Sorona Masina ny Talata 03 martsa 2020

Karemy — Herinandro voalohany

TALATA

Tononkira fidirana

Salamo 89, 1-2


Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny taranaka mifandimby! Nisy hatramin’ny mandrakizay Ianao, ka haharitra mandrakizay.


Fangatahana

Topazo maso izahay fianakavianao, ry Tompo, ka enga anie izao famolahana ny nofo ilofosanay izao hampamirapiratra eo imasonao ny fonay maniry te-hihaona aminao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 55, 10-11


Mahatanteraka izay tiako ny teniko.

Izao no lazain’ny Tompo: “Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 33, 4-5. 6-7. 16-17. 18-19


Fiv.: Esorin’ny Tompo amin’ny olo-marina ny ahiahiny rehetra.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany! izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny; ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo, ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina, ny sofiny amin’ny tolokon’ireo. Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy, mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo, ny ahiahiny rehetra esoriny aminy. Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo, sy mamonjy ny rera-tsaina.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 6, 7-15


Koa mivavaha toy izao ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. Koa mivavaha toy izao ianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen. Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mba raiso izao fanatitra atolotray izao, fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana; koa enga anie izay fanampiana nomenao hanohana anay amin’itý tany fandalovana itý mba hohamasinin’ny indrafonao hahazoanay ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Salamo 4, 2

Niantso Anao aho, ka nohenoinao, ry Andriamanitra mpanamarina ahy! Tamin’ny tery aho, ka nohalalahanao; iantrao aho, ry Tompo, henoy vavaka!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Kômonio masina noraisinay anie hanome fahasoavana anay hahalala onona amin’ny zavatry ny tany ary hahay hankafy ny soa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098