Sorona Masina ny Alahady 01 martsa 2020

Taona A - ALAHADY VOALOHANY KAREMY

ANDRIAMANITRA TSY TIA RATSY FA NY OLOMBELONA NO BE SIASIA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 90, 1 5-16

Hoy Andriamanitra hoe: Hiantso Ahy izy ary hohenoiko, hombako amin’ny androm-pahoriana, hafahako, homeko voninahitra, hovokisako andro sesehena.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, manaraka ny fomba masina amin’ny Karemy isan-taona izahay, ka enga anie hitombo fahalalana ny harena miafina ao amin’i Kristy ary hampiasa ny vokatr’izany amin’ny toe-piainana mendrika.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 2, 7-9; 3, 1-7

Nanota ireo Ray aman-drenintsika voalohany noharîn’Andriamanitra.

Vovo-tany no nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona. Ary ny Tompo Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. Ary nampanirîn’ny Tompo Andriamanitra tamin’ny tany, izao hazo rehetra mahate hijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon’ny aina tao afovoan’ny saha, ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon’ny Tompo Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: “Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo?” Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: “Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay; fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe: 'Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty ianareo'”. Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: “Tsia, tsy ho faty akory ianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy”. Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahate hijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy. Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 50, 3-4, 5-6a, 12-13, 14 sy 17


Fiv.: Iantrao aho, ry Tompo, araka ny hatsaram-ponao.

Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao; koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho, diovy tokoa amin’ny hadisoako. Eny, miaiky heloka aho:
tsaroako lalandava ny otako. Ianao irery tokoa no nanotako; ny ratsy imasonao no nataoko.
Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô, fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho; ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy; fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera anao ny vavako.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 5, 12-19 (lava) na 12, 17-19 (fohy)


Noho ny halehiben’ny fahadisoana no nahazoana fanomezam-pahasoavana bebe kokoa.

Avela ny ao anatin’ny […] raha ny fohy no atao.

Ry kristianina havana, izao tontolo izao no nidiran’ny fahotana tamin’ny olona iray sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: [fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna. Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny Olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra bebe kokoa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. ]

Ary raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fahamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny Olona iray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy tenin’Andriamanitra!

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy tenin’Andriamanitra!

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 4, 1-11

Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa ary nalain’ny devoly fanahy.

Tamin’izany andro izany, dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa mba halain’ny devoly fanahy; ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, ka noana nony afaka izany. Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: “Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, ataovy tonga mofo ireto vato ireto”. Fa namaly i Jesoa ka nanao hoe: “Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. Tamin’izay dia nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina ny devoly ka nametraka Azy teo an-tampon’ny Tempoly, dia nanao taminy hoe: “Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: Ny Anjeliny no nametrahany Anao, ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Efa voasoratra koa fa: Tsy haka Fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao”. Dia nentin’ny devoly nankany ambonin’ny tendrombohitra avo dia avo indray Izy, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, ary hoy izy taminy: “Homeko Anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko Ianao”. Fa izao no navalin’i Jesoa azy: “Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”. Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mba hahavitantsika tsara izao Karemy izao ka hahafahantsika hanovo hery misimisy kokoa ao amin’i Kristy, dia andeha hangataka mba ho tena tsapantsika fa ratsy ny heloka vitantsika sy vitan’izao tontolo izao, ka tokony hivalozana amin’Andriamanitra Raintsika.

Valy: Avoty aho, ry Tompo, iantrao.

* Manana adidy lehibe amin’ny fikolokoloana ny vahoakan’Andriamanitra ny Eglizy, koa mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra mba hahafahany mitarika antsika hanara-dia an’i Kristy handresy ny ratsy.
* Maro amin’ny mpitondra vahoaka sy manam-pahefana no alaim-panahy hanao zavatra mampitolagaga fa tsy izay tena hahasoa; koa mivavaha mba tsy hitady izay soa ho an’ny tenany na fahombiazana ivelany fotsiny izy fa ho an’ny soa iombonana marina tokoa.
* Hitantsika androany fa noana i Kristy, ary maro koa ankehitriny ny olona noana toa Azy; koa angataho mba hahay hifampitsimbina sy hifampizara ny olombelona, ka hahafoy amin’izay kely na be eo an-tanany hamonjena ny namana.
* Tsarovy ireo olon-dehibe miomana hatao Batemy amin’ny Paka, mba tsy ho azon-tsampona ny fikasany, ary mba hankahery azy hiady amin’ny demony sy ny fahazaran-dratsy rehetra ny mahita ny ohatra omen’i Kristy sy ny kristianina.
* Mba tsy handalovan’ny Karemy fotsiny, toy ireo andro hafa mandritra ny taona, dia mangataha finoana sy herim-po mba hiezahantsika marina handio ny fanahintsika sy hampisondrotra ny fo, ary ho fatra-panasoa namana.


— Azo ampiana izay ilaina eran-tany na eo an-toerana.


Ry Jesoa Tompo ô, nekenao hihatra taminao ireo fakam-panahy mpahazo anay olombelona; koa satria fantatrao fa osa sy malemy izahay, dia tolory ny herinao hahatohitra tahaka Anao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy mifanaraka amin’ireto tolotra ireto ny toetranay, fa sorona anombohanay ny karemy izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nisantatra izao fomba masina izao tamin’Izy nifady hanina efapolo andro, ary nampianatra anay handresy ny herin’ny ratsy rehetra tamin’Izy nandrava ny fandrika novelarin’ny demony, mba hankalazanay ny Paka amin’ny fanahy mendrika sy hahatafita anay any amin’ny Paka mandrakizay indray andro any.

Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra mihira sy mankalaza Anao, amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe:

Masina, Masina, Masina …


Kômonio

Mt. 4, 4

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Mofo avy any an-danitra nanovozanay hery dia mamelona ny finoana, mampitombo ny fanantenana ary mankahery ny fitiavana; koa mihanta aminao izahay: ampianaro haniry an’Ilay tena Mofo velona sy hanovo aina amin’ny teny rehetra aloaky ny vavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0593