Sorona Masina ny Alakamisy 05 martsa 2020

Karemy — Herinandro voalohany

ALAKAMISY

Tononkira fidirana

Salamo 5, 2-3


Tompo ô, ampandrio sofina ny teniko, henoy ny sentosento ary atreho ny vavaka ataoko, fa Mpanjakako Ianao sady Andriamanitro!


Fangatahana

Mba rotsahy ny fahasoavanao izahay, ry Tompo, hanana toe-tsaina matotra hihevitra izay mahitsy mandrakariva ary hanatanteraka azy amin’ny fo mazoto, fa raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay, ka enga anie hanan-kery hiaina araka ny hevitrao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Estera

Est. 14, 1. 3-5. 12-14


Tsy manam-bonjy afa-tsy Ianao aho, ry Tompo.

Tamin’izany andro izany, nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan’ny fahafatesana ny mpanjakavavy Estera, ka niantso vonjy tamin’ny Tompo, ary nanao izao vavaka izao tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: “Ry Tompo izay hany Mpanjakanay, vonjeo amin’izao fahaporitako izao aho, izay tsy manam-bonjy afa-tsy Ianao, fa ny loza manambana ahy itý, toa voatsapan’ny tanako sahady. Efa reko fahazaza, tao amin’ny fokon’i Kaky, fa Ianao ry Tompo, efa nifidy an’i Israely tamin’ny firenena rehetra, sy nifidy ny razanay, tamin’ireo iray razana aminy rehetra, ho lovanao mandrakizay, ary efa notanterahinao hanasoavana azy avokoa ny fampanantenanao rehetra. Tsarovinao izahay, ry Tompo, ataovy manehoeho laza Ianao amin’izao andron’ny fahorianay izao, ary omeo hery aho, ry Mpanjakan’ny andriamanitra sy Mpanjakan’ny fahefana rehetra! Asio teny malina ao am-bavako eo anatrehan’ilay liona, ary ovao ny fony hankahala ny fahavalonay, mba hahafaty azy, dia izy mbamin’izay rehetra miray hevitra aminy. Fa izahay kosa dia aoka ny tananao hanafaka anay, ary ampio aho, amin’izao izaho irery izao tsy manana an’iza na iza, afa-tsy Ianao, ry Tompo! Ianao mahalala ny zavatra rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 137, 1-2a. 2bd-3. 7-8


Fiv.: Ny andro iantsoako, namaly Ianao, ry Tompo.

Tompo ô, midera Anao amin’ny foko tontolo aho: satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako! Miantsa Anao eo anatrehan’ireo andriamanitra aho, miankohoka mitodika ny Tempolinao Masina.
Sy misaotra ny Anaranao; noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao. Ny andro iantsoako, mamaly Ianao, sy mampitombo hery ny fanahiko!
Ny tananao mitsotra sy mamonjy! Ny Tompo no mpamaly izay ratsy atao ahy. Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: aza atsahatra ny efa ataon’ny tenanao!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 7, 7-12


Izay rehetra mangataka no mahazo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; dony, dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana. Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny; na hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny? Koa raha ianareo na dia ratsy aza mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy? Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, iantrao izahay mangataka sy mitalaho aminao, ary raiso ny tolotra amam-bavaka ataonay vahoakanao, ka atodiho ho tia Anao ny fonay mianakavy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Mt. 7, 8

Izay rehetra mangataka dia hahazo, izay mitady dia hahita ary izay mandondòna dia hovohana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo Andriamanitray; enga anie izao Kômonio masina nomenao hanohana sy hankahery anay izao hahasoa hahatsara anay eto an-tany sy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.025