Sorona Masina ny Talata 10 martsa 2020

Karemy — Herinandro faha-2

TALATA

Tononkira fidirana

Salamo 12, 4-5

 

Hazavao ny masoko, ndrao renoky ny fahafatesana aho, ndrao ataom-pahavalo hoe resiko izy!

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, arovy sy amindrao fo mandrakariva ny Eglizinao; ary raha tsy ny herinao, dia mora lavo izahay olombelona nofo aman-dra: ka enga anie ho ampianao lalandava izahay ho afaka amin’izay mety manembantsembana ny dianay sy hotantananao hahazo ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 1, 10. 16-20

 

Mianara manao soa, katsaho ny rariny.

Mihainoa ny tenin’ny Tompo, ry mpitsaran’i Sôdôma, mitongilàna sofina amin’ny lalàn’Andriamanitsika, ry vahoakan’i Gômôra: “Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondra tena. Avia, hiara-mifandahatra isika. Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry. Raha manaiky amin’ny fo mazoto ianareo, dia hihinana ny zava-tsoan’ny taninareo. Fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levon’ny sabatra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Satamo 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23

 

Fiv.: Izay mahitsy fandeha hanehoan’Andriamanitra ny vonjiny.

Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao: na ny sorona dorana izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vantotr’omby ao an-tranonao, na izay osilahy ao am-pahitrao?
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko, sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho? Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao! Izay misorona saotra no hasaiko ka hohetsahiko amin’ny vonjiko.

 

Fihobiana ny Evanjely

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho.

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 23, 1-12

 

Milaza fotsiny izy ireo fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe: “Efa mipetraka eo amin’ny ipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Antra sy tsara fo Ianao, ry Tompo; ka mba hamasino izahay: diovy ho afaka amin’ny haratsiana eto an-tany ary tantano hatrany hahazo ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Karemy

 

Kômonio

Salamo 9, 2-3

Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao: hiantso ny Anaranao, ry Avo indrindra!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ny sakafo nanasanao anay hampitombo ny aina ifandraisanay aminao ary hampahazo fanampiana lalandava avy aminao be fiantra sy be indrafo.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008