Sorona Masina ny Asabotsy 07 martsa 2020

Karemy — Herinandro voalohany

SABOTSY

Tononkira fidirana

Salamo 18, 8

 

Ny lalan’ny Tompo, lavorary, mamelombelona fanahy. Ny didin’ny Tompo, mahatoky, mampahendry olon-tsotra.

 

Fangatahana

Ry Ray mandrakizay ô, atodiho any aminao ny fonay mba tsy hikatsaka afa-tsy Ianao hany tokana ilainay sy mahasambatra anay, ka ny asa fiatrana sy fitiava-namana ataonay anie hanampy anay hanokan-tena hanompo Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky Deteronômy

Det. 26, 16-19

 

Mba ho vahoaka masina ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’ny vahoaka Israely i Môizy nanao hoe: “Ny Tompo Andriamanitrao no mandidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsipika ireo, koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo. Nampanambara tamin’ny Tompo ianao androany, fa Izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany, hitandrina ny didiny sy ny lalàna amam-pitsipiny, ary hihaino ny feony. Ary ny Tompo kosa efa nampanambara anao androany, fa ianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary Izy nametra-teny hanandratra anao ambonin’ny firenena rehetra nataony, na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao, araka ny efa voalazany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 118, 1-2. 4-5. 7-8

 

Fiv.: Sambatra izay mizotra amin’ny lalan’ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra, fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo! Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Ianao ihany no mamoaka ny Lahatrao mba hotandremana fatratra. Enga anie ho marin-toetra ny lalako amin’ny fitandremana ny Fitsipikao.
Mankalaza Anao amim-po mahitsy aho, eo am-pianarana ny Satanao izay ara-drariny. Mitandrina fatratra ny Fitsipikao aho; fa aza dia ilaozana kosa!

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 43-48

 

Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namana ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: hanavao ny herinay anie izao Sorona masina izao ka hahamendrika anay hirotsahan’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Karemy

 

Kômonio

Mt. 3, 48

Aoka ho lavorary ianareo, hoy ny Tompo, tahaka ny Rainareo any an-danitra.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ombao fitahiana mandrakariva, ry Tompo, izahay nofahananao tamin’ny Kômonio masina, ka enga anie izahay feno ny zava-tsoa nomenao, hotohananao sy halànao alahelo ary hovonjenao hatrany hatrany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1888