Sorona Masina ny Alatsinainy 09 martsa 2020

Karemy — Herinandro faha-2

ALATSINAINY

Tononkira fidirana

Salamo 25, 11-12


Avoty aho, ry Tompo, ka iantrao, fa miara-mamindra amin’ny olo-marinao ary misaotra Anao Tompo ao am-piangonana!


Fangatahana

Andriamanitra ô, nasainao mamolaka ny vatana izahay hanasitrana ny fanahy; koa ampio ny fonay hifady ny fahotana rehetra ary ankaherezo hanatontosa ny didy avy aminao be fitiavana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Daniely Mpaminany

Daniely 9, 4b-10


Efa nanota izahay, ary nahavita heloka.

Izaho Daniely niaiky heloka tamin’ny Tompo Andriamanitro nanao hoe: “Indrisy, ry Tompo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao, izahay efa nanota sy nahavita heloka, nanao ratsy sy niodina niala tamin’ny didinao aman-dalànao. Tsy nihaino ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin’ny Anaranao tamin’ny mpanjakanay ama-mpitondra anay sy tamin’ny razanay mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany. Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa ny fangaihaizan-tava kosa tahaka ny amin’izao anio izao no anay, dia an’ny olona any Jodà, ny mponina any Jerosalema, sy i Israely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, any amin’ny tany rehetra nandroahanao azy, noho ny helony izay nataony taminao. Tompo ô, anay ny fangaihaizan-tava, an’ny mpanjakanay, an’ny mpitondra anay, an’ny razanay, satria nanota taminao izahay. Fa an’ny Tompo Andriamanitra kosa ny famindram-po amam-pamelan-keloka, satria niodina taminao izahay. Tsy nanaiky ny feon’ny Tompo Andriamanitray izahay, mba hanarahanay ny lalany nataony teo anoloanay tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 78, 8. 9. 11. 13


Fiv.: Tompo ô, aza valiana araka ny ota nataonay izahay.

Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny, ny indrafonao atsena anay faingana: fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy: noho ny voninahitrao! Afaho izahay, avelao ny otanay: noho ny Anaranao!
Aoka ho tody eo anoloanao ny senton’ireo mpigadra! Araka ny halehiben’ny sandrinao, afaho ireo voatondro hovonoina!
Ary izahay olonao sy ondry fiandrinao dia hisaotra Anao mandrakizay, ary hitanisa ny fiderana Anao.


Fihobiana ny Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 36-38


Mamindrà fo tahaka ny amindrana fo aminareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo, aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Be famindram-po Ianao, ry Tompo, ka ekeo ny vavakay ary ataovy afaka amin’ny fanangolen’izao tontolo izao izahay nomenao fahasoavana hanompo Anao eo amin’ny Sorona masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Lk. 6, 36

Aoka ho mpamindra fo ianareo, hoy ny Tompo, tahaka ny Rainareo mpamindra fo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Handio anay ho afa-pahotana anie, ry Tompo, izao Kômonio noraisinay izao ary hanampy anay hanana anjara amin’ny hasambarana any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081