Sorona Masina ny Alarobia 08 aprily 2020

Herinandro Masina

ALAROBIA MASINA


Tononkira fidirana

Fil. 2, 10 ; 8, 11


Amin’ny Anaran’i Jesoa dia aoka hilefitra ny lohalika rehetra any an-danitra, etý an-tany sy any ambany. Fa efa neken’ny Tompo na dia ny ho faty aza, ary ny ho faty eo amin’ny Hazofijaliana; hany ka Izy Jesoa Kristy dia Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.


Fangatahana

Andriamanitra ô, sitrakao hijaly teo amin’ny Hazofijaliana ny Zanakao mba hampanalavitra ny herin’ny fahavalo tsy hanimba anay; koa noho ny fahasoavanao, dia ataovy tafatsangan-ko velona izahay mpanomponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 50, 4-9a


Tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora ny tavako.

Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka amin’ny teniko. Mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra. Nosokafan’ny Tompo ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho. Akaiky Ilay manamarina ahy; iza no handahatra manohitra ahy? Aoka hifanatrika isika! Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankatý amiko! Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy: ka iza no hanameloka ahy?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 68, 8-10. 21bde-22. 31 sy 33-34


Fiv.: Noho ny haben’ny hatsaram-ponao, ry Tompo, mba valio aho amin’ny androm-pahasoavana.

Noho Ianao no ilonjoako latsa, no mahasafo-kenatra ny tavako: ka vahiny amin’ireo rahalahiko aho, sy olon-kafa amin’ny zanak’i neny! Eny, ny fahasaro-piaroko ny Tranonao no maharîtra ny aiko.
Ny foko torotoron’ny latsa, tsy lai-panafody; mba miandry fitserana; fa tsy misy! sy mpanony, fa tsy mahita! Ny hanina laroany zava-mahafaty; mangetaheta: bobohany vinaingitra.
Hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra aho, ary hankalaza Azy amin-tsaotra! Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra; ny babo tsy hainy hamavoina.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 26, 14-25


Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy, kanefa loza ho an’izay olona hamadika Azy.

Tamin’izany andro izany, nandeha ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe i Jodasy lskariôta nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona ka nanao taminy hoe: “Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?” Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. Hatramin’izay, dia nikendry izay hamadihana Azy izy. Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: “Aiza no tianao hamboaranay hihinanao ny Paka?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko, ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.” Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy. Teo am-pihinanana dia hoy Izy: “Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.” Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?” Dia namaly Izy ka nanao hoe: “Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika Ahy. Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; kanefa loza ho an’izay olona hamadika ny Zanak’Olona! Tsara ho azy ny tsy teraka.” Dia mba niteny i Jodasy ilay namadika Azy nanao hoe: “Raby, moa izaho va izany?” Ka novaliany hoe: “Voalazanao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra atolotray; ka enga anie ny fijalian’ny Zanakao tsaroanay izao mba hahazoanay ny vokatra masina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fijalian’ny Tompo


Kômonio

Mt. 20, 28

Tsy tonga hotompoina ny Zanak’Olona fa tonga hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampio ny fanahinay, ry Andriamanitra Andriananahary, ka izahay mankalaza ny nahafatesan’ny Zanakao anie mba hahazo toky fa homenao ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3692