Sorona Masina ny Alarobia 11 martsa 2020

Karemy — Herinandro faha-2

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Salamo 37, 22-23

 

Aza mandao ahy, ry Tompo, aza manalavitra ahy, ry Andriamanitro! Faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!

 

Fangatahana

Tompo ô, tsimbino izahay fianakavianao hanao asa soa mandrakariva araka ny nampianarinao; ary manampy sy mankahery anay Ianao eto an-tany, ka enga anie hamindra fo aminay sy hitantana anay hahazo ny fanomezanao any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 18, 18-20

 

Andeha hamely azy isika.

Hoy ireo olon-dratsy: “Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika, fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.” Atongilano amiko ny sofinao, ry Tompo, ary henoy ny feon’ireo mandrafy ahy! Dia ratsy va no havaly ny soa, no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo? Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao, hiteny aminao mba ho azy ireo, hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 30, 5-6. 14. 15-16

 

Fiv.: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaram-ponao.

Tsoahy amin’ny harato nafenina aho, fa Ianao no heriko! Apetrako eo an-tananao ny aiko, avoty aho, ry Tompo Andriamanitra.
Henoko ny vavan’ny maro, ka horohoro hatraiza hatraiza! Miara-mioko izy hahavoa, mifofo hanala ny aiko.
Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao! Hoy aho hoe: “Andriamanitro Ianao”, eo an-tananao ny androko, afaho amin’ny fahavalo sy mpanenjika aho!

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 20, 17-28

 

Ary ireo hanameloka Azy ho faty.

Tamin’izany andro izany, raha niakatra ho any Jerosalema i Jesoa, dia nalainy mangingina ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy ka nilazany hoe: “Indro miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka Azy ho faty, ka hanolotra Azy amin’ny jentily mba hoesoiny sy hokapohiny ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.” Ary tamin’izany nanatona Azy ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. Ka hoy i Jesoa taminy: “Inona no irìnao?” Dia hoy izy: “Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny Fanjakanao.” Dia hoy ny famalin’i Jesoa: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?” Hoy ireo taminy: “Efanay ihany.” Ary hoy Izy taminy: “Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.” Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa hanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: “Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanompo anareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’Olona izany: fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray ireto fa ifandraisanay aminao, ka votsory izahay ho afaka amin’ny fahotana mangeja anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Karemy

 

Kômonio

Mt. 20, 2

Tsy tonga hotompoina ny Zanak’Olona, fa tonga hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo Andriamanitray enga anie izay nataonao ho antoka hahavelona anay mandrakizay mba hahitanay fanampiana hahavonjy anay any ankoatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083