Sorona Masina ny Alatsinainy 02 martsa 2020

Karemy — Herinandro voalohany

ALATSINAINY

Tononkira fidirana

Salamo 122, 2-3


Indro toy ny mason’ny ankizilahy manaraka ny tanan’ny tompony ny masonay manaraka ny Tompo Andriamanitray mandra-piantrany anay! Eny, iantrao izahay, ry Tompo, iantrao izahay.


Fangatahana

Atodiho any aminao ny fonay, ry Andriamanitra Mpamonjy anay, ary toroy ny fampianarana avy any an-danitra ny fanahinay mba hahasoa anay izao asa fivalozana fanao amin’ny Karemy izao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’ny Levitika

Lev. 19, 1-2. 11-18


Ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe: “Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, lazao aminy hoe: Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, Tompo Andriamanitrareo. Aza mangalatra, aza mifamitaka na mifandainga ianareo. Aza mianian-tsy tò amin’ny Anarako, fa fanamavoana ny Anaran’ny Andriamanitrao izany. Izaho no Tompo. Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikarama. Aza manozona ny marenina, na mametraka eo alohan’ny jamba izay zavatra mety hamotraka azy, fa matahora an’Andriamanitrao. Izaho no Tompo. Aza manao ny tsy rariny amin’ny fitsarana, ny mahantra aza ananana tombom-pitia, ny manankarena aza ananana fankasitrahana, fa ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao. Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ran’ny namanao. Izaho no Tompo. Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Tompo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 15


Fiv.: Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy. Ny Didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny Fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo. Ny Baikon’ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.
Ho sitraka eo anoloanao anie, ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako, ry Tompo vatolampiko, ry Ilay mpanavotra ahy!


Fihobiana ny Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo.

Dera ho anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 25, 31-46


Isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.’

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ny ondry moa hataony eo ankavanany, ary ny osy kosa eo ankaviany. Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo an-kavanany hoe: ‘Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana Aho, nomenareo hanina; nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, notafianareo; narary Aho, novangianareo; tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo.’ Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay? Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay?’ Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko. Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe: ‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny. Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, tsy notafianareo; narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.’ Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy Anao izahay?’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa.’ Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, izao tolotra entinay manompo Anao izao, ka ombao hery hanamasina ny toe-piainanay sy hampahazo anay ny famelan-keloka sy ny indrafo avy aminao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Mt. 25, 40

Lazaiko marina aminareo fa izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireny madinika indrindra Ahy ireny dia nataonareo tamiko. Koa avia, ry nohasoavin’ny Raiko, mandova ny fanjakana nomanina ho anareo hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny Kômonio masina izahay, ry Tompo, ka ho renay anie ny herinao manohana ny fanahy amam-batanay, ary rahefa voavonjy manontolo ny tenanay dia ho tretrika izahay sitrana tanteraka nahazo fanafody avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082