Sorona Masina ny Alahady 08 martsa 2020

Taona A - ALAHADY FAHAROA KAREMY

VOAANTSO HO AN’NY FANANTENANA ISIKA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 26, 8-9

Hoy ny foko taminao: «Mitady ny endrikao aho; ny endrikao, ry Tompo, no tadiaviko; aza afenina ahy ny salovan-tavanao».

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, nasainao nihaino ny Zanakao malalanao izahay; koa enga anie ho sitrakao ny hamelona ny fanahinay amin’ny teninao, ka hadio ny fonay mandinika azy ary ho sambatra izahay mibanjina ny voninahitrao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka … Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 12, 1-4a

I Abrama no voafidy ho Rain’ny vahoakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, Andriamanitra nanao tamin’i Abrama hoe: “Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao. Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. Ho tonga fanasoavana ianao: ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. Dia niainga i Abrama araka ny tenin’ny Tompo taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 32, 4-5, 18-19, 20 sy 22.

 

Fiv.: Ho aminay anie ny Hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao!

Eny, marina ny tenin’ny Tompo, ny asany rehetra mahatoky, ny rariny sy ny hitsiny no tiany, mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo no ahîny; eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany hafahany amin’ny fahafatesana, hovelominy amin’ny tao-mosarena.
Ilay Mpitahy, Mpiaro anay fifalifalian’ny fonay: ny Anarany masina no tokinay. Ny fitiavanao, ry Tompo ô, ho aminay matoky Anao!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 1, 8b-10

 

Ny Tompo no miantso sy manilo antsika.

Ry havako malala, aoka ianao hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, sy hiankina amin’ny herin’Andriamanitra, izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasàny sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra, sy naharihary ankehitriny, tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ilay nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.

Tao anatin’ny rahona mamirapiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy.

Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 17, 1-9

Ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro.

Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana. Ary indreo niseho tamin’izy ireo i Môizy sy i Elia niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera nilaza tamin’i Jesoa hoe: “Tompo, mahafinaritra ny mitoetra aty; ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo aty, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”.

Fa raha mbola niteny izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy”. Nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra. Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: “Mitsangàna, fa aza matahotra”. Nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery. Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: “Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, angataho Andriamanitra mba hiseho amintsika amin’ny tena fahazavany, ary hankahery antsika hitondra ny fahazavany amin’ny olombelona.

Valy: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô.

* Nampitombo finoana an-dry i Piera sy i Jakôba ary i Joany ny fahazavan’i Jesoa niova Tarehy; koa mivavaha mba hitombo finoana ny Papa, ny Eveka, ny Pretra ary ny kristianina rehetra, mba hananany fanantenana mafy eo am-pitoriana ny Evanjely.
* I Abrama dia nanaiky ny antson’Andriamanitra ka nandao ny zavatra rehetra, ary tonga filohan’ny vahoaka tsy tambo hisaina; koa mivavaha ho an’ireo mpitondra vahoaka, mba hampian’Andriamanitra izy hahafoy izay misakantsakana tsy hahatsiaro ny soa ho an’ny olona iandraiketany.
* Mivavaha ho an’ireo olona mitoka-monina hibanjina an’Andriamanitra mba ho tafaray tanteraka aminy, ka hanazava ny manodidina amin’ny taratr’i Kristy noraisiny.
* Maro ny mitady firaisana am-po sy fitiavana amin’ny fikambanana isan-karazany; koa mivavaha mba tsy ho revo amin’ny tombontsoan’antoko izy ireny fa hikatsaka marina ny soa ho an’ny sarambaben’olona.
* Ny tena fiainantsika dia ny miray amin’ny Tompo; koa mivavaha ho an’ny fiangonantsika mba hanampy antsika tokoa hahita an’Andriamanitra sy hifankatia marina.

 

— Azo ampiana izay ilaina eran-tany na eo an-toerana.

 

Jesoa Tompo ô, nasehonao an’ireo Apôstôlinao tany an-tendrombohitra ny voninahitrao ao amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina; koa tahio izahay hiaina amin’ny Fanantenana mba ho sambatra hibanjina Anao indray andro any.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Ireto fanatitra ireto anie, ry Tompo, handio anay ho afa-pahotana, ary enga anie ireo hahamasina ny fanahy amam-batanay mpanomponao mba hahafahanay mankalaza tsara ny Paka, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

 

Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nanambara tamin’ny mpianany mialoha fa ho faty Izy, ka naneho ny famirapiratany tany an-tendrombohitra masina, mba hampiharihary fa rehefa avy mijaly Izy araka ny voalazan’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia ho feno voninahitra hitsangan-ko velona.

 

Kômonio

Mt. 17, 5.

Hoy ny Tompo hoe: “Zanako malalako ity, ilay sitrako tokoa; henoy Izy”.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, miezaka hisaotra Anao izahay mandray ny Kômonio isantaranay ny voninahitrao, satria na mbola ety an-tany aza izahay, dia efa miombona anjara amin’ny soa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0603