Sorona Masina ny Alarobia 04 martsa 2020

Karemy — Herinandro voalohany

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Salamo 24, 6. 3. 22


Tsarovy ny indrafonao, ry Tompo, tsarovy ny hatsaram-ponao izay efa hatramin’ny fahagola! Aoka tsy ho resim-pahavalo na oviana na oviana izahay; afaho izahay, ry Andriamanitr’i Israely, afaho amin’ny fahorianay rehetra!


Fangatahana

Topazo maso feno fitiavana, ry Tompo, ny vahoakanao vonona hanompo Anao, ka rahefa nahalala onony izahay nampihafy ny vatana, dia enga anie ny asa soa ataonay mba hahazoan’ny fanahinay hery vaovao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Jônasa Mpaminany

Jônasa 3, 1-10


Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva.

Tonga fanindroany tamin’i Jônasa ny tenin’ny Tompo, nanao hoe: “Mitsangàna ianao, mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao.” Dia nitsangana i Jônasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo. Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalan-kateloana. Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasa, ka nitory izy nanao hoe: “Rahefa afaka efapolo andro dia horavana i Niniva.” Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra. Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin’ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, nirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin’ny lavenona. Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpitondra izao teny izao: “Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman’ondry; aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby, ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy. Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka dia mba tsy haripaka isika.” Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialàny tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo, ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 50, 3-4. 12-13. 18-19


Fiv.: Ny fo torotoro sy montsamontsana, tsy mba iavonanao, ry Andriamanitra.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra, fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Fo madio vaovao no angatahiko, sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko; ny Fanahy aza esorinao amiko.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra, toy izany ireo Sorona dorana. Ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro. Tsy hodianao tsy hita Andriamanitro, ny fanahy torotoro sy trotraka.


Fihobiana ny Evanjely

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 29-32


Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa Mpaminany itý taranaka itý.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ireo vahoaka betsaka nitangorona teo aminy nanao hoe: “Taranaka ratsy itý taranaka itý; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý. Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Atolotray Anao, ry Tompo, ny fanatitra nomenao hankalazana ny Anaranao; ka enga anie ho Sakramenta mahasoa anay no hanovanao azy ho fanafody mahasitrana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Salamo 5, 12

Izay rehetra mifefy aminao, ry Tompo, hifaly; izay arovanao, hihoby mandrakizay, ary Ianao honina eo aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, ny Kômonio masina no entinao mamahana anay lalandava, ka ataovy mankahery anay noho ny indrafonao mba hahazoanay ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082