratry ny famirapiratan’ilay Mpanjaka mandrakizay izy; dia hahafantatra fa nisinda ny haizina nandrakotra an’izao tontolo izao. Hiravoravo koa anie ny Eglizy Renintsika fa miravaka tsirim-pahazavana manjopiaka; ary ny antsampideran’ny vahoaka anie hampanako ity lapa ity.
[Koa manainga anareo aho, ry Kristianina havana, manatrika eto, hiaraka hitalaho amiko ny famindram-pon’ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra amin’izao fiposahan’ny fahazavana masina izao. Fa raha nofidiny ho anisan’ny Levita aho, dia tsy noho ny fahamendrehako, ka Izy anie handrotsaka ny famirapiratany ato amiko, mba hahafahako mihira tsara ny fiderana an’ity Jiro masina ity.

 

P. Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.

V.- Ho tanteraka tokoa anie izany.

P. Asandrato àry ny fo.

V.- Efa any amin’ny Tompo ny fonay.

P. Isaory ary ankasitraho ny Tompo Andriamanitsika.

V.- Mendrika sy rariny izany.]

 

Mendrika sy rariny tokoa ny manandra-peo ka manezaka araka izay tratry ny fontsika sy ny saintsika hidera an’Andriamanitra Ray tsy hita maso, mahefa ny zavatra rehetra, sy hidera ilay Zanany Lahy tokana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika. Fa Izy no manefa ny trosan’i Adama tamin’ny Ray mandrakizay ary nandatsaka ny Rany sarobidy hanafoana ny fanamelohana antsika noho ilay fahotana fahiny.

Izao tokoa no tena andro fankalazana ny Paka anaovana sorona an’ilay tena Zanak’ondry, ka ny Rany no manamasina ny varavaran’ny mpino. Izao tokoa ilay alina nanafahana ny zanak’i Israely razantsika tany Ejipta, ka nandiavany tany maina namakivaky ny Ranomasina Mena. Izao tokoa ilay alina nampisava ny haizin’ny fahotana tamin’ny tsangan-kazavana mamiratra.

Koa anio alina, izay mino an’i Kristy eran’izao tontolo izao, dia ho afaka amin’ny faharatsian’ny fiainana etoana sy ny haizim-piton’ny fahotana, ka hiverina amin’ny fahasoavana, hiombona amin’ny Olomasina.

Ity koa ilay alina nanapahan’i Kristy Mpandresy ny fatoran’ny fahafatesana ka niakarany avy any amin’ny toeran’ny maty.

Ho nahasoa antsika inona moa ny teraka raha sendra ka tsy navotana isika? Mahagaga loatra endrey ny hatsaram-ponao aminay! Tsy hay lazaina ny haben’ny fitiavanao, fa mba hamonjy ny mpanompo amin’ny fanandevozana, dia ny Zanakao indray no nafoinao.

Nilaina tokoa ny fahotan’i Adama hanafoanan’i Kristy azy amin’ny fahafatesany!

Endre, ry hadisoana nanambina, fa nahazoanay Mpanavotra lehibe toy izany!

Mba sambatra tokoa ilay alina hany mendrika nahalala ny andro sy ny fotoana, nitsanganan’i Kristy avy any amin’ny fitoeran’ny maty.

Izao tokoa ilay alina voasoratra hoe: “Ary ny alina hamiratra toy ny andro; ny alina no hanazava ny firavoravoako”.

Masina ity alina ity ka mampandositra ny heloka, manasa ny fahotana, manome famelana ho an’izay diso, manome hafaliana ho an’izay malahelo, mampisava ny fankahalana, mampivondrona ny firaisan-kina ary mahatonga ny fanjakana eto an-tany hanaiky an’Andriamanitra.

Koa amin’izao alina mitondra fahasoavana izao àry, ry Ray masina, mba raiso ity Jiro mirehitra ataonay sorona takariva ity, dia ny jiro savoka izay atolotry ny Eglizy masina Anao ankehitriny, amin’ny tanan’ireo mpanao raharahany, amim-pomba manetriketrika.

Koa fantatray ankehitriny ny fianarana omen’ity Jiro savoka mijoalajoala mirehitra ho voninahitr’Andriamanitra ity, fa na dia amindrana aza ny afony, dia tsy mba mihena ny hazavany, fa ny tenan’ilay Jiro soa: velomin’ny savoka miempo nataon’ny renitantely. Mba sambatra tokoa ilay alina mampiray ny tany amin’ny lanitra, mampihavana ny olombelona amin’Andriamanitra!

Koa mangataka aminao izahay, ry Tompo, aoka ity Jiro nohamasinina ho voninahitry ny Anaranao ity handresy ny haizin’ny alina ka hitohy hamiratra tsy an-kijanona. Ary rehefa nankatoavinao toy ny emboka masina izy, dia mba raiso ho isan’ny jiron’ny lanitra. Ho tratry ny fitarikandro maraina anie ny hazavany; fa izy, hoy aho, no fanilo tsy manam-pilentehana; dia i Kristy Zanakao Ilay efa nandao ny fitoeran’ny maty, mba hanapariaka amin’ny taranak’olombelona ny tarany tony dia tony.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.

V- Amen.

 

19 - Fihobiana ny Paka (fohy)

 

Aoka hitotorebi-kafaliana ny Anjely, vahoakan’ny lanitra, hankalaza ny zava-mahagaga nataon’ny Tompo, ary aoka hanakoako ny antsiva manambara famonjena, fa nandresy ilay Mpanjaka lehibe. Aoka hihobin-kafaliana ny tany, fa manenika azy ny taratry ny fahazavana mangoratsaka: koa rehefa voataratry ny famirapiratan’ilay Mpanjaka mandrakizay izy dia hahafantatra fa nisinda ny haizina nandrakotra an’izao tontolo izao. Raravoravo koa anie ny Eglizy Renintsika fa miravaka tsirim-pahazavana manjopiaka, ary ny antsam-pideran’ny vahoaka anie hampanako ity lapa ity.

[P. Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.

V. - Ho tanteraka tokoa anie izany.

P. Asandrato àry ny fo.

V. - Efa any amin’ny Tompo ny fonay.

P. Isaory ary ankasitraho ny Tompo Andriamanitsika.

V.- Mendrika sy rariny izany.]

Mendrika sy rariny tokoa ny manandra-peo ka manezaka araka izay tratry ny fontsika sy ny saintsika hidera an’Andriamanitra Ray tsy hita maso, mahefa ny zavatra rehetra, sy hidera ilay Zanany Lahy tokana dia i Jesoa Kristy Tompontsika. Fa Izy no nanefa ny trosan’i Adama tamin’ny Ray mandrakizay, ary nandatsaka ny Rany sarobidy hanafoana ny fanamelohana antsika noho ilay fahotana fahiny.

Izao tokoa no tena andro fankalazana ny Paka anaovana sorona an’ilay tena Zanak’ondry, ka ny Rany no manamasina ny varavaran’ny mpino.

Izao tokoa ilay alina nanafahana ny zanak’i Israely razantsika tany Ejipta, ka nandiavany tany maina mamakivaky ny Ranomasina Mena.

Izao tokoa ilay alina nampisava ny haizin’ny fahotana tamin’ny tsangan-kazavana mamiratra.

Koa anio alina, izay mino an’i Kristy eran’izao tontolo izao dia ho afaka amin’ny faharatsian’ny fiainana etoana sy ny haizim-piton’ny fahotana, ka hiverina amin’ny fahasoavana, hiombona amin’ny Olomasina.

Ity tokoa ilay alina nanapahan’i Kristy Mpandresy ny fatoran’ny fahafatesana ka niakarany avy any amin’ny fitoeran’ny maty.

Mahagaga loatra endrey ny hatsaram-ponao aminay! Tsy hay lazaina ny haben’ny fitiavanao, fa mba hamonjy ny mpanompo amin’ny fanandevozana, dia ny Zanakao indray no nafoinao!

Nilaina tokoa ny fahotan’i Adama hanafoanan’i Kristy azy amin’ny fahafatesany!

Endre, ry hadisoana nanambina, fa nahazoanay Mpanavotra lehibe toy izany!

Masina ity alina ity, ka mampandositra ny heloka, manasa ny fahotana, manome famelana ho an’izay diso, manome hafaliana ho an’izay malahelo!

Mba sambatra tokoa ilay alina nampiray ny tany amin’ny lanitra, nampihavana ny olombelona amin’Andriamanitra!

Koa amin’izao alina mitondra fahasoavana izao àry, ry Ray masina, mba raiso ity Jiro mirehitra ataonay sorona takariva ity, dia ny jiro savoka izay atolotry ny Eglizy masina Anao ankehitriny amin’ny tanan’ireo mpanao raharahany, amim-pomba manetriketrika.

Koa mangataka aminao izahay, ry Tompo, aoka ity Jiro nohamasinina ho voninahitry ny Anaranao ity, handresy ny haizin’ny alina ka hitohy hamiratra tsy an-kijanona. Ary rehefa nankatoavinao toy ny emboka masina izy dia mba raiso ho isan’ny jiron’ny lanitra.

Ho tratry ny fitarikandro maraina anie ny hazavany; fa izy, hoy aho, no fanilo tsy manam-pilentehana: dia i Kristy Zanakao, Ilay efa nandao ny fitoeran’ny maty mba hanapariaka amin’ny taranak’olombelona ny tarany tony dia tony.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.

V - Amen.

 

Fizarana II

FANKALAZANA AN’I JESOA KRISTY TENIN’ANDRIAMANITRA

20 - Amin’ity fiaretan-tory ambony indrindra amin’ny fiaretan-tory ity, dia VAKINTENY sivy no atoro mba hatao: fito Testamenta Taloha, na Vaovao (Epistolà sy Evanjely).
21 - Raha mety hahasoa kokoa dia ahena ny isan’ny VAKINTENY amin’ny Testamenta Taloha, nefa tokony hotsarovana fa ny Tenin’Andriamanitra no tena fototry ny Fiaretan-tory fanomanana ny Paka. Ka telo fara fahakeliny no Testamenta Taloha, na roa ahay rehefa tena tsy fidiny; ka tsy avela na oviana na oviana ny Eksaody 14.
22 - Avela ny jiro, dia mipetraka ny olona rehetra, Alohan’ny VAKINTENY, dia ilazan’ny Pretra tahatahaka izao ny vahoaka:

 

Vonon-kiari-tory sy hivavaka isika, ry Kristianina havana, ka atambaro ny fontsika sy ny saintsika hihaino ny Tenin’Andriamanitra. Diniho ny namonjen’Andriamanitra ny vahoakany fahiny, diniho ny nanirahany ny Zanany hamonjy antsika amin’izao andro farany izao. Aoka hivavaka amin’ny Tompo isika mba hotanterahiny an-tsakany sy an-davany ny fanavotana vokatry ny Paka natombony tamin’ny fandalovany.

 

23-Dia atomboka ny Vakinteny: Mankeny amin’ny fitorianteny ny mpamaky manao ny Vakinteny voalohany. Avy eo ny “Psalmista” na mpihira dia manao ny Salamo; ny vahoaka mamaly.
Mitsangana avy eo ny olona rehetra, ary hoy ny Pretra hoe “Aoka isika hivavaka”, Samy mangina mivavaka kelikely vao ataon’ny Pretra ny Fangatahana.

 

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 1, 1-2, 2 (lava) na 1, 1. 26-31a (fohy)

Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany.

Raha ny fohy no atao dia ajanona ny ao anatin’ny […]

 

[Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany, tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina no nanarona ny hantsana, ary ny Fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano. Hoy Andriamanitra: “Misia ny mazava”. Dia nisy ny mazava. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny haizina. Ka ny mazava nataony hoe andro, ary ny maizina kosa alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.

Hoy Andriamanitra: “Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano ary aoka izy hampisaraka ny rano amin’ny rano”. Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra hoe “lanitra”, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

Hoy Andriamanitra: “Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina”. Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra hoe “tany” ny maina; ary nataony hoe “ranomasina” ny rano tafangona, ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy araka ny karazany avy, eny ambonin’ny tany”. Dia tanteraka izany. Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy voany ao aminy samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina. Izay no andro fahatelo.

Hoy Andriamanitra: “Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampisaraka ny andro sy ny alina, ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana sy ny andro ary ny taona, ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany”. Dia tanteraka izany. Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra: ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa. Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo, hanazava ny tany, hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina. Izay no andro fahefatra.

Hoy Andriamanitra: “Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra. Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anaty rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voro-manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe: “Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina, ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany”. Dia nisy hariva ary nisy maraina. Izay no andro fahadimy.

Hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy”. Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Rehefa izany dia ]

Hoy Andriamanitra: “Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voro-manidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany”. Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy. Ary nataony lahy sy vavy izy ireo, Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: “Miteraha maro, mitomboa sy mamenoa ny tany, ka mizakà azy; ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voro-manidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany”.

Ary hoy Andriamanitra: “Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany, mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo. Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voro-manidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany, ka manam-pofon’aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany”. Dia tanteraka izany. Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany.

[Ary nisy hariva sy maraina: izay no andro fahenina. Toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany, mbamin’izay rehetra momba azy. Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.]

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 103, 12a. 5-6. 10-12. 13-14. 24 sy 35d

Fiv.: Iraho ny Fanahinao dia ho voaova ny endriky ny tany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko: lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro; fiandrianana sy voninahitra no itafianao, hazavana no lamba ihodidinanao.
Ny tany naorinao mafy ka tsy hihontsona mandrakizay. Ny ranobe no narakotrao ny tany ka dia teny an-tendrombohitra ny rano.
Nampiboika rano teny an-dohasaha Ianao, notarihinao ireny ho any anelanelam-bohitra: ny bibidia rehetra mba samy hisotro, ny ampondra haolo mba hiala hetaheta, ny voron’ny lanitra hipetraka eo amorony ka hikalokalo anaty ravin-kazo.
An-drihana Ianao manondraka ny vohitra sy mamoky ny tany amin’ny tsiron’ny lanitra, mampitsimoka ahitra ho an’ny biby fiompy, mampahavokatra ny asan’ny olona: ny mofo mitrebona an-tany ho sakafony.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo sady vita amim-pahakingana. Ny tany henika ny harenao; Ianao, ry fanahiko, misaora ny Tompo!

 

Aoka isika hivavaka:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantananao amin’ny fomba mahagaga ny asanao rehetra, ka enga anie ny olombelona navotanao mba hahatakatra fa ny nanaovana Sorona an’i Kristy ilay Paka ho anay amin’izao andro farany izao dia tsara lavitra noho ny naharianao an’izao tontolo izao tany am-piandohana.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.

V- Amen.

 

na hoe:

Aoka isika hivavaka: (raha ny VAKINTENY fohy no natao)

Andriamanitra ô, mahagaga ny fomba naharianao ny olombelona, fa vao mainka mahagaga kokoa ny fomba nanavotanao azy; koa ataovy mato-tsaina izahay hanohitra ny fahotana mba ho mendrika hahazo ny hafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Jenezy

Jen. 22, 18 (lava) na 1-2. 9a. 10-13. 15-18 (fohy)

Ny sorona nataon’i Abrahama razam-bentsika ara-pinoana.

Raha fohy, dia ireo anatin’ny […] ihany no vakina.

 

[Tamin’izany andro izany Andriamanitra nizaha toetra an’i Abrahama ka nanao taminy hoe: “Ry Abrahama ô!” Ary hoy izy: “Inty aho”. Dia hoy Andriamanitra: “Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Môrià, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao”.]

Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

Nony tamin’ny andro fahatelo, nanopy ny masony i Abrahama, ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana, dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: “Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray”.

Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany; ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy: “Dada ô!”. Ka hoy ny navaliny: “Inty aho, anaka”. Dia hoy i Isaaka: “Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?” Hoy ny navalin’i Abrahama: “Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana, anaka”. Dia niara-nandeha izy mianaka.

[Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely, ] nalainy ny kitay hazo ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay. [Dia naninjitra ny tanany i Abrahama, ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany. Tamin’izay, niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe: “Ry Abrahama! ry Abrahama ô!” Ka hoy ny navaliny: “Inty aho”. Dia hoy ny Anjely: “Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao ho Ahy”. Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.] Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh no anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenin’ny olona mandraka androany hoe: “Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh”.

[Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe: “Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho, hoy ny Tompo, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy, dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao, tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony. Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny Teniko ianao”.]

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 15, 5. 8. 9-10. 11

Fiv.: Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy Aminao.

Ny Tompo ny ahy no zara lovako; Ianao no rakitro mateza. Ataoko anoloana hatrany ny Tompo, izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko, ny nofoko avy no mandry amin-toky. Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly, ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.
Fa ny lalan’ny fiainana no hatoronao ahy: hafenoam-pifaliana anoloanao, hafinaretan-dava ankavananao.

 

Aoka isika hivavaka:
Ry Andriamanitra tena Rain’ny mpino ô, araka ny fampanantenanao fahiny, dia atosakao ny fahasoavanao hanerana ny tany tontolo, ary noho ny misterin’ny Paka dia nasandratrao ho rain’ny firenen-drehetra i Abrahama mpanomponao araka ny nampanantenainao; koa mihanta aminao izahay: enga anie ny vahoakanao hahay hankatò izany antsonao izany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.

 

VAKINTENY MASINA FAHATELO

Boky Eksaody

Eks. 14, 15 — 15, 1

Nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina ny zanak’i Israely.

Izao no tenin’ny Tompo tamin’i Môizy: “Nahoana no mitaraina amiko ianao? Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga. Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina, ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina hanarahany azy ireo avy aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra mbamin’ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny. Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Tompo Aho, rehefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny.”

Dia nifindra nankeo aoriana ilay Anjelin’Andriamanitra nandeha teo alohan’ny tobin’i Israely, ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy. Dia nankeo anelanelan’ny tobin’ny Ejipsianina sy ny tobin’ny zanak’i Israely izy; maizina ny ilan’io rahona io, ary ny ilany manazava ny alina, ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina.

Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano. Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano. Nanenjika azy ny Ejipsianina, ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny. Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo tao amin’ny andry afo aman-tsetroka, dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina. Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony. Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay: “Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika, fa ny Tompo no miady ho azy, mamely ny Ejipsianina”. Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao, hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny”. Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany, ka vao nangirana ny andro dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina. Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy, ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina.

Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza. Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina, fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo ankavanany sy eo ankaviany. Koa novonjen’ny Tompo ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany, ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina teny amoron-dranomasina. Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo, nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina, ka natahotra ny Tompo ny vahoaka, ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony. Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’ny Tompo:

 

Salamo fandinihana

Sal. 15, 1-2. 3-4. 5-6. 17-18

Fiv.: Ankalazao ny Tompo, fa efa naneho ny voninahiny Izy.

Ihiraontsika ny Tompo Avo indrindra! Ny soavaly sy kalesy natsipiny an-driaka! Hery sy tanjako ny Tompo! Izy no famonjena ahy! Izy no Andriamanitro, ka deraiko! Andriamanitry ny razako, ka asandratro!
Mpiady mahery ny Tompo: Ny Tompo no Anarany! Ny kalesin’i Faraôna sy ny tafiny natsipiny an-driaka! Ny mpitari-tafika voafantina: natelin’ny Riakan-jozoro.
Nosaronan’ny hantsam-be, nidina am-parany ambany tahaka ny vato! Ny Tananao, ry Tompo, igagana hery: Ny Tananao, ry Tompo, manorotoro fahavalo!
Ka ampidirinao, ry Tompo, i Israely sy amponeninao eo amin’ny voninahitra lovanao: Toerana voafidinao honenana, Toera-masina nomanin’ny tananao! Eny, manjaka ny Tompo mandrakizay alaovalo.

 

Aoka isika hivavaka:

Andriamanitra ô, ny fahazavan’ny Testamenta Vaovao no nentinao manambara aminay ny hevitry ny zava-mahagaga tanteraka tamin’ny Fanekena Taloha; ka ny Ranomasina Mena dia tandindon’ny loharano fanaovana Batemy, ary ny vahoaka Jody nafahana tamin’ny fanandevozan’i Ejipta dia tandindon’ny vahoaka kristianina. Enga anie ny firenen-drehetra ho feno finoana ka hahazo ny tombontsoa natokana ho an’i Israely ary handray ny Fanahinao ka hateraka ho olom-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.

 

na hoe: Aoka isika hivavaka:
Andriamanitra ô, mbola hitanay mamirapiratra amin’izao andronay izao ny zava-mahagaga nataonao fahiny. Vahoaka iray monja tamin’izany no nanehoanao ny herinao ka navotanao tamin’ny fanenjehan’i Faraôna; ny firenena rehetra kosa ankehitriny no vonjenao amin’ny rano anaovana Batemy mampahazo aim-baovao. Koa mba ataovy tonga zanak’i Abrahama ny taranak’olombelona tsy vaky volo, ary ataovy mitovy saranga amin’ny zanak’i Israely.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.

 

VAKINTENY MASINA FAHEFATRA

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 54, 5-14

Fitiavana mandrakizay no angorahako anao, hoy ny Tompo Mpanavotra anao.

Ny vadinao dia ny Mpahary anao; ny Tompon’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana Azy. Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana, no ampodian’ny Tompo anao, hoatra ny vadin’ny fahatanorana efa nisaorana, hoy ny Andriamanitrao. Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao, fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao. Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako vetivety ny Tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy ny Tompo Mpanavotra anao. Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko, nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe tsy hiely intsony amin’ny tany: toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony Aho. Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy ny Tompo Ilay mangoraka anao.

Ry ikala ory, afotofoton’ny tafio-drivotra, tsy manam-piononana ô; indro Aho handatsaka ny vatonao amin’ny antimoanina, sy hanorina anao eo ambonin’ny safira; hataoko vato tsy leon-doza ny nongonongo-mandanao, eskarbokla ny vavahadinao, ary vatosoa avokoa ny manda manodidina anao. Ho mpianatry ny Tompo avokoa ny zanakao rehetra, ary ho be fiadanana ny zanakao. Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a ary 13b.

Fiv.: Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy: tsy navelany hifaly ny rafiko. Ny fanahiko efa tany an-tSeoly dia nakarinao, ry Tompo ô! izaho efa tany am-pasana dia novelominao indray!
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka; isaory ny Anarany masina. Mandalo ihany ny hatezerany, ny fanambinany kosa maharitra: hariva aho nitomany, fa nony maraina, velon-kira.
Tompo ô, aoka ianao handreny; miantrà re, tongava hamonjy. Dia navadikao ho dihy ilay hira fitarainako; Ry Tompo Andriamanitro ô.

 

Aoka isika hivavaka:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, ampitomboy hanome voninahitra ny Anaranao ny taranaka nampanantenainao ny razanay natoky ny Teninao, ary ampitomboy isa amin’ny Batemy ny zanaka atsanganao; ka enga anie izay nitokian’ny olo-marina fahiny fa ho tanteraka, mba ho hitan’ny Eglizy fa efa ho tontosa manontolo ankehitriny.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.

 

VAKINTENY MASINA FAHADIMY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 55, 1-11

Mankanesa aty amiko, mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo, ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho.

Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola na takalo, hividy divay sy ronono. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy misasatra, amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida. Indro izy natsanga-ko ho vavolombelona eo amin’ny firenena; ho mpifehy sy mpandidy ny firenena. Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao; ary ny firenena tsy nahalala anao hidodododo ho eo aminao, noho ny amin’ny Tompo Andriamanitrao sy ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao.

Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo tsy mba lalako. — Teny marin’ny Tompo —. Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany, no haavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo. Tahaka ny ranon’orana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahahenika sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Iz. 12, 2. 4. 5. 6

Fiv.: Hanovo rano amin-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjen’ny Tompo.

Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy: tsy matahotra intsony aho fa matoky! Eny, fa ny Tompo no heriko sy tanjako, Izy no famonjena ahy.
Am-piravoravoana ianareo no hanovo amin’ny loharanom-pamonjena, ka izao no ho teninareo amin’izay andro izay:
Derao ny Tompo, antsoy ny anarany, torio ny vahoaka ny asany vaventy, ny haavon’ny Anarany ambarao!
Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana: ataovy antso avo izany eran-tany tontolo. Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna, fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

 

Aoka isika hivavaka:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, hany fanantenan’izao tontolo izao, efa nambaranao tamin’ny teny nataon’ny mpaminany ny zava-mahagaga tanteraka ankehitriny; koa velomy ny fanirian’ny vahoakanao, fa fahasoavana avy aminao ihany no ahafahan’ny mpino mandroso hatsaram-panahy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.

 

VAKINTENY MASINA FAHENINA

Bokin’i Barôka Mpaminany

Bk. 3, 9-15. 31 — 4, 4

Mizora amin’ny fahazavan’ny Tompo mamirapiratra.

Mihainoa, ry Israely, ny lalàm-piainana; manongilàna sofina, hianatra ny fahamalinana. Ahoana sy ahoana ange, ry Israely, ity ianao no aty amin’ny tanim-pahavalo; ka reraka aty amin’ny tanin’ny firenen-kafa, sy mandoto tena amin’ny maty, ka atao ho anisan’izay efa tafiditra any amin’ny Seoly? Nandao ny loharanom-pahendrena ianao, satria raha nandeha tamin’ny lalan’Andriamanitra ianao, dia ho nitoetra tamin’ny fiadanana mandrakizay! Fantaro izay misy ny fahendrena sy ny hery ary ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatrao miaraka amin’izany koa, izay misy ny andro lava sy ny fiainana, izay misy ny fahazavana ho an’ny maso, sy ny fiadanana. Iza no efa nahita ny toerana misy ny fahendrena; ary zovy no efa niditra tao amin’ny firaketany?

Tsy misy olona mahalala ny lalany, na mba namantatra tsara izay sakeli-dalany akory. Fa Ilay mahalala ny zavatra rehetra no mahalala azy; Izy no mahita azy amin’ny fahiratan-tsainy, dia Ilay nanorina ny tany ho mafy mandrakizay, sy nameno azy ireo biby manan-tongotra efatra; Ilay maniraka ny fahazavana, dia lasa io, sy miantso azy dia manaiky amim-pangovitana izy. Ireo kintana mamirapiratra eo amin’ny fitoerany ka mifaly ery, dia antsoiny ka mamaly hoe: indreto izahay! dia mamirapiratra amin-kafaliana ireo ho an’Ilay nahary azy. Izy no Andriamanitsika ary tsy misy hafa mitovy aminy. Nahita ny lalan’ny fahendrena rehetra Izy ka nanome izany ho an’i Jakôba mpanompony, sy ho an’i Israely olo-malalany. Raha efa izany, dia niseho teto an-tany Izy ka niresaka tamin’ny olombelona. Ny fahendrena dia ilay bokin’ny didin’Andriamanitra sy ny lalàna maharitra mandrakizay. Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin’ny fiainana, fa izay mandao azy kosa ho any amin’ny fahafatesana. Miverena, ry Jakôba, sy mifikira aminy, ary mizora amin’ny fahazavany mamirapiratra. Aza omena ho an’ny hafa ny voninahitrao, na ho an’ny firenen-kafa ny tombontsoanao. Sambatra isika, ry Israely ô, fa nanambaràna izay sitrak’Andriamanitra!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 18, 8-9. 10-11

Fia: Ianao, ry Tompo, no nanana ny teny fiainana mandrakizay.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary mamelombelona fanahy; ny didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy ka mahafaly ny fo; ny baikon’ny Tompo mazava, fanilo ho an’ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay; ny fitsaran’ny Tompo, marina, samy rariny avokoa.
Irîna noho ny volamena, ny volamena madio miavosa mamy noho ny tantely, ny toho-tantely mitsonika.

 

Aoka isika hivavaka
Andriamanitra ô, miantso firenena lalandava Ianao hampitombo ny Eglizinao; koa enga anie ireo diovinao amin’ny rano fanaovana Batemy mba harovanao sy hampianao mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.

 

VAKINTENY MASINA FAHAFITO

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ez. 36, 16-17a. 18-28

Hofafazako rano madio ianareo, ary homeko fo vaovao.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe: Ry zanak’olona, ry zareo taranak’i Israely, fony izy nitoetra teo amin’ny taniny, dia nandoto azy, tamin’ny fitondran-tenany aman’asany... Ka naidiko tamin’izy ireo ny fahatezerako, noho ny rà nalatsany tamin’ny tany, sy noho ny nandotoany azy tamin’ny sampiny vetaveta. Naeliko ho any amin’ny hafa firenena izy ireo, ka nahahako teny amin’ny tany samihafa. Notsaraiko araka ny fitondran-tenany aman’asa nataony izy. Nony mby tany amin’ny firenena nalehany izy ireo, dia nanala baràka ny Anarako masina, fa izao no filazan’ny olona azy: “Ireo no olon’ny Tompo, avy any amin’ny taniny no nialany”. Ka nangoraka ny Anarako masina Aho, izay nalain’ny taranak’i Israely baràka, tamin’izay firenena nalehany any.

Noho izany, lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Tsy noho ny aminareo no anaovako an’izao, ry taranak’i Israely, fa noho ny Anarako masina izay nalanareo baràka, tany amin’ny firenena nalehanareo. Hohamasiniko ny Anarako lehibe izay voaala baràka, eny amin’ny firenena nanalanareo baràka azy, dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Andriamanitra Aho — teny marin’ny Tompo Andriamanitra, — rehefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony Aho. Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra, ka hampodiko eo amin’ny taninareo. Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, hataoko afaka aminareo. Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany. Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 41, 3. 5bde ; 42, 3. 4.

Fiv. :Toy ny serfa mikonaina maniry ranovelona ny fanahiko mikonaina maniry Anao Andriamanitra.

Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, ilay Andriamanitra velona. Rahoviana aho no afaka hanarana sy hankafy ny hasoan’Andriamanitra?
Endrey izany izaho mitarika vahoaka izay mandroso ao an-tranon’Andriamanitra amim-peo fifaliana sy fiderana, sy horaka an-danonana manakoako!
Ny hazavanao sy fahamarinanao alefaso hitantana ahy hatrany am-bohitrao masina, hatrany amin’ny fonenanao.
Ka eo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho, ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako, no hidera Anao amim-baliha, ry Andriamanitra Andriamanitro,

 

Aoka isika hivavaka:

Ry Andriamanitra tsy resy fahefana, tsy lefy hazavana, mba jereo amin’ny fo tony ny Eglizy manontolo vavolombelonao; ary ho tontosa tsy ho voasembantsembana anie ny famonjena ny olombelona nalahatrao hatramin’ny mandrakizay; dia ho hitan’ny tany tontolo fa voaarina izay lavo, nohavaozina izay tonta, ary ny voaary rehetra dia tafaverina amin’ny hasiny fahiny ao amin’i Kristy niandohany. Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.

V - Amen.

 

na hoe: Aoka isika hivavaka:

Ry Andriamanitra ô, ny fampianaranao ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao no anomananao anay hankalaza ny Paka; koa ataovy mahafantatra ny famindram-ponao izahay, ary rehefa mandray ny fanomezanao ankehitriny dia hatoky sy hanantena fa hahazo ny any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.

 

Ary raha misy hatao Batemy, dia hoe:

Aoka isika hivavaka:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba atreho ireto Sakramenta anehoanao ny fitiavanao lehibe ary iraho ny fanahy fananganan-janaka hiantso vahoaka hafa hatrany, handray aim-baovao hateraky ny rano anaovana Batemy, ka izay ataonay mpanompo tsy mendrika Anao anie mba hotontosaina amin’ny herinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.

 

Vita ny vakinteny farany amin’ny Testamenta Taloha sy ny Salamo ary ny vavaka miaraka aminy, dia arehitra ny jiro eny amin’ny ôtely. Ary ventesin’ny Pretra ny antsa hoe:

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra!

 

Dia tohizin’ny vahoaka rehetra, sady ampanenoina ny lakolosy araka izay fomban-tany.

 

Vita io, dia ataon’ny Pretra tahaka ny fanao ny Fangatahana, Aoka isika hivavaka:

Ity alina tena masina ity, ry Andriamanitra, dia ataonao mamirapiratry ny voninahitry ny Tompo tafatsangan-ko velona; ka tahirizo ao amin’ireto taranaka vaovao mampitombo isa ny fianakavianao ireto, ny Fanahy nanangananao azy ho zanakao; koa rehefa nohavaozinao fanahy amam-batana izy, dia ho afaka hanompo Anao marina tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.

 

Dia vakin’ny mpamaky teny ny Taratasin’ny Apôstôly.

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm 6, 3-11

I Kristy nitsangan-ko velona dia tsy maty intsony.

Ry kristianina havana, moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho amin’i Kristy Jesoa dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany? Koa niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa. Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny fakàn-tahaka ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany; fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika, satria izay maty dia afaka amin’ny fahotana. Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa; sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Satria ny fahafatesana moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra. Ary aoka ho toy izany koa ianareo, no hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Vita ny Epistolà, dia mitsangana ny olona rehetra. Ventesin’ny Pretra amin’ny fomba manetriketrika ny “Aleloia” averin’ny olona rehetra.
Avy eo dia misy “psalmista”, na mpihira, manao ny Salamo, valian’ny vahoaka hoe Aleloia. Raha ilaina dia ventesin’ny “psalmista” ihany koa ny Aleloia.

 

Salamo fandinihana

Sal. 117, 1-2. 16ab-17. 22-23

Derao ny Tompo fa tsara: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’Israely manontolo: Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo; ny tanan’ny Tompo naneho hery! Tsy maty aho fa velona hitanisa ny asan’ny Tompo
Ny vato narian’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro; ny Tompo no manao Izany zava-mahagaga imasonay!

 

Tsy itondrana jiro amin’ny Evanjely, fa fanembohana fotsiny raha asiana.

 

Taona A

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 28, 1-10

Efa nitsangan-ko velona Izy, ary hialoha anareo any Galilea.

Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana, i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray. Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty. Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe: “Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa Izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo. Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangana avy any amin’ny maty Izy; ary indro hialoha anareo any Galilea izy, any no hahitanareo Azy; izany àry, fa efa nilazako ianareo izay”.

Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra. Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: “Arahaba”. Dia nanatona Azy izy, ka namihina ny tongony sy niankohoka teo anatrehany. Dia hoy i Jesoa taminy: “Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Taona B

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 16, 1-8

Efa nitsangan-ko velona i Jesoa Nazareanina, Ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana.

Rehefa afaka ny Sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jakôba, ary Salôme, mba handeha hanosotra ny Vatan’i Jesoa. Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro. Ary izy nifampilaza hoe: “Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin’ny varavaram-pasana e?” Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy. Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana, ka taitra. Fa hoy ilay zatovo taminy: “Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy. Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Piera fa hialoha anareo any Galilea Izy, ka any no hahitanareo Azy, araka ny efa voalazany taminareo”.

Dia nivoaka ny fasana izy ireo, ka nandositra, fa sady toran-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy noho ny tahony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Taona D

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 24, 1-12

Nahoana no aty amin’ny maty no itadiavanareo izay velona?

Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana ireo vehivavy masina nitondra ny zava-manitra efa namboariny, ary hitany fa efa voakodia lavidavitry ny fasana ny vato, ka niditra izy ireo, fa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo. Mbola very hevitra noho izany eo izy ireo, dia indro nisy olona roa lahy niseho teo akaikiny, nitafy fitafiana mamirapiratra. Dia natahotra izy ireo ka niondrika, fa nilazan’iretsy hoe: “Nahoana no aty amin’ny maty no itadiavanareo izay velona? Tsy eto Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny nolazainy taminareo fony Izy mbola tany Galilea hoe: Tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona sy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo”. Izay vao tsaroany ny tenin’i Jesoa, ka tafaverina avy tany amin’ny fasana izy ireo dia nilaza izany rehetra izany tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany rehetra: dia i Maria Madelenina sy i Joana ary i Maria renin’i Jakôba izany, ary ny vehivavy hafa niaraka taminy koa dia samy nilaza izany tamin’ny Apôstôly. Fa nataony ho arirarira foana ny tenin’izy ireo ka tsy ninoany. I Piera kosa anefa dia nitsangana nihazakazaka nankany amin’ny fasana, ary niondrika izy, fa ny lambam-paty ihany no hitany tao ka lasa nody, gaga foana noho ny zava-niseho tao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana toriteny aorian’ny Evanjely; ary avy eo dia atao ny Batemy.

 

Fizarana III

FANKALAZANA AN’I KRISTY RANO VELONA SY FIAINANA – BATEMY

Mankeny amin’ny toerana fanaovana Batemy ny Pretra sy ny mpanotrona azy, raha talaky maso io toerana io. Raha tsy izany, dia eo amin’ny faritry ny ôtely no asiana siny misy rano.
Raha misy olon-dehibe hatao Batemy dia antsoina amin’ny anarany, ary atolotry ny mpiantoka azy; ary ny zaza tsy vory saina kosa dia entin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka, eo anatrehan’ny mpiangona rehetra rafavory.
Dia tsipazan’ny Pretra teny tahatahaka izao ny mpiangona, raha misy hatao Batemy:

 

Tohano amin’ny vavaka iarahantsika manao, ry kristianina havana, ny fanantenana hasambarana manentana ireto havantsika ireto, ka ny Ray mahefa ny zavatra rehetra anie, hampitosaka ny famindram-pony, hitantana azy manatona ilay loharano anovozana ny aim-baovao.

 

Raha tsy misy hatao Batemy, nefa hohamasinina ny rano fanaovana Batemy:

 

Ndeha isika, ry Kristianina havana, hitalaho an’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, handrotsaka ny fahasoavany amin’ity loharano fanaovana Batemy ity, ka izay rehetra hateraka eto anie ho tafaray ao amin’i Kristy miaraka amin’ireo zanaka rehetra efa natsangany.

 

Asiana mpihira anankiroa mihira ny Litania; mitsangana ny olona rehetra (satria Paka) ary mamaly.
Raha lavidavitra no misy ny toerana fanaovana Batemy, dia mandritra ny izorana mankeny no atao ny litania; ka antsoina alohan’ny hiaingana ny hatao Batemy; ary ny Jiron’ny Paka no mitari-dalana, arahin’ireo hatao Batemy sy ny mpiantoka; avy eo vao ny Pretra sy ny mpanotrona azy. Ary alohan’ny hanamasinana ny rano fanaovana Batemy ny Pretra no manipy teny kely.
Raha tsy misy hatao Batemy sady tsy hohamasinina ny rano fanaovana Batemy, dia tsy atao koa ny Litania; fa avy hatrany dia mankeo amin’ny tak. 348 manamasina ny rano.
Azo anampy eo amin’ny Litania ny anaran’ny Olomasina mpiaro ny fiangonana na ny toerana na ny tanàna na ny hatao Batemy.

 

Tompo ô, mamindrà fo aminay.
Tompo ô, mamindrà fo aminay

 

Kristy ô, mamindrà fo aminay.
Kristy ô, mamindrà fo ammay.

 

Tompo ô, mamindrà fo aminay
Tompo ô, mamindrà fo aminay.

 

Masina Maria, Renin’Andriamanitra ô – Mivavaha ho anay
Masina Misely – Mivavaha ho anay
Ianareo Anjely masin’Andriamanitra – Mivavaha ho anay
Masindahy Jôsefa – Mivavaha ho anay
Masindahy Piera sy Paoly – Mivavaha ho anay
Masindahy Andre – Mivavaha ho anay
Masindahy Joany – Mivavaha ho anay
Masimbavy Maria Madelenina – Mivavaha ho anay
Masindahy Etienne – Mivavaha ho anay
Masindahy Ignace d’Antioche – Mivavaha ho anay
Masindahy Laurent – Mivavaha ho anay
Masimbavy Perpétue sy Félicité – Mivavaha ho anay
Masimbavy Agnès – Mivavaha ho anay
Mansindahy Grégoire – Mivavaha ho anay
Masindahy Augustin – Mivavaha ho anay
Masindahy Athanase – Mivavaha ho anay
Masindahy Basile – Mivavaha ho anay
Masindahy Martin – Mivavaha ho anay
Masindahy Benoît – Mivavaha ho anay
Masindahy François sy Dominique – Mivavaha ho anay
Masindahy François Xavier – Mivavaha ho anay
Masindahy Jean Marie Vianney – Mivavaha ho anay
Masimbavy Catherine de Sienne – Mivavaha ho anay
Masimbavy Thérèse d’Avila – Mivavaha ho anay

Ianareo rehetra Olomasin’Andriamanitra – Mivavaha ho anay

Iantrao izahay – Afaho izahay, ry Tompo.
Henoy izahay – Afaho izahay, ry Tompo.
Amin’ny ratsy rehetra – Afaho izahay, ry Tompo.
Amin’ny fahotana rehetra – Afaho izahay, ry Tompo.
Amin’ny fahafatesana mandrakizay – Afaho izahay, ry Tompo.
Noho Ianao tonga nofo – Afaho izahay, ry Tompo.
Noho Ianao maty sy nitsangan-ko velona – Afaho izahay, ry Tompo.
Noho ny nidinan’ny Fanahy Masina – Afaho izahay, ry Tompo.

Mpanota izahay – Henoy izahay, fa mihanta aminao.

 

Raha misy hatao Batemy dia atao hoe:

 

Enga anie ireto voafidinao
mba ho sitrakao hateraka
amin’ny rano anaovana Batemy – Henoy izahay...

 

Raha tsy misy hatao Batemy kosa dia izao:

 

Enga anie ity loharano
natao hananganan-janaka ho Anao ity
mba ho sitrakao hohamasinina
amin’ny fahasoavanao – Henoy izahay...

 

Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra velona– Henoy izahay...

 

Kristy ô, henoy izahay,
Kristy ô, henoy izahay.

 

Kristy ô, ekeo ny fangatahanay,
Kristy ô, ekeo ny fangatahanay.

 

Fanamasinana ny Rano fanaovana Batemy

- Hamasinin’ny Pretra ny rano fanaovana Batemy. Akambany ny tanany ary hoy izy mivavaka:

 

Andriamanitra ô, fahefana tsy hita maso no anaovanao zava-mahagaga amin’ny herin’ny Sakramenta ary fomba samihafa no nanomananao ny rano hanambaràna ny fahasoavana vokatry ny Batemy.

Ny Fanahinao, ry Andriamanitra, dia nisonenika teo ambonin’ny rano tamin’ny fiandohan’izao tontolo izao, hanambaràna mialoha ny herin’ny fahamasinana avy amin’ny rano; Andriamanitra ô, ataonao tandindon’ny fahateraham-baovao ny safo-drano, hany ka io rano io ihany no sady ialan’ny ratsy no ipoiran’ny tsara; Andriamanitra ô, Ianao nampita ny zanak’i Abrahama tamin’ny tany maina teo afovoan’ny Ranomasina Mena, mba ho tandindon’ny vahoaka vita Batemy ilay vahoaka navotanao tamin’ny fanandevozan’i Faraôna;

Andriamanitra ô, Ilay Zanakao nataon’i Joany Batemy tao amin’ny ranon’i Jordany dia nohosoran’ny Fanahy Masina; nandrotsaka rano sy ra avy amin’ny Fony tamin’Izy nihantona teo amin’ny Hazofijaliana ary naniraka ny mpianany nony nitsangan-ko velona, ka nanao hoe: “Mandehàna, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”;

Topazo maso ny Eglizinao ary mba ataovy miboiboika ny loharano fanaovana Batemy. Enga anie ny olombelona nataonao mitovy endrika aminao, mba hodiovin’ny Batemy hahafahany amin’ny loto rehetra; ka amin’izay, ho mendrika hitsangan-ko velona avy amin’ny rano sy ny Fanahy Masina, hitafy aim-baovao.

 

Azony atsoboka amin’ny rano eto ny Jiron’ny Paka, ataony indray mandeha na intelo, raha hita fa mety izany.

 

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie mba hidina amin’ny alalan’ny Zanakao ao anatin’ity rano ity ny herin’ny Fanahy Masina.

 

Tazoniny ao anaty rano ny jiro sady hoy izy hoe:

 

Ka izay rehetra miara-milevina amin’i Kristy amin’ny Batemy dia hiaraka aminy hitsangan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.

 

- Dia alàna amin’ny rano ny jiro ary hoy ny vahoaka mihoby hoe:

 

Isaory ny Tompo, ry loharano velona, ankalazao sy asandrato Izy mandrakizay!

 

Azo soloina hafa io hoby io.

 

- Mandà an’i Satana tsirairay ny hatao Batemy, anontaniana momba ny finoana ary dia atao Batemy.
Raha vao vita Batemy eo ny olona vory saina, dia atao Kônfirmasiô avy hatrany, raha eo ny Eveka, na izay Pretra nahazo lalana.

 

Fanamasinana ny Ranovoahasin’ny Paka

- Raha tsy misy hatao Batemy, ka tsy nohamasinina ny rano fanaovana Batemy, dia izao vavaka izao no anamasinan’ny Pretra ny rano:

 

Ry Kristianina havana, iangavio an-tanan-droa Andriamanitra Tompontsika mba hanamasina ity rano arin-tanany ity, fa hafafy amintsika mba hampahatsiahy ilay nanasana antsika tamin’ny Batemy. Ary enga anie ho sitraky ny Fony ny hanampy antsika haharitra tsy mivadika amin’ny Fanahy noraisintsika.

 

Mijanona kely, mivavaka mangina, vao manakamban-tanana ihany manohy hoe:

 

Ry Andriamanitra Tomponay ô, atreho sy hasoavy ny vahoakanao miari-tory anio alina, ka enga anie ho sitrakao ny hitso-drano ity rano ity, fa ahatsiahivanay ilay asa mahagaga dia ny naharianao anay, ary ilay asa mahagaga kokoa dia ny nanavotanao anay. Fa nanao ny rano Ianao mba hahalonaka ny tany, ary mba hampavitrika sy hanadio ny vatanay.

Nataonao mampita ny famindram-ponao ny rano, fa nentinao nanafaka ny vahoakanao tamin’ny fanandevozana sy nanalanao hetaheta azy tany an’efitra.

Ny rano no nentin’ny Mpaminany hanambara ilay fanekena vaovao nomaninao ho an’ny olombelona; ary farany, dia ny rano no notokànan’i Kristy tamin’Izy tao Jordany, ka anavaozanao ny tenanay voaloto, hodiovin’ny rano miteraka aim-baovao.

Aoka àry ity rano ity hampahatsiahy anay ny Batemy noraisinay; ary aoka izahay hataonao miombon-kafaliana amin’ireo havanay hatao Batemy amin’izao Paka izao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.

 

Fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy

 

- Vita ny Batemy (sy ny Kônfirmasiô raha nisy), na aorian’ny fanamasinana ny ranovoahasin’ny Paka raha tsy nisy Batemy, dia mitsangana ny olona rehetra, mitana jiro mirehitra, manavao ny toky nomena tamin’ny Batemy.

 

Amin’izao Paka, mistery ankalazaintsika izao, ry kristianina havana, dia mibaribary fa tamin’ny Batemy dia niara-maty tamin’i Kristy isika mba hiara-belona aminy amin’ny aim-baovao. Tapitra àry ny fiomanana nandritra ny Karemy, ka izao isika dia hanavao ny toky nomena tamin’ny Batemy, hanambara fa mandà an’i Satana sy ny asany rehetra, ary vonon-kanompo an’Andriamanitra ao amin’ny Eglizy masina katôlika. Noho izany

P. Lavinareo ve i Satana?

V. Lavinay!

P. Ary ny asany rehetra?

V. Lavinay!

P. Ny fireharehany rehetra?

V. Lavinay!

 

na hoe:

 

P. Mba ho tena olona afaka ianareo, ho velona araka ny maha-zanak’Andriamanitra, lavinareo ve ny fahotana?

V. Lavinay!

P. Mba tsy hanjakan’ny fahotana ianareo, lavinareo ve ny fanangolena ataon’ny ratsy?

V. Lavinay!

P. Lavinareo ve i Satana fototry ny ratsy sy raiben’ny fahotana?

V. Lavinay!

 

Raha ilaina dia azon’ny Fivondronan’ny Eveka amboarina io, hifanentana amin’ny fomban-tany sy izay ilain’ny olona.
Dia tohizan’ny Pretra avy eo hoe:

 

P. Inoanareo ve Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra nahary ny lanitra sy ny tany?

V. Inoanay tokoa!

P. Inoanareo ve i Jesoa Kristy Zanany tokana Tompontsika naterak’i Maria Virjiny, nijaly ary nalevina sy nitsangan-ko velona ary mipetraka eo ankavanan’ny Ray?

V. Inoanay tokoa!

P. Inoanareo ve ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina Katôlika, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan’ny vatantsika ho velona ary ny fiainana mandrakizay?

V. Inoanay tokoa!

 

Faranan’ny Pretra manao hoe:

 

P. Ary enga anie Andriamanitra Andriananahary Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika nanome aim-baovao antsika tamin’ny rano sy ny Fanahy Masina sy namela ny fahotantsika rehetra hitahy antsika amin’ny fahasoavany, ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika, hahazoantsika ny fiainana mandrakizay.

V. Amen.

 

- Fafazan’ny Pretra ranovoahasina ny vahoaka mihira hoe:

 

Indro nisy rano hitako nivoaka avy amin’ny Tempoly, avy eo amin’ny lafiny havanana. Aleloia!
Ary izay rehetra alehan’izany rano izany dia ho velona avokoa sy ho voavonjy
ka hidera hanao hoe: Aleloia, Aleloia!

 

Azo soloina hira hafa milaza ny soa azo avy amin’ny Batemy io.

 

- Mandritra izany dia entina eny amin’ny toerany eo anivon’ny mpino ireo vao natao Batemy. Raha tsy teo ainin’ny toerana fanaovana Batemy no nohamasinina ny rano fanaovana Batemy, dia entin'ny mpanotrona amim-panajana hankeo amin’ny toerana fanaovana Batemy ny rano. Raha tsy misy toerana raikitra fanaovana Batemy, dia atao amin’izay toerana mendrika azy ny Batemy.
- Avy mamafy ranovoahasina ny Pretra dia mankeny amin’ny toerany.

 

Tsy asiana IZAHO MINO...

 

Fizarana IV

FANKALAZANA AN’I KRISTY SORONA EOKARISTIA, SORONA MASINA

Mankeo amin’ny ôtely ny Pretra manomboka ny Sorona, toy ny fanao.
- Tsara raha ireo vao natao Batemy no mitondra ny hôstia sy ny divay mankeny amin’ny ôtely.

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso miaraka amin’ireto fanatitra ireto, ry Tompo, ny vavaka ataonay vahoakanao; ka enga anie noho ny herinao izao zava-masina nosantarinay andro Paka izao hahasoa hahatsara anay mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka I... fa indrindra amin’izao alina izao...

 

Raha Kanôna rômanina no atao, dia misy “Entanin’ny firaisana ara-panahy” sy “Indro àry ity fanatitra”.... manokana.
Eo amin’ny Vavaka Fisaorana dia atao ny fahatsiarovana ireo vao natao Batemy sy ny mpiantoka azy, araka ireo voalahatra amin’ny tak. 1305.

 

Kômonio

1 Kôr. 7, 8

Efa natao Sorona ho antsika i Kristy Paka. Koa mahereza homana ny Mofo tsy misy lalivay, feno fahatsorana sy fahamarinana. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao am-ponay, ry Tompo, ny fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny Sakramentan’ny Paka, hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

- Amin’ny fampodiana ny vahoaka, dia hoy ny Diakra, na ny Pretra, hoe:

 

Hitantana ny diantsika anie i Kristy. Aleloia, Aleloia!

V- Hisaorana anie Andriamanitra. Aleloia, Aleloia.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0335