Sorona Masina ny Alakamisy 02 aprily 2020

Karemy — Herinandro faha-5

ALAKAMISY

Tononkira fidirana

Heb. 9, 15


Mpanalalana amin’ny Fanekena vaovao i Kristy; ka noho Izy maty, dia hahazo ny lova mandrakizay nampanantenaina ireo izay voaantso.


Fangatahana

Atreho vavaka, ry Tompo, izahay mitalaho aminao, fa miantehitra aminao be famindram-po, ka enga anie mba hadio ho afa-pahotana haharitra amin’ny toe-piainana masina ary hihalavorary handova ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky Jenezy

Jen. 17, 3-9


Ho rain’ny firenena tsy hita isa ianao.

Tamin’izany andro izany, niankohoka tamin’ny tany i Abrama ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe: “Ny amiko dia izao no fanekeko aminao: Ianao ho tonga rain’ny firenena tsy hita isa, ary ny anaranao dia tsy hatao hoe i Abrama intsony, fa hatao hoe i Abrahama, satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao. Hampitomboiko dia hampitomboiko ianao, hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka avy aminao. Manao fanekena aminao Aho sy amin’ny taranakao, hanaraka anao amin’ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao Aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao. Homeko anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.” Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Ny aminao kosa hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 4-5. 6-7. 8-9


Fiv.: Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Katsaho ny Tompo sy ny heriny! Tadiavo lalandava ny tavany! Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra; manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny; dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo, ilay niantohany tamin’i Abrahama, sy nianianany tamin’i Isaaka.


Fihobiana ny Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 8, 51-59


Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny Jody hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.” Dia hoy ny Jody: “Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao; i Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa Ianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao Anao ho iza re Ianao e?” Dia hoy i Jesoa: “Raha manome voninahi-tena Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra Ahy. Tsy fantatrareo anefa Izy; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho. Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.” Dia hoy ny Jody taminy: “Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita an’i Abrahama?” Hoy i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho.” Tamin’izay dia naka vato izy ireo hitorahana Azy; fa niery i Jesoa ka nivoaka ny tempoly.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Mba topazo maso miantra, ry Tompo, izao fanatitra atolotray izao hahamasina ny toe-piainanay ary hahavonjy an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fijalian’ny Tompo I


Kômonio

Rôm 8, 32

Tsy nandala ny tena Zanany Andriamanitra fa nanolotra Azy ho antsika rehetra hahazoantsika ny zavatra rehetra miaraka aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Etsaky ny fanomezana mahavonjy izahay, ry Tompo, no mihanta aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay eto an-tany no hanampianao anay hanana anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253