Sorona Masina ny Alakamisy 12 martsa 2020

Karemy — Herinandro faha-2

ALAKAMISY

Tononkira fidirana

Salamo 138, 23-24


Diniho aho, ry Andriamanitra, fantaro ny sakeli-dalana alehako; jereo sao lalan-diso no ombako, ka tariho aho hizotra amin’ny lalana mandrakizay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, havaozinao tsy hanan-tsiny ny fonay mpanomponao ary sitrakao rahefa madio; koa tariho hitodika any aminao mba harehidrehitry ny Fanahinao Fitiavana ka ho mafy orina tsy hivadika amin’ny finoana ary hanan-kery hahefa asa soa hatrany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 17, 5-10


Ho voaozona ny olona mitoky amin’olombelona; fa hohasoavina izay mitoky amin’ny Tompo.

Izao no lazain’ny Tompo: “Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony! Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy, ary rahefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany; honina amin’ny tany karankaina any an’efitra, any amin’ny tany sira, tsy misy mponina! Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manantena ny Tompo ho tokiny! Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rahefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.

Mamitaka mihoatra ny zavatra rehetra ny fo, sady simba: iza no hahalala azy? Izaho Tompo izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany, sy araka ny vokatry ny asany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6


Fiv.: Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso; fa ny lalàn’ny Tompo no sitrany: ny lalàny no saininy andro aman’alina.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy, mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra. Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo; ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!


Fihobiana ny Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 16, 19-31


Ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana; koa ankehitriny, mba azy ny fanalana alahelo fa anao ny fijaliana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: “Nisy mpanankarena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro. Ary nisy koa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny. Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena izy, fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny. Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny anjely tany an-tratran’i Abrahama; dia maty koa ilay mpanankarena ka nalevina. Tao amin’ny fitoeran’ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany, ka niantso izy nanao hoe: ‘Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’itý lelafo itý.’ Fa hoy i Abrahama taminy: ‘Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao, ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. Sady amin’ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te-hiala atý hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atý.’ Dia hoy izy: ‘Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy ny marina, fandrao tonga amin’itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.’ Fa hoy i Abrahama taminy: ‘Manana an’i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an’ireo izy.’ Fa hoy izy: ‘Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! fa raha anankiray amin’ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy.’ Fa hoy i Abrahama taminy: ‘Raha tsy mihaino an’i Môizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangan-ko velona aza.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona atolotray izao, hanamasina ny fomba fanaonay amin’ny karemy; ka enga anie izay toe-panahy ambaran’ny fomba masina arahinay eto ivelany mba ho tanteraka marina tokoa ao anatinay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Salamo 118, 1

Sambatra izay mandeha tsy manan-tsiny fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, enga anie ny Sorona natolotray haharitra hiasa ao am-ponay, ary hitondra vokatra eo amin’ny fiainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1261