Sorona Masina ny Zoma 13 martsa 2020

Karemy — Herinandro faha-2

ZOMA

Tononkira fidirana

Salamo 30, 2. 5


Ianao no ifefeko, ry Tompo, ka enga anie tsy ho azon-kenatra mandrakizay aho. Tsoahy amin’ny harato nafenina aho, fa ianao no Mpiaro ahy!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba omeo zotom-po masina hanao asa fivalozana handio ny fonay, ka hanananay saina mahitsy hoentinay mankalaza ny andro masina ho avy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky Jenezy

Jen. 37, 3-4, 12-13a. 17b-28


Indry erý ilay mpanonofy; andeha ho vonointsika izy.

Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Jôsefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava. Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana. Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin’i Jôsefa. Ka hoy i Israely tamin’i Jôsefa: “Moa tsy miandry ny biby fiompy any Sikema va ny rahalahinao. Ka avia ianao hirahiko ho any amin’izy ireo.” Dia lasa i Jôsefa nanaraka ny rahalahiny, ka nahita azy tany Dotaïna. Mbola lavitra izy, dia tazany, ka talohan’ny nahatongavany teo akaikiny, dia niray tetika hamono azy izy ireo. Nifampiteny toy izao izy ireo: “Indry erý ilay mpanonofy; izy tokoa iny avy iny. Andeha hovonointsika izy, ka hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, sy holazaintsika hoe: nohanin’ny biby masiaka, ary ho hitantsika amin’izany izay hiafaran’ny nofiny.” Nandre izany i Robena, ka namonjy azy teo an-tanan’ireo; hoy izy: “Aza mamono azy isika,” Hoy i Robena tamin’izy ireo: “Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka atý an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.” Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy. Nony tonga teo amin’ny rahalahiny i Jôsefa dia nendahiny ny akanjony, ilay akanjo lava fitondrany. Ka noraisiny izy, natsipiny tao anaty lavaka; ary maina ilay lavaka, ka tsy nisy rano. Ary dia nipetraka nihinana izy ireo. Nony natopiny ny masony, dia hitany fa indreny misy Ismaelita niray dia, avy any Galaada; ary ny entana nentin’ny ramevany dia astragàla, ditin-kazo manitra, mbamin’ny ladanòma, ndeha havariny any Ejipta. Ka hoy i Jodà tamin’ireo rahalahiny: “Inona no soa azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny rany isika? Andeha hamidintsika amin’ny Ismaelita izy, fa aza maninji-tanana aminy isika, fa rahalahintsika sy nofontsika izy.” Dia nihaino azy, ireo rahalahiny. Ka nony nandalo ireo mpandrato Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Jôsefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 16-17. 18-19. 20-21


Fiv.: Tsarovy ny asa mahagaga nataon’ny Tompo.

Nantsoiny ho amin’ny tany ny mosary; notapahiny avokoa ny fitohiza-mofo. Nandefa lehilahy iray hialoha Azy Izy: dia i Jôsefa izay namidy ho ankizilahin’olona.
Voababo: ka ny tangotra voagadra, ny vozona voahodidina vy hatramin’ilay fotoana nahatò ny teniny, nirotsahan’ny Tompo hanamarina azy!
Koa naniraka hamaha azy ny Mpanjaka; nampanafaka azy ny Mpifehy vahoaka: nataony tompon’ny tranony izy, sy mpanapaka ny fananany rehetra.


Fihobiana ny Evanjely

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 33-43. 45-46


Itý ny mpandova, andeha hovonointsika izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: “Mihainoa itý fanoharana hafa itý koa ianareo: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka, namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy. Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. Nony farany, dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako izy.’ Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: ‘Itý ny mpandova, andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.’ Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanim-boaloboka, ary novonoiny. Koa rahefa tonga ilay tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa zany mpiasa izany?” Hoy ireo taminy: “Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika? Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy.” Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin’izany, ka nitady hisambotra Azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao Azy ho mpaminany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra be indrafo ô, mba hahatanteraka izao Sorona izao dia tsenao famindram-po izahay mpanomponao ary tantano sy ampiraiso aminao be fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

1 Jo. 4, 10

Tia antsika Andriamanitra ka naniraka ny Zanany ho sorona hanafaka antsika amin’ny fahotana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, noraisinay ny antoky ny famonjena mandrakizay, ka mba ataovy mikezaka marina izahay ho tody soa aman-tsara any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0983